Toko faha 55

1 "Avia, handrareo aby ze mangetaheta, mandehana eo amin'gny rano, vo handrareo ze sy manam-bola, avia, miviliana dra mihinana! Avia, miviliana divay vo ronono sy andoavam-bola say sy misy viliny. 2 Nagnino handrareo gny mandanza volafosy ho amin'ize sy mofo, vo nagnino handrareo gny miasa fatrasy amin'ize sy mahafa-po andrareo? Tenoy soa Zaho da mihinana ze soa, vo amin'gny hateveza gny hafinarisy gny vatandrareo. 3 Atongilagno gny sofindrareo dra magnatogna aminahy atiky! Mitenoa, dra ho velo handrareo. Hanao faneke mandrakizay amindrareo Zaho: gny tokiako, fitiava mahatoky napagnatenay an'i Davida. 4 Ingo, fa nahiko amin'gny toerany manahaky gny vavolombelo ho an'ireo firene izy, manahaky gny pitariky vo pibeko hoan'gny vahoaky. 5 Ingo, hitoka gny firene ze sy fatandrareo handrareo; vo gny firene sy nahafatasy andrareo gny hihazakazaky ho agny amindrareo noho Yaveh Zagnaharindrareo, Gny masin'Israely, ze fa nagnome voninahisy ho andrareo." 6 Miataliava an'i Yaveh tany bo hita Izy; mitokava Anazy tany bo eo mariny eo Izy. Aoky hiala amin'gny lalany gny rasy fagnahy, vo gny paota hiala amin'gny herisetriny. 7 Aoky izy hihery amin'i Yaveh, dra hihantra anazy Izy, vo an'Agnaharisika, ze hamela tateraky anazy. 8 Fa gny fihevisiko sy fihevisindrareo, na gny lalandrareo gny lalako__zeho gny fagnambaran'i Yaveh__ 9 Fa manahaky gny hahabon'gny lagnisy ze abo kokoa noho gny tany, gny hahabon'gny lalako kokoa anoho gny lalandrareo, vo gny fihesiko mihoasy noho gny fihevisindrareo. 10 Fa sahala gny ora vo gnyfanala hilasaky lat'egny an-dagnisy dra sy mihery egny no sy ho mameno gny tany reo dra hamokasy sady hisimoky zeho dra hagnome vihi ho an'gny pamboly ze mamafy dra mizara mofo ho an'gny pihina, 11 koa ho aloakin'gny vavako avo koa gny zaka,: sy bo hihery aminahy sy misy dikay zeho, fe zeho gny hagnatateraky ze iriko, sady hahomby izy ho amin'ize nanadefasako an'izeho. 12 Fa hiboaky am-pifalia handraeo dra hotarihy am-piadagna; reo tendrombohisy vo gny havoa dra ho vaky amin'gny koraky am-pifalia eo agnatrehandrareo, vo gny hazon'gny saha aby dra hiteha-tagna. 13 No tokony ho fefy silo, dra kypreso gny hisiry; vo no tokony ho silo, dra hazo rota gny hisiry, dra ho an'i Yaveh zaho, fa gny agnarany , manahaky gny famatara ze sy ho tapaky mandrakizay.