Toko faha 47

1 Mizosoa dra mitoboha eo amin'gny botany, ry zanaky vavy virizin'i Babylona; mitoboha eo amin'gny tany sy misy fiandriana, ry zanaky vavin'gny Kaldeana. Sy ho tokavy ho kanto vo marefo sasy handrareo. 2 Rambeso gny fikosoham-bary dra mandisana vary; alao gny voalindrareo, alao gny akazo lavandrareo, aboridagni gny tombondrareo, dra miapita gny renirano. 3 Hiseho gny fitanzahandrareo, eka, gny hegnasindrareo dra ho hita: hamaly faty Zaho dra sy hamindra fo amin'olo. 4 Gny Pagnavosy asika, Yaveh tompon'gny maro gny agnarany, gny Raiky Masin'Israely. 5 Mitoboha amin'gny mangiky dra mandehana agny amin'gny mezy, ry zanaky vavin'gny Kadeana; fa handrareo dra sy ho tokavy ho andriam-bavin'gny fanzaka sasy. 6 Ory amin'gny vahoakiko Zaho; nandoto gny lovako Zaho sady nagnome reo ho eo an-tagnandrareo, fe sy naneho fiantra tamin'ereo handrareo; nametraky zioga mavesasy tamin'gny antisy handrareo. 7 Ho handrareo ho: "Hanapaky mandrakizay manahaky gny fiandrianan'gny andriambavy zaho." Sy nandramby reo raha reo tamin'gny fo handrareo, na nohevisy ze ho fivalihany. 8 Koa tenoy zao amizao, handrareo ze tia fahafinareta vo mitoboky am-pilamina; handrareo ze manao anakam-po ho: "Misy zaho, dra sy misy manahaky anahy; sy ho mananom-bata mihisy zaho, na hiay gny fahaverezan-zanaky mihisy." 9 Fa tahoky raha ro tahoky dra ho avy tapoky amindrareo ao agnatin'gny raiky andro: ho avy amindrareo amin'gny fahafenoan-kery gny fahaverezan-zanaky vo gny sy fanagnam-baly sasy, ndre dra eo aza gny famosaviandrareo vo reo fandraikiraikindrareo vo reo aolindrareo. 10 Nahatoky gny faharasiandrareo handrareo; ho handrareo ho: "Sy misy mahita anahy"; gny fahendrendrareo vo gny fahaizandrareo gny mitariky andrareo agny amin'gny lalan-diso, fa ho handrareo manao am-po ho: "Misy zaho sady sy misy ndre ia ndre ia mitovy aminahy." 11 Handresy andrareo gny loza; sy hahavita handroaky anizeho handrareo vo gny fandraikiraikindrareo. Ho ao amindrareo gny fahapoteha; sy hahavita hamafa anizeho handrareo. Hizera tapoky andrareo gny loza, mialohan'gny hahafatarandrareo zeho. 12 Mahareta amin'gny fanaovandrareo fagnozona vo gny famosaviandrareo ze nahindrareo sianzery tamim-pahatokia hatramin'gny fahazazandrareo; mety hahomby handrareo, mety hatahosy loza handrareo. 13 Rokaky handrareo nohon'gny fangalan-kevisy; aoky hizoro reo olo reo dra hiaro andrareo_reo ze miandrandra gny lagnisy sady magnety gny vasia, reoze magnambara vola vaovao_aoky ereo hamonzy andrareo amin'ize hoseho amindrareo. 14 Ingo, hazary mololo ereo. Hagnoro andreo gny afo. Sy hahavonzy gny ainy eo an-tagnan'gny lelan'efo ereo. Sy hisy bain'afo hagnafanaandreo sady sy hitoboku agnilan'gny afo ereo! 15 Zeho gny fa nahavy andreo ho amindrareo, reo ze fa niara-niasa tamindrareo, say niara-nivily vo iara-nivarosy tamindrareo fony tanora handrareo, vo izy aby dra bo manao gny hamolany avo; dra nofa mitoka vonzy handrareo, dra sy hisy ndre ia ndre ia afaky hamonzy andrareo."