Toko faha 46

1 Miankohoky i Bela, mitagnondriky i Nebo; reo sapin'ereo dra andesin'gny biby fiteza vo biby folahy. Reo sapy ze andesindrareo reo dra eta-mavesatry ho an'gny biby rokaky. 2 Mindray miondriky ereo, mindray mandohaliky; dra sy mahavonzy gny etany, vo ereo dra fa nazary babo. 3 Tenoy zaho, ry taranak'i Jakoba, ry taranak'Israely sisa aby, ze fa nandesiko, ze nadesiko, mialoham'gny fahaterahandrareo, fa nibabeko hatrany am-bohoky. 4 Eka ndre dra amin'gny taom-pahatenrandrareo aza, dra sy miova Zaho, mandra-paha fosy gny volondrareo dra handay andrareo Zaho. Nahary andrareo Zaho dra hitrotro andrareo; handay andrareo Zaho dra hagnavosy andrareo. 5 Amin'ia gny hapitahandrareo Anahy? Ia gny heverindrareo fa mitovy aminahy, dra azo apitahay zahay? 6 Nandraraky volamena lat'ao agnaty kitapo gny vahoaky sady nandanza anizeho teo amin'gny mizana.Magnakarama panefy vy ereo, dra magnamboasy anizeho ho zagnahary izy, miankohoky sady manopo anizeho ereo. 7 Mapiakasy anizeho eo an-sorony ereo dra manday anizeho, mametraky anizeho eo amin'gny toerany ereo, mizoro eo amin'gny toeranyzeho dra sy mihesiky eo. Mitaray amin'izeho ereo, fe sy afaky mamaly na mamonzy ndre ia ndre ia amin'gny lozany zeho. 8 Hevero gny mahakasiky reo raha reo; ka sinosinoavy reo, ry pikomy! 9 Hevero gny mahakasiky reo raha reo vo sy ela, reotamin'gny fotoan-dasa, fa Zaho gny Zagnahary, dra sy misy hafa, Zaho gny Zagnahary, dra sy misy ndre ia ndre ia mitovy aminahy. 10 Ambarako agny am-piandoha gny fiafara, dra mialohan'izeho mbo sy niseho; Zaho manao ho: "Ho tateraky gny fikasako, dra hanao araky ze fagniriako Zaho." 11 Tokaviko lat'agny asinagna gny voro piremby, vo gny olo voafiliko lat'agny amin'gny tany lavisy; eka, fa nizakako; dra ho taterahiko; fa natolosiko, dra hahiko avo koa zeho. 12 Mitenoa Anahy, handrareo ry vahoaky mafy hatoky, ze lavisy gny fanaova gny mahisy. 13 Mapagnariny gny fahamarinako Zaho; sy lavisy zeho, dra sy mandigny gny famonzeko; dra hagnome gny famonze ho an'i Ziona vo gny hasarako ho an'i Israely Zaho.