Toko faha 52

1 Mifohaza, mifohaza, tafio gny heriniha, ry Ziona; tafio reo akazoniha soa tarehy, ry Jerosalema, tana masy, fa sy hilisy amindrareo sasy gny sy voafora na gnyy maloto. 2 Ahisagno gny botany amin'gny vatandrareo; miaregna dra mitoboha, ry jerosalema; alao gny rozo vy eo am-bozoniha, ry zanakapelan'i Ziona babo. 3 Fa zeho gny zakan'i Yaveh ho: "Navily maimaimpoa handrareo, dra ho vonze maimaimpoa." 4 fa zehi gny ambaran'gny Tompo Yaveh: " any am-piandoha gny oloko dra nandeha nizoso nagnagny Egypta so hitoesy mandrisy gny fotoa voafetry; fa napahorian'i Asyria vo sy ela ereo. 5 Amizao ino gny hanagnako eto--- zeho gny fagnambaran'i Yaveh--- hita fa nala tamin'gny sy antony gny oloko? Magnirasira reo ze manapaky eo amin'ereo--- zeho gny fagnambaran'i Yaveh--- dra voahendrikendriky avo gny agnarako totolo andro. 6 Noho zeho gny oloko dra hahalala gny agnarako; ho fatan'ereo amin'izeho andro zeho fa Zaho gny mizaka ho:" Eka, Zaho zeho!" 7 Endrey gny hasaon'gny tombok'ireo panday hafasy egny an-tendrombohisy ze manday vaovao soa, ze magnambara fiadagna, ze manday zaka mahafaly, ze magnambara famonze, ze mizaka amin'i Ziona ho: " Manzaka gny Zagnaharindrareo!" 8 Tenoy, manondrosy gny feony reo piambinoha, mindray mikoraky fifalia ereo, akory hahita gny fiheregnan'i Yaveh agny amin'gny Ziona ereo, gny mason'ereo aby. 9 Mindresa mihoby hiram-pifalia, handrareo ry ravan'i Jerosalema; fa Yaveh dra fa napahery gny olony; fa nagnavosy an'i Jerosalema Izy. 10 Fa napiseho gny sandriny masy teo amason'gny firene aby Yaveh; hahita gny famonzen'gny Zagnaharisika gny tany aby. 11 Miala, miala, miboaha teto; ka mikasiky raha maloto; miala agnivo teo; diovy gny vatandrareo, handrareo ze manday gny fanak'i Yaveh. 12 Fa sy tapoky gny hiboahandrareo, na tahosy gny hialandrareo; akory Yaveh dra handeha hialoha andrareo; vo gny Zagnaharin'Israely gny ho vodi-lalandrareo. 13 Ingo, hiasa am-pahendre gny panopoko; ho ambony sady hisondrosy izy, dra abo loasy. 14 Fa manahaky gny nigagan'gny maro taminiha--- dra simba loasy sy sahala gny an'olombelo gny tarehiny, dra sy hita sahala gny olombelo sasy gny tarehiny. 15 Ndre dra zeho aza, hamafy firene maro gny panopoko dra hanakombo gny vavany noho izy reo pazaka. Fa zeho sy bo nizaka andreo, dra ho hitan'ereo, vo ze sy bo ren'ereo, dra ho azon'ereo.