Toko faha 51

1 Mitenoa Anahy, handrareo ze magnaraky gny fahamarigna, handrareo ze mitalia an'i Yaveh: atio gny vatolapy ze nangala andrareo vo gny fahaliam-bato ze nangala andrareo. 2 Atio Abrahama, randrareo, vo Sarha, ze niteraky andrareo; fa tamy bo toka izy; dra nitoka anazy Zaho. Nitahy anazy Zaho sady nahamaro anazy. 3 Eka, Yaveh gny hapiegny an'i Ziona; hapiegny reo toerany banga IZy; gny tany efisiny nahiny manahaky an'i Edena, gny tany karakainy eo agnilan'gny Ony Lohasahan'i Jordana hanahaky gny zaridain'i Yaveh; faharavoravoa vo fifalia gny hiata aminazy ao, fisora, vo feon'gny fihira. 4 " Mifatoha aminahy, ry vahoakiko; dra mitenoa Anahy ry vahoakiko! Fa hamoaky lily Zaho, dra hahiko ho fahazava ho an'gny firene aby gny fahamarignako. 5 Mariny gny fahamarignako; hiboaky gny famonzeko, vo gny sandriko gny hisara reo firene; reo tany amoron-siraky dra hiamby Anahy; fa gny sandriko gny ambenan'ereo fatrasy. 6 Andrandrao egny amin'gny lagnisy gny masondrareo, dra atio gny tany ambany, fa holevo manahaky gny setroky gny lagnisy, gny tany ho vorisy manahaky gny akazo, vo gny ponina eo amin'izeho ho faty manahaky gny lalisy. Fa gny famonzeko dra haharisy mandrakizay, vo gny fahamarignako dra sy hizano hiasa. 7 Mitenoa Anahy, handrareo ze mahay gny mary, handrareo vahoaky ze mana gny lalako ao am-pondrareo; "Ka matahosy gny fagnarasian'gny olo na kivy amin'gny fagnararaotany. 8 Fa gny kalalao hihina andreo manahaky gny akazo, vo gny kankana hihina andreo manahaky gny volon'agnondry; fa ho mandrakizay gny fahamarignako, dr ho an'gny taranaky aby gny famonzeko." 9 MIfohaza, mifohaza, tafio hery gny vatandrareo, dra gny sandrin'i Yaveh. Mifohaza manahaky gny tamin'gny andro taloha, gny taranaky tamin'gny fotoa taloha. Sy hanao se gny nagnisakisaky an-dRahaba, hanao ze nandefo gny dragnona? 10 Sy Hanao se gny nandrisy gny ranomasy, gny ranon'gny laliky vatany, vo manao gny fagnambanian'gny ranomasy ho lalam-pamonze so handalova? 11 Gny navotan'i Yaveh dra hihery dra hagnagny Ziona amin'gny korakim-piravoravoa vo am-piafalia mandrakizay ao amin'gny lohan'ereo; vo gnyfifalia vo faharavoravoa hameno andreo, dra hilefa andreo gny alahelo vo gny fandala. 12 " Zaho dra Zaho gny mapiegny aniha. Ino gny hatahoraniha gny olo, ze ho faty, gny zanak'olombelo ze nahy manahaky gny ahisy? 13 Nagnino gny nagnaligno an'i Yaveh ze pahary aniha hanao, ze naninzisy gny lagnisy sady nametraky gny fagnambanian'gny tany? Miay amin'gny tahosy lalandava hanao isan'andro nohon'gny firehetan'gny hahorian'gny papahory no tapa-kevisy gny handripaky izy. Eza gny hahorian'gny papahory? 14 Ze mitanondriky, ho avy malaky hagnafaky i Yaveh; sy ho faty sady sy handeha hizoso agny an-davaky, na sy hana mofo izy. 15 Fa Zaho gny Yaveh Zagnahariniha, ze mapagnonza gny ranomasy so harierosy gny onzan'izeho_ Yaveh Tompon'gny maro gny Agnarany. 16 FA nametraky teo am-bavaniha reo zakako, dra nisafosy aniha tao amin'gny aloky gny tagnako Zaho, so hahafahako magnory gny lagnisy, vo mametraky gny fagnambanian'gny tany, dra hizaka amin'gny Ziona ho: 'Vahoakiko hanao."' 17 fohaza, mifohaza, misangana, ry jerosalema, hanao ze fa nino tamin'gny tagnan'i Yaveh boaky tamin'gny lasetin'gny hahoriany; hanao ze fa nino tamin'gny lasety, hatregny amin'gny faikany ambany amin'gny kapoakin'gny fivembegna. 18 Sy misy tamin'ireo zanadahiny aby ze naterany bo hitariky anazy; sy misy tamin'ireo zanadahiny ze nasangany bo hitanta anazy. 19 Mitragna aminiha reo olona ro reo_ ia gny alahelo indray aminiha?_ faharava vo fandripaha, vo gny mosry vo gny mesa. Ia gny hapiegny aniha? 20 Fa rokaky reo zanadahiniha; lavo egny anzoron-dalam-be aby egny ereo, manahaky gny diera ao agnaty harato; mamenoandreo gny fahavigniran'i Yaveh gny zaka fatrasin'Agnahariniha. 21 Fa androany tenoy zeho, hanao ze napahory sady nimamoy, fe sy mamon-divay: 22 Yaveh Tomponiha, Zagnahariniha, ze mandahasy gny mahazo gny olony, mizaka ho: "Ingo, fa nalako teo an-tagnaniha gny kapoakin'gny fivembena_ gny lasety, ze kapoakin'gny hahoriako_ so sy hinomaniha anizeho sasy. 23 Hahiko eo an-tagnan'gny pagnitriky aniha zeho, ze fa nizaka taminiha ho: "Misilagnisa so hahafahanay magnisakisaky aniha'; nahiniha hanahaky gny tany vo manahaky gny lala handehan'ereo gny lamosiniha.