Toko faha 59

1 Ingo, gny tagnan'i Yaveh sy fohiky ra dra sy hahavonzy; vo gny sofiny sy maregniregny, dra sy hahare. 2 Gny asa rasindrareo, fe, gny napisaraky andrareo tamin'gny Zagnaharindrareo, vo gny fahotandrareo gny nahavy Anazy hagnavony gny tarehiny amindrareo dra sy hiteno andrareo. 3 Fa tasin'gnylio gny tagnandrareo vo gny rasan-tagnandrareo tasin'gny fahota. Mizaka vandy gny sognindrareo vo gny lelandrareo mizaka amin-kafese. 4 Sy misy mitoka gny mary, sady sy misy mifona amin'gny fahamarigna. Mitoky amin'gny zaka fahatany ereo, dra mizaka vandy; vandy gny torotorogniny vo fahota gny aterany. 5 Mikotriky atolim-bibilava feno poizy ereo dra magneno tragnon-kala. Ze iaby mihina gny atoliny dra maty, vo no misy atoly vaohisaky, dra foy ho bibilava feno poisy zeho. 6 Sy azo apesa hahy akazo gny tragno-kalany, na afaly magnoro gny vatany gny asany. Asan'gny fahota gny asany, vo gny asan'gny herisetry gny eo an-tagnany. 7 Mihazakazaky ho agny amin'gny rasy gny tombony, vo mihazakazaky handasaky lio sy mana-syigny ereo. Fihevisy fahota gny fihevisiny; herisetry vo fandrava gny lalagnany. 8 Gny lalagnan'gny fiadagna sy bo fatas'ereo, dra sy misy rariny eo amin'gny lalany. Nagnamboasy lala-meloky ereo; ze iaby mandeha amin'izeho lala zeho dra sy mahita fiadagna. 9 Noho zeho dra lavisy anay gny rariny, sady sy mahatratry anany gny fahamarigna. Mandigny fahazava zahay, fe mahita ezy; mitalia famirapirata zahay, fe mandeha amin'gny ezy. 10 Misapasapa rindry manahaky gny poaky zahay, manahaky reo ze sy mahita. Voafinga amin'gny dizerabenagnahary zahay manahaky gny ho amin'gny takariva; eo amin'gny reo mahery dra manahaky gny olo maty zahay. 11 Mierosy manahaky gny bera zahay dra mitolokoloko manahaky gny voromailala; miaby rariny zahay, fe sy misy; maimby fagnavota, fe lavisy anay zeho. 12 Fa eo agnoloaniha gny helokinay, vo gny fahotanay gny miapamga anay; fa gny helokinay dra mindray aminay, sady fatasinay gny fahotanay. 13 Nikomy zahay, nanda an'i Yaveh sady niala tamin'gny fagnaraha gny Zagnaharinay. Nizaka fapahoria zahay dra nivio lala, namoro fitaraigna boaky tao am-ponay vo zaka vandy. 14 Nala gny rariny, dra mizoro lavisy dra lavisy gny fahamarigna; fa tafitohy egny akalamanzagna gny fahamarigna, dra sy ho aby gny mary. 15 Fa difisy lavisy gny fahamendreaham-pitokisa, vo gny raiky ze miala amin'gny rasy gny mahavy ny vatany ho tra-doza. Hitan'i Yaveh zeho dra sy faly Izy fa sy misy gny rariny. 16 Nahita Izy fa sy misy olo, dra lasa fa sy mbo misy milisy an-sehasy. Noho zeho dra tagnany avo gny nanday famonze ho Anazy, vo gny fahamarignany gny nanoha Anazy. 17 Mitafy fahamarigna ho saron-tratra Izy vo garo-loha famonze eo amin'gnylohany. Nitafy akazo vaalifaty izy dra nanao gny zoto-po ho aron'akazo. 18 Nivaliany noho ze vitany ereo, dra fisara feno hahoria amin'gny rafiny, famalia ho an'gny fahavalony, vo fatrokafa ho valim-pitian'ireo. 19 Koa dra hatahosy gny agnaran'i Yaveh lat'agny andrefa ereo, vo gny voninahiny lat'agny amin'gny fiposahan'gny masoandro; fa ho avy manahaky gny mipaoky Izy, ze andesin'gny fofonain'i Yaveh. 20 "Misy pagnavosy avy ao Ziona vo amin'ireo ze miala amin'gny asany feno fikomia ao amin'i Jakoba--- zeho gny fagnamabarn'i Yaveh. 21 No gny aminahy, dra zeho gny fanekeko amin'ereo--- ho Yaveh--- gny faganhiko ze ao amin'ereo, vo gny zakako ze napetrako teo am-bavaniha, dra sy hiala amin'gny vavaniha, na hiala amin'gny vavan'ireo zanakiniha, na hiala amin'gny vavan'ireo zafiniha--- ho Yaveh--- manomboky zeho dra ho mandrakizay."