Toko faha 54

1 " Mihira, ry apela momba, handrareo ze sy niteraky; miravoaravoa amin'gny hiram-pifalia dra mikoroha fatrasy, handrareo ze sy bo nihesi-zaza. Fa gny zanaku gny panday vata dra maro kokoa noho gny zanaky gny apela manambaly," ho i Yaveh. 2 Ahivo lahibe kokoa gny laindrareo dra velaro ambain-daindrareo, velaro soa; alavao gny talindrareo dra hafatraro gny soto-kazondrareo. 3 Fa hiely gny akavagna vo agny akavia handrareo, vo reo taranakindrareo dra handresy reo firene dra hitoby amin'gny tana lao. 4 Ka matahosy fa sy ho megnasy handrareo, na kivy fa sy ho afa-baraka handrareo; hagnaligno gny hegnasy gny hatanorandrareo vo gny fahafaham-barakan'gny fanenga andrareo handrareo. 5 Fa gny Pahary andrareo gny valindrareo, Yaveh tompon'gny maro gny Agnarany. Gny Raiky Masin'Israely gny Pagnavosy andrareo; Izy dra tokavy ho Zagnahary gny tany aby. 6 Fa Yaveh fa nihery nitoka andrareo hanahaky gny valy ze nenga vo malahelo am-panahy, manahaky gny apela nanambaly tanora dra naria," ho gny Zagnaharindrareo. 7 " Fa nagnary andrareo nandrisy gny fotoa fohiky Zaho, fa amin'gny fangoraha lahibe gny hangorahako andrareo. 8 Selasela avo gny hagnavoniako gny tarehiko tamindrareo; fa amin'gny tondra-dranon'gny hahoria; fa amin'gny faneke mahatoky sy mana-pitapera gny hangorahako andrareo--- ho i Yaveh, gny raiky ze magnavosy andrareo. 9 Fa zehi dra manhaky gny tondran-dranon'i Noa Aminahy: manahaky gny nifatako fa gny tondran-dranon'i Noa dra handalo amin'gny tany sasy, gny hifatako fa sy ho roy amindrareo na hizaka fatrasy andrareo Zaho. 10 Ndre hilavo aza reo tendrombohisy ndre koa hiozongozo aza reo havoa, gny fitiavako sy miova koa dra sy hiodiky amindrareo , na gny fiadagnako manhatoky ho voaozongozo--- ho i Yaveh, ze mamindra fo andrareo. 11 Handrareo ory, afotofoton'gny tafio-drivosy sady dy mana fapionona, ingo, ho ahiko amin'gny vatosoa gny rarivatondrareo, vo amin'gny safira gny hametrahako gny fotosindrareo. 12 Hahiko robina reo tilikambondrareo vo amin'gny vato mamirapirasy gny vavahadindrareo, vo gny fefindrareo agny iveny amin'gny vato soa tarehy. 13 Dra i Yaveh gny hapianasy reo zanadrareo aby, dra ho lahibe gny fiadagnan'ireo zanandrareo. 14 Amin'gny fahamarigna gny hagneregnako andrareo amin'gny laoniny. Sy hiay fagnitrifa sasy handrareo, dra sy hatahosy handrareo, sady sy hisy ndre ino ndre ino mapitahosy ho avy eo agnilandrareo. 15 Ingo, no misy olo mitariky korota, dra sy baoky Aminahy zeho; ndre ia ndre ia mitariky korota eo amindrareo dra ho lavo amin'gny faharese. 16 Ingo, fa nahary panao asa tagna, ze misoky gny bain'efo mirehisy vo manefy fitaovam-pialia ho asany Zaho, vo fa nahary gny pamotiky bo hamotiky Zaho. 17 Sy misy fitovam-pialia ze voafor hanohisy andrareo haharesy; vo handrareo dra hagnameloky ze iaby miapanga andrareo. Zeho gny lovan'ereo panopon'i Yaveh, vo gny fagnamarignan;ereo baoky Aminahy--- zeho gny fagnambaran'i Yaveh."