Toko faha 57

1 Maty gny mary, fe sy mihevisy anizeho, dra navory gny olon'gny faneke mahatoky, fe sy misy oo mahatakasy fa avory ;at'amin'gny rasy gny mary. 2 Milisy ao amin'gny fiadagna izy; miala rokaky eo am-pandriany ereo, dra ireo ze mandeha amin'gny fahisiany. 3 Fa nagnato eto, handrareo zanaky gny pagnandro, zanaky gny pizangazanga vo gny apela ze fa niavrosy gny vatany. 4 Ia gny magneso amin-kafalia andrareo? Amin'ia gny anokafandrareo vava vo hitrangandrareo lela? Sa ra sy zanaky pikomy, zanaky pamitaky handrareo? 5 Magnafana gny vatandrareo amin'gny fiaraha matory eo ambanin'gny hazo terebinta, ambanin'gny ahi-maiso aby handrareo. Handrareo ze mamono gny zanandrareo eo amin'gny renirano maiky, eo ambanin'gny sefasefakin'gny vato. 6 Amin'ireo kilonzy malaman'gny renirandohasaha reo raha ze notendreko ho andrareo. Reo gny anton'gny fanoloram-batandrareo. Handrareo dra mandraraky gny fagnatisindrareo inomy ho andreo sady manandrasy gny fagnatisy vary. Amin'ireo raha reo se gny tokony hifaliako? 7 Nagnoma gny fandriandrareo tagny an-tendrombohisy aby handrareo; niakast tagny koa handrareo so hanolosy reo soro. 8 Tao ivihon'gny varavara vo gny tolam-batrangara gny nametrahandrareo reo famatarandrareo. Handrareo dra nilefa nanenga Anahy, napitazaky gny vatandrareo, dra niakasy; napihanzaky gny fandriandrareo. Nanao faneke tamin'ereo handrareo; nitia gny fandrian'ereo handrareo; nahita gny farisy saro-padiny handrareo. 9 Nagnagny amin'i Moleka nindray tamin'gny dililo handrareo; napitombo gny raha magnisy handrareo. Nandefa reo irakindrareo lavisy handrareo; nizoso tagny amin'gny Fiaigna-sy hita handrareo. 10 Rokaky gny liandrareo lavisy handrareo, fe sy nizaka mihisy handrareo ho: "Sy misy fagnatena zeho." Nahita fiaigna teo an-tagnandrareo handrareo; noho zeho dra sy nihaosa handrareo. 11 " Ia gny ahiandrareo? Ia gny atahorandrareo fatrasy dra nahavy andrareo hamitaky, dra sy nahasiaro gny niheriserisy Anahy handrareo? Akory nangia hatry gny ela Zaho sady sy matahosy Anahy sasy handrareo. 12 Hagnambara reo asa marindrareo sady hizaka ze fa nahindrareo aby Zaho, fa sy hagnapy andrareo regny. 13 Nofa mitaray handrareo, aoky hamonzy andrareo reo karazan-sapindrareo. Notokony gny sioky gny handay anazy aby reo, dra gny fofon'ay gny handay anazy aby. Fa ze mialoky Aminahy dra handova gny tany vo hangalaky ho fanagna gny tendrombohisiko masy. 14 Hizaka izy ho: 'Amboaro, amboaro! Savao gny lala! Alao eo amin'gny lalan'gny vahoakiko gny raha mahatafitohy aby!"' 15 Fa zeho gny zakan'Gny ambony vo aby, ze velo mandrakizay, masy gny Agnarany: "Zaho dra mitoboky amin'gny toera abo sady masy, mindray aminazy koa gny fagnahy torotoro sady magnetry vata, so hameloma ndraiky gny fagnahin'ireo ze nagnetry vata, sady so hameloma ndraiky gny fon'ireo ze manegny. 16 Fa sy hiapanga mandrakizay, na ho ory mandrakizay Zaho, fa gny fagnahin'gny olo dra rokaky teo agnatrehako, dra reo ay ze nahiko. 17 Nohon'gny fahotan'gny tombony sy ara-drariny, dra ory Zaho, dra nagnatrotraky anazy; nagnavony gny tarehiko Zaho sady ory, fe nandeha tamin'gny lalan'gny fony izy. 18 Fa nahita gny lalany Zaho, fe ho sitragniko izy. Hitariky anazy Zaho dra hapahery sady hapiegny reo ze mandala ho anazy, 19 dra forogniko gny vokas'ireo sogniny. Fiadagna, fiadagna, hoan'ireo ze agny lavisy vo ho an'ireo ze mariny_hoi Yaveh_hositragniko ereo. 20 Fe reo rasy fagnahy dra manahaky gny ranomasy misamboaravoara, ze sy afaky mizano, vo gny ranon'izeho dra fotaky misamboaravoara. 21 Sy misy fiadagna ho an'ize rasy fagnahy_ho Zagnahary."