Toko faha 61

1 Aminahy ato gny Fagnahin'gny Tompo Yaveh, akory nagnosotry anahy hitory vaovao mahafaly amin'ize ory i Yaveh. Nagniraky anahy so hagnasitra gny marary am-po Izy, so hagnambara fahafaha amin'ireo ze babo, vo fisokafan'gny fonza ho an'ireo ze voafatotry. 2 Nagniraky anahy so hagnambara gny tao fankasitrahan'i Yaveh, gny andron'gny valifatin'gny Zagnaharisika, vo ba ha[iegny an'ize iaby mandala Izy. 3 Nagniraky anahy Izy--- so hagnome ho an'ereo ze mandala ao Ziona--- so hagnome satroky ho andreo fa sy lavenoky, dililom-pifalia fa sy fandala, lamba fidera ho solon'gny faharokfan'gny fagnahy, so hitokava andreo ho hazon'gny fahamarigna, gny nambolen'i Yaveh, so homem-boninahisy izy. 4 Hananga reo rava taloha ndraiky ereo; hapihery reo fandrava teo aloha ndraiky ereo. Hapihery reo tana rava ndriky ereo, reo fandrava tamin'gny taranaky maro teo aloha. 5 Hisanga dra hamaha an'ireo agnondry aman'osindrareo reo vahiny, vo reo zanaky lelahin'gny vahiny hiasa gny sahandrareo vo gny tanim-boalobokindrareo. 6 Ho tokavy ho pisoron'i Yaveh handrareo; hitoka andrareo ho panopon'gny Zagnaharisika ereo. Hihina gny haren'ireo firene handrareo, dra hirehareha amin'gny haren'ereo. 7 Hahazo avo ro heny handrareo solon'gny hegnasindrareo; dra hifaly amin'gny fizaran'ereo handrareo solon'gny fahafaham-baraka. Noho zeho ereo dra hahazo zara avo ro heny amin'gny tanin'ereo; hafalia mandrakizay gny ho andreo. 8 Fa Zaho, Yaveh, dra tia gny rariny, vo halako gny fandroba vo gny herisetra sy ara-drariny. Hamaly andreo am-pahamarigna Zaho, sady hanao faneke mandrakizay amin'ereo. 9 Ho fatasy eo amin'ireo firene gny taranah'ereo, vo eo amin'ireo vahoaky gny zanak'ereo. Ze iaby mahita andreo dra hagneky andreo, fa ereo gny vahoaky ze nitahin'i Yaveh. 10 Hifaly tateraky amin'i Yaveh zaho; ho ravo ao amin'gny Zagnahariko zaho. Fa Izy gny napisiky anahy tamin'ireo fitafian'gny famonze; napisiky anahy tamin'gny akazo lavan'gny fahamarigna Izy, manahaky gny panpakasy mandravaky gny vatany amin'gny satroky, vo manahaky gny apankary mandravaky gny vatany amin'gny firavakiny. 11 Fa manahaky gny tany mapisimoky gny raha misiry ao aminazy, gny hapisirian'i Yaveh fahamarigna vo fisiriria eo agnatrehan'gny firene aby.