Toko fah 53

1 Ia gny nino ze reny boaky taminay, vo tamin'ia gny napisehoa gny sandrin'i Yaveh? 2 Fa nitombo manahaky gny zana-kazo mandinika teo agnatrehan'i Yaveh izy, vo manahaky gny simoky baky ao amin'gny tany karakay; sy nana hasaran-tarehy mahalasa na famirapirata izy; nofa nahita anazy sika, dra sy nisy hasoa maninto asika tegny. 3 Izy dra nisinosinoavy dra nilain'gny olo; olon'gny alahe;o, dra zatry fahoria. Manahaky gny raiky ze hagnavonian'gny olo gny tarehiny, nahy sinosino izy; dra ahisika manahaky gny sy misy dikany. 4 Fe nanday gny aretisika vatany izy dra nitaty gny alahelosika; fa nihevisy sika ho nisazian'Agnahary izy, nasian'Agnahary, dra napahoria. 5 Fa nilefony noho reo asa fikomiasika izy; potiky noho reo otasika izy. Gny sazin'gny fiadasika dra teo aminazy, vo tamin'ireo ratrany gny nahasitragna asika. 6 Sika aby dra manahaky gny agnondry ze nandeha tamin'gny lalan-diso; samby nandeha tamin'gnylalany aby sika, vo Yaveh nametraky gny fahotasika aby teo aminazy. 7 Napahory izy; fe nofa nagnetry vata izy, dra sy nanokasy gny vavany, sy nanokasy gny vavany manahaky gny zanak'agnondry ze tarihy ho agny amin'gny famoloa; vo manahaky gny agnondry ze misy magnoloa gny panety anazy izy. 8 Tamin'gny faneritere vo fisara gny niapanga anazy; ia amin'iho taranaky iho gny bo mieriserisy gny mahakasiky anazy? Fa naringa tamin'gny tanin'gny velo izy; noho reo fandikan-dalan'gny oloko dra nahy teo amin'gny fagnatrokafa. 9 Nahin'ereo nindraytamin'ireo malaso manan-kare gny fahafatesany, ndre dra sy nanao herisetry aza izy, na nisy fitaky aza teo asogniny. 10 Fa sitrapon'Yaveh ho hamotiky anazy vo hanao anazy ho mararyy. Nofa nahiny ho soro ho an'gny fahota gny ainy, dra hahita gny firokafany izy, hagnalava gny androny izy, vo gny tanzon'i Yaveh dra ho tateraky amin'gny alalany. 11 Afaran'gny fizaliany teo amin'gny fiaignany, dra hahita fahazava izy dra ho afa-po amin'gny fahalalany. Gny panopoko mary gny hagnamary gny maro; handay gny helok'ereo. 12 Noho zeho dra hagnome anazy gny anzarany eo amin'ireo maro zaho, dra hizara reo babo amin'gny maro izy, akory napiharihary gny vatany tamin'gny fahafatesa izy dra nahy ho isan'ireo pandika lalagna. Nanday gny otan'gny maro izy dra nagnelagnela reo pandika lalagna.