Toko faha 50

1 Zeho gny zakan'i Yaveh: "Eza gny fagnamarignam-pisaraha ze nisarahako tamin'gny renindrareo? Ia tamin'ireo papisambosy Anahy gny nivarotako andrareo? Ingo, navily handrareo oho reo fahotandrareo,vo noho reo fikomiandrareo, dra nalefa nandeha gny renindrareo. 2 Nagnino Zaho gny avy fe sy nisy olo tagny? Nagnino Zaho gny nitoka fe sy nisy nalmaly? Sa fohiky loasy gny tagnako so hagnavosy andrareo? Sa ra sy nanan-kery Zaho so hamonzy andrareo? Ingo, amin'gny fizakako fatrasy gny andritako gny ranomasy; hanao reo ony ho efisy Zaho; matin'gny sy fisian-drano vo hetaheta gny hazan-dranony. 3 apitafiko ezy gny habakabaky, lamba fandala gny agnarognako anizeho." 4 Gny Tompo Yaveh nagnome anahy lela manahaky reo ze fa napianary, so hizakako zaka mapahery ho an'gny rokaky; mamoha anahy isaky maraindray Izy; mamoha gny sofiko so hiteno manahaky reo napianary Izy. 5 Fa nanokasy gny sofiko Yaveh, ka dra sy bo nikomy zaho, na nihodiky nagnagny afara. 6 Nomeko ho an'ireo ze nizera anahy gny lamosiko, vo gny tarehiko ho an'ireo ze nagnombosy gny volom-bavako; sy nagnavony gny tarehiko tamin'ireo fihesiky mahamegnasy sady mapadikidiky zaho. 7 Fa gny Tompo Yaveh gny hagnapy anahy; noho zeho dra sy ho afa-baraka zaho; koa dra fa nanao gny tarehiko ho afovato zaho, akory fatako fa sy ala baraka zaho. 8 Izy ze hagnamary anahy dra akekiko eo. Ia gny hanohisy anahy? Ndao sika hisanga dra hifagnatriky. Ia gny piapanga anahy? aoky izy hagnriny anahy. 9 Ingo, gny Tompo Yaveh gny hagnapy anahy. Ia gn hagnameloky anahy? Ingo, izy aby reo ho driasy manahaky gny akazo, gny kalalao gny hihina andreo. 10 IA amindrareo gny matahosy an'i Yaveh? Ia gny magneky gny feon'gny panopony? Ia gny mandeha amin'gny ezy laliky sy misy fagnilo? Tokony hatoky amin'gny agnaran'i Yaveh izy dra hiantehisy amin'Agnahariny. 11 Ingo, handrareo aby ze mandrehisy afo; ze mivasy fagnilo; mandehana amin'gny hazavan'gny afondrarao vo amin'gny afo ze fa narehisindrareo. Zeho gny fa nirambesindrareo boaky aminahy, dra handriandrareo egny amin'gny toeran'gny fanhararia.