Toko faha 45

1 Zeho gny zakan'i Yaveh amin'gny voahosony, amin'i Kyrosy, ze tanako amin'gny tagnany akavagna, so haharesy reo firene eo agnatrehany, so hapilavo lefo gny pazaka, vo so hanokasy gny vatrangara eo agnoloany, so hizano hisokasy reo vavahady. 2 " Handeha eo agnoloaniha zaho dra hapahisy reo tendrombohisy; ho tapatapahiko reo vatrangara saba vo ho potepotehiko reo bara vy, 3 vo homeko aniha reo haren'gny ezy vo gny harena nivony, so hahafataraniha fa Zaho, Yaveh, gny mitoka aniha amin'gny agnaraniha, dra Zaho, gny Zagnaharin'Israely. 4 Noho gny amin'i Jakoba panopoko, vo Israely voafiliko, dra nitoka aniha tamin'gny agnaraniha Zaho: nagnome aniha agnaram-boninahisy, ndre dra sy nahafatasy Anahy aza hanao. 5 Zaho gny Yaveh, sady sy misy hafa; sy misy Zagnahary ankoasy Anahy. Zaho gny apisiky aniha ho amin'gny aly, Ndre dra sy nahafatasy Anahy aza hanao; 6 so hahafataran'gny olo hatragnu amin'gny fiposahan'gny masoandro, ka hatragny andrefa, fa sy misy zagnahary ankoasy Anahy: Zaho gny Yaveh, dra sy misy hafa. 7 Zaho gny nanao gny mazava sady nahary gny ezy; Zaho gny manday fiadagna sady mahavy loza; Zaho gny Yaveh, ze manao zeho raha iaby zeho. 8 Handrareo ry lagnisy, aoky hanora lat'agny ambony! Aoky gny habkabaky hanora fahamarigna. Aoky gny tany hitroka anizeho, so hisimoky mindray amin'izeho gny famonze, sady hindray hisiry amin'izeho gny fahamarigna. Zaho, Yaveh, gny nahary andreo. 9 Loza ho an'ize iaby mialy amin'ize nanao anazy, amin'ize manahaky gny vilagny tany eo agnivon'ireo vilagny tany hafa eo amin'gny tany avo! Sa ra gny tanimanga bo hizaka amin'gny panefy tanimanga ho: 'Ino amboariniha tahoky?' na 'Sy mahafehy anizeho gny asaniha'? 10 Loza ho an'ize mizaka amin'gny raiky ho: 'Ino aterakiniha tihoky?' na amy apela ho: 'Ino aboakiniha tihoky?' 11 Zeho gny zakan'i Yaveh, gny Raiky Masin'Israely, Pahary anazy: 'Nagnino hanao gny nametra-pagnotania gny amin'ize ahiko ho an'gny zanako? Mizaka aminahy ze tokony hahiko mahakasiky reo asan'gny tagnako se hanao? 12 'Zaho gny nanao gny tany dra nahary gny olo teo amin'izeho. Gny tagnako gny namelasy gny lagnisy, vo Zaho gny nandily gny vasia aby so hipoisy. 13 Zaho gny nagnatena an'i Kyrosy tamin'gny fahamarigna, vo Zaho gny hanalama gny lalany aby. Izy gny hananga gny tanako; izy gny hapoly reo oloko sesitany, dra sy misy viliny na kolikoly," ho i Yaveh tompon'gny maro. 14 Zeho gny zakan'i Yaveh: "Gny fidiram-bolan'i Egypta vo gny etam-baros'i Etiopia mbamin'ireo Sabeana, ze olo lava ranzagna, dra ho andesy eo aminiha. Ho aniha reo. Hagnaraky aniha regny, handeha mindray amin'gny gadra vy. Hiankohoky eo aminiha regny dra hifona aminiha hanao ho: 'Mindray aminiha vatany Zagnahary, dra sy misy hafa ankoasy Anazy."' 15 Mary vatany fa Hanao gny Zagnahary zay magnavony gny vataniha, ry Zagnaharin'Israely, Pamonzy. 16 HIndray megnasy vo ho afa-baraka aby regny; reo ze manao sapy voasokisy dra handeha amin'gny fahafaham-baraka. 17 Fa ho avotan'i Yaveh amin'gny famonze mandrakizay Israely; sy ho megnasy na ho efa-baraka sasy hanao. 18 Zeho gny zakan'i Yaveh, ze nahary gny lagnisy, zay Zagnahary mary ze nahary gny tany sady nanao anizehp., ze nagnory anizeho. Izy gny nahary anizeho, sy manahaky gny fakofako, fa nahiny so ho azo hitoboha: "Zaho gny Yaveh, sady sy misy hafa. 19 Sy nizaka mangingiky, tagny amin'gny toera mivony Zaho; sy bo nizaka tamin'gny taranak'i Jakoba Zaho ho: 'Taliavo fahatany Zaho!' Zaho gny Yaveh, ze mizaka mary; raha mary gny ambarako. 20 Vorio gny vatandrareo dra avia! Miarah-mivory, handrareo pilefa-ponenga lat'agny amin'ireo firene! sy bo manam-pahalala, ereo ze manday sary sady mivavaky amin'gny zagnahary ze sy afa-mamonzy. 21 Magnakekeza dra ambarao aminahy zeho, andeso gny porofo! Aoky ereo hindray hikononkono. Ia gny napiseho zeho fatry gny ela? Ia gny nitory anizeho? Sy Zaho Yaveh se? Sy misy Zagnahary laha sy Zaho, dra Zagnahary mary sady Pamozny; sy misy hafa ankoasy anahy. 22 Miheregna aminahy dra aoky ho voavonzy , ry faran'gny tany aby; fa Zaho gny Zagnahary dra sy misy ankoasy Anahy. 23 Mifata amin'gny vatako Zaho, mizaka gny lalagna mariko, dra sy hihemosy anizeho: 'Aminahy gny hitolefiky gny pokopoko aby, vo hifata gny lela aby. 24 Hizaka gny Aminahy ereo ho: "Ao amin'i Yaveh raiky avo gny famonze vo gny hery.""' Ho megnasy aby ereo ze ory aminazy. 25 Ao amin'i Yaveh gny hagnamarigna gny taranak'Israely aby; ao aminazy gny hireharehan'ereo.