Toko faha 60

1 Misanga, mihazava; fa avy gny fahazavaniha, dra fa nisandrasy taminiha gny voninahis'i Yaveh. 2 Fa handrakosy gny tany gny ezy, vo reo firene gny ezim-pito; fe hisondrosy aminiha eo Yaveh, dra ho hitaniha gny voninahiny. 3 Ho avy amin'gny fahazavanoha eo reo firene, vo eo amin'gny tara-pahazavaniha ze misondrosy reo pazaka. 4 Magnitia magnodidy dra tazagno. Mindray mivory izy iaby dra avy aminiha eo. Ho avy lat'agny lavisy reo zanadahiniha, dra ho andesy an-sandriny reo zanakapelaniha. 5 Dra hagnety hanao dra ho miramira, dra tokony hifaly vo ho safosy gny foniha, akory hararahy aminiha gny hamaroan'gny ranomasy, ho avy aminiha gny haren'ireo firene. 6 Handrakosy aniha reo andrian-drameva, dra reo rameva tanora agny Midiana vo Efaha; reho iaby reho dra ho avy agny Sheba aby; handay volamena vo ditin-kazo magnisy reo, sady hihira fidera an'i Yaveh. 7 Reo agnondry aman'osin'i Kedara aby dra havory eo aminiha, reo agnondry lahin'i Nebaiota dra hety amin'ize ilaniha; ho fagnatisy ankasitraha eo amin'gny alitarako reo; dra homeko voninahisy gny fasangeko be voninahisy. 8 Ia se regny mitily manahaky gny raho, vo manahaky gny voromailala ao amin'gny felofany regny? 9 Mitalia Anahy gny tany amoronsiraky, sady mitariky gny sambon'i tarsisy, so handay reo zanakiniha lelahy baoky lavisy, gny volafosiny vo reo volamenany miaraky amin'ereo, ho an'gny agnaran'i Yaveh Zagnahariniha, vo ho an'Gny Masin'Israely, akory fa nagnome voninahisy aniha Izy. 10 Gny zanaky lahin'ireo hafa firene hananga ndraiky reo fefiniha; dra hanopo aniha reo pazakanu; fa ndre dra tamin'gny hahoriako aza gny nagnatrokafako aniha, dra amin'gny fankasitrahako koa gny hangorahako aniha. 11 Hisokasy hatragny hatragny avo koa reo vavahadiniha; sy hakatoky na andro na hariva reo, so handesa gny haren'ireo firene, mbamin'ireo pazakany tarity. 12 Reo firene vo reo fanzaka ze sy hanopo aniha dra ho levo vatany; ho rava tateraky zeho firene zeho. 13 Ho avy aminiha gny voninahis'i Libanona, gny hazo kypreso, gny kesiky, vo gny bosko miaraky, dra hanendriky gny fitoerako masy, vo hagnome voninahisy gny fitoeran-tomboky Zaho. 14 ho avy eo aminiha so hiankohoky ereo, dra gny zanaky lelahin'ireo ze nagnetry aniha; hiankohoky eo an-tombokiniha ereo; hitoka aniha ho Gny tanan'i Yaveh ereo, dra i Zion'Gny Masin'Israely. 15 ho soloniha nenga sady nankahalay, dra sy misy mandalo aniha, dra hahikoraha firehareha mandrakizay hanao, fifalia hatramin'gny taranaky mifandimby. 16 Hino gny rononon'ireo firene avo koa hanao, dra hinono eo amin'gny tratran'ireo pazaka; dra ho fataniha fa Zaho, gny Yaveh, Pamonzy aniha sady Pagnavosy aniha, Gny Masin'i Jakoba. 17 Ho solon'gny saba dra handay volamena Zaho, ho solon'gny vy dra handay volafosy Zaho; ho solon'gny hazo, dra saba; vo ho solon'gny vato, dra vy. Hanendry fiadagna ho governoraniha zaho, vo rariny gny panapakiniha. 18 Sy ho re ao amin'gny taniniha sasy gny herisetry, na fandrava na fahapotipotrha ao amin'ireo faritaniniha; sa ho tokaviniha ho Famonze reo fefiniha, vo Fidera gny vavahadiniha. 19 Sy so fahazavaniha gny andro sasy gny masoandro, na hamirasy aminiha gny fahazavan'gny vola; fa Yaveh gny ho fahazavaniha maharisy mandrakizay, vo gny Zagnariniha gny voninahisiniha. 20 Sy hiletiky sasy gny masoandroniha, na hiala dra hanzavo gny volaniha; fa Yaveh gny ho fahazavaniha maharisy mandrakizay, dra hifara reo andro fandalaniha. 21 Ho mary aby gny vahoakiniha aby; hangalaky gny tany amin'gny fotoa aby ereo, dra gny ransan'gny voliko, gny asan'gny tagnako, so home voninahisy Zaho. 22 Ho avy agn'arivony gny keliky, vo ho firene matazaky gny bitiky; Zaho, Yaveh, dra hagnatateraky ireo malaky nofa avy gny fotoa.