Toko faha 49

1 Mitenoa anahy, hanao ry nosy! Androany hevero zaho, handrareo ry vahoaky alavisy. Fa nitokavin'i Yaveh hatramin'gny nahaterahako tamin'gny agnarako zaho, nofa nanday anahy ho eto an-tany gny reniko. 2 Nahiny manahaky gny mesa maragnisy gny vavako; navoniny tao amin'gny alky gny tagnany zaho; nahiny sahala gny zana-sipiky vaolangolango zaho, naganvoniany anahy. 3 Nizaka taminahy izy ho: "Hanao gny panopoko, Israely, ze hanehoako gny voninahisiko." 4 Fa namaly zaho ho: "No nihevisy zaho ho niasa tam-pikiriza, dra nandany gny heriko tamin'gny raha fahatany zaho, fa ao amin'gny Yaveh gny rariny ze anahy, vo gny valin'gny asako dra ao amin'Agnahariko. 5 Ndroany Yaveh dra mizaka _IZy gny namoro anahy hatramin'gny nahaterahako ho panopony, so hapihery amin'gny laoniny ndraiky an'i Jakoba ho anazy vatany, dra hapitambasy gny Israely ho eo aminazy, fa omem-boninahisy eo amason'i Yaveh zaho, dra nazary heriko gny Zagnahariko_ 6 dra ho izy: "Raha keliky aminiha ny ho panopoko ze hagnory ndraiky gny fokon'i Jakoba dra hapihery reo sisa sy maty amin'gny Israely. Hanao ho fahazava aniha amin'gny Jentilisa Zaho, hanao ze mety ho famonzeko agny am-paran'gny tany." 7 Zeho gny zakan'i Yaveh, pagnavosy gny Israely, gny Msiny Raiky, amin'gny raiky ze mana fiaigna voasinosino, halan'ireo firene, sady andevon'gny pazaka hanao dra hisana, Dra hahita aniha reo andria dra hiankohoky, noho i Yaveh ze mahatoky, ndre dra gny Raiky Masin'Israely, ze nifily aniha aza." 8 Zeho gny zakan'i Yaveh: "Amin'gny fotoa ze hanapahako hevisy hanehoako gny fankasitrahako dra hamaly aniha Zaho, vo amin'gny andron'gny famonze dra hagnapy aniha Zaho; hiairo aniha Zaho, sady hagnome aniha manahaky gny faneke ho an'gny vahoaky, so hananga ndraiky gny tany, so hanendry ndraiky gny lova fa lao. 9 Hizaka amin'ireo gadra hanao ho: 'Magnatogna;' reo ze ao agnatin'gny tagno mezy ho: "Aseho gny vatandrareo". Hihina egny amin'ireo lala ereo, vo reo hansagny mangadihady aby dra ho ahisy ho andreo. 10 Sy ho resy na hangetaheta; na hafana be na ho zeran'gny masoandro ereo, fa Izy ze mana famindram-po amin'ereo gny hitariky andreo; hitata andreo ho agny amin'ireo loharano izy. 11 Dra hanao reo tendrombohisiko aby ho lalagny Zaho, sady hanao reo lalam-be hisondrosy. 12 Ingo, ho avy lat'agny amin'gny alavisy ereo, gny sasany lat'agny amin'gny avarasy vo gny asinagna; vo reo sasany lat'agny amin'gny tanin'gny Sinima. 13 Mihira, ry lagnisy, dra mifalia, ry tany; mivakia amin'gny fihira, handrareo ry tendrombohisy! Fa makahery gny olony Zagnahary, sady hana fangoraham-po amin'ireo ory. 14 Fa i Ziona nizaka ho: 'Nahafo anahy Yaveh, dra nagnaligno anahy gny Tompo." 15 Sa ra gny reny hahavit ahagnaligno gny zanany, ze minono eo an-tratrany, dra sy hana fangoraham-po amin'gny zanadahiny ze naterany? Eka, mety magnaligno izy, fa Zaho sy bo hagnaligno aniha. 16 Ingi, fa vitako tombo-kavase eo am-pelatagnako gny agnaraniha, eo agnoloako avo gn fefiniha. 17 Gny zanandrareo dra mandeha malaku afara oa, no bo miala amihia reo ze pandripaky aniha. 18 Atio gny magnodidy aniha dra magnete, mivory magnodidy aniha izy aby dra magnato aniha. No bo miay vatany Zaho_ zeho gny fagnambaran'i Yaveh_ Hiakazo reo manahaky gny firavaky vatany hanao, sady hitafy anazy reo manahaky gny apakary hanao. 19 Fa very sady lao hanao, tany ze rava, amizao dra ho keliky loasy hanao amin'ireo ponina, vo reo ze nihina aniha dra hiala alavisy. 20 Gny zaza ze ho teraky mandrisy gny fotoan'gny alaheloniha dra hibisiky eo an-sofiniha ho: "Tery loasy ho anay gny toera, manaova efisy ho anay, so ahafahanay mony eto." 21 Dra hagnotany vata hanao ho: "Ia gny niteraky tahoky zaza tahoky ho anahy? Fa momba sady nalahelo zaho, sesitany sady nisaram-panambalia. Ia gny nananga tahoky ankizy tahoky? Ingo, nenga raiky vatany zaho; lat'eza gny niavian'izeho?"" 22 Zeho gny nizakan'i Yaveh Tompo ho: "Ingo, hanandrasy gny tagnako amin'ireo firene Zaho, hanandrasy gny fagnevako amin'ireo vahoaky Zaho. Handay reo zanadahiniha eo an-sandriny vo reo zanakapelaniha eo an-sororny ereo. 23 Gny pazaka gny ho ra pamelo aniha, voreo panzakavaviny gny ho pifehy aniha; hiankohoky miaraky amin'gny tarehiny amin'gny tany aminiha ereo dra hamafa gny botany eo an-tombokiniha; dra ho fataniha fa Zaho gny Yaveh; reoze nandigny anahy dra sy ho megnasy." 24 Sa ra afaky alay amin'ireo pialy reo voasambosy? na reo baboho voavonzy amin'gny fatrasy? 25 Fa zeho gny zakan'i Yaveh: "Eka, hala amin'gny pialy reo babo, dra ho voavonzy reo voasambosy; fa hanohisy reo fahavaloniha Zaho dra hagnavosy reo zanakiniha. 26 Hofahanako reo nofon'gny vatany reo papahory aniha; dra ho mamon'gny lion'gny vatany ereo, manahaky gny ho raha divay zeho. Dra ho fatasin'gny olombelo aby fa Zaho, Yaveh, gny Pamonzy sady Pagnavosy andrareo, gny Raiky Maherin'i Jakoba."