Toko fah 62

1 Nohon'gny amin'i Ziona dra sy hisigny zaho, vo nohon'gny amin'i Jerosalema dra sy hikombom-bava zaho, mandra-piboakin'gny fahamarigna mamirapirasy, vo gny famonzeny manahaky gny fagnilo mirehisy. 2 Hahita gny fahmarignaniha reo firene, vo gny pazaka aby gny voninahisiniha. Ho tokavy amin'gny agnara vaovao hanao ze ho safilin'i Yaveh. 3 Ho satro-boninahisy gny hasoa eo an-tagnan'i Yaveh avo koa hanao, vo satroky gny fanzaka eo an-tagnan'gny Zagnahariniha. Sy ho zakay gny aminiha sasy gny ho: 4 "Nafo"; na ho zakay amin'gny taniniha sasy gny ho: "Lao." Fe koa, ho tokavy ho: " Gny sitrako," vo gny taniniha ho: ' Manambaly," akory sitrak'i Yaveh hanao, sady hanambaly gny taniniha. 5 Manahaky gny tovolahy manambaly tovovavy vatany, gny hanamablian'ireo zanakiniha aniha, dra anhaky gny papakasy mifaly amin'gny apakary, gny hifakian'Agnaharindrareo amindrareo. 6 Nametrahako piamby teo amin'ireo fefiniha, ry Jerosalema; sy misigny ereo andro vo hariva. Handrareo ze mapasiahy an'i Yaveh, ka mizano. 7 Ka enga hiala rokaky Izy mandra-pametrahany an'i Jerosalema ndraiky vo mandra-panaovany anizeho ho fisiriria an-tany etoky. 8 Nifata tamin'gny tagnany akavagna vo taming'ny sandrin'gny heriny Yaveh ho: " Azo atoky fa sy hagnome gny varinandrareo ho sakafo ho an'ireo fahavalondrareo sasy Zaho. Reo vahiny dra sy hino gny divay vaovaondrareo, ze niasandrareo. 9 Fa reo ze mizinza gny vary dra hihina anizeho sady hisiriry an'i Yaveh, vo reo ze mioty voaloboky dra hino gny divay ao amin'gny fisaran'gny toerako masy." 10 Miboaha, miboaha amin'gny vavahady! homagno gny lala ho an'gny olo! Hamboaro zeho, hamboaro gny lalam-be! Avorio reo vato! Manangana say famatara ho an'ireo firene! 11 Ingo, magnambara amin'gny faran'gny tany Yaveh ho: " Zakao amin'gny zanakapelan'i Ziona ho: Ingo, avy gny pagnavosy andrareo! Atio, mindray aminazy gny valiosoany, dra mandeha eo agnoloany gny valin-kirokafany." 12 Hitoka andrareo ereo ho: "Gny vahoaky masy; gny navotan'i Yaveh," vo hanao dra ho tokavy ho: " Nitaliavy; tana sy nafo."