Toko faha 44

1 Mitenoa amizao, ry Jakoba panopoko, vo ry Israely, ze nifiliko: 2 Zeho gny zakan'i Yaveh, Izy ze nanao aniha sady namolavola aniha tao am-bohoky sady ze hamonzy aniha ho: "Ka matahosy, ry Jakoba panopoko; vo hanao, ry Jesorona, ze nifiliko. 3 Fa handasaky rano amin'gny tany mangetana, vo rian-doharano amin'gny tany maiky Zaho; handasaky gny Fagnahiko amin'gny zanakiniha Zaho, dra ho amin'ireo zanakiniha gny fitahiako. 4 Hisimoky eo amin'gny ahisy, manahaky gny hazomalahelo eo agnilan'gny rian-drano ereo. 5 Gny raiky hizaka ho: 'An'i Yaveh zaho', vo gny hafa hitoka fatrasy gny agnaran'i Jakoba, vo gny hafa hanorasy eo amin'gny tagnany ho: 'An'i Yaveh', dra hitoka gny vatany amin'gny agnaran'i Israely." 6 Zeho gny zakan'i Yaveh--- gny Pazakan'gny israely vo Pagnavosy anazy, dra Yaveh Tompon'gny maro: " Zaho gny volohany, sady Zaho gny farany; dra sy misy Zagnahary laha sy Zaho. 7 Ia gny manahaky Anahy? Aoky izy hizaka anizeho dra hagnazava Aminahy reo raha ze nitranga hatramin'gny nagnorenako gny vahoakiko taloha, dra aoky ereo hagnambara reo raha ho avy. 8 Ka matahosy na miahiahy. Sa ra Zaho sy fa nagnamabara tamindrareo tagny aloha tagny , dra nizaka anizeho? Vavolombeloko handrareo: Sa ra misy Zagnahary laha sy Zaho? Sy misy Vatolapy hafa; sy mahafatasy ndre raiky aza Zaho." 9 Gny iaby ze mamboasy sapy dra sinosino; raha fahatany reo raha ankasitrahany; gny vavolombelon'ereo dra mahita na mahay ndre ino ndre ino, dra halaim-baraka ereo. 10 Ia gny hamolavola zagnahary na hagnamboasy sapy zay raha fahatany? 11 Ingo, gny piara-miasa aminazy aby dra halaim-baraka aby; reo panao asa tagna dra olo avo koa. Aoky ereo hiara-hizoro; hatahosy ereo dra halaim-baraka. 12 Gny panefy dra miasa amin'ireo fitovany, mamolavola anizeho, miasa amin'gny arigny. Mamolavoa anizeho amin'gny tantana sady miasa anizeho amin'gny sandriny mahery izy. Resy izy, dra mihe gny tanzany, sy mino rano izy dra manzary rokaky. 13 Mandrefy gny hazo amin'gny fisipiha gny pandrafisy, sady misokisy anizeho amin'gny fandraka. Mamolavola amin'ireo fitovany izy dra magnamriky anizeho amin'gny kompa. Mamolavola anizeho hanahaky gny tarehin'olo izy, manahaky gny olombelo maninto, so hitoboky ao an-tragno zeho. 14 Manapaky sedera izy, na mifily hazon-kypreso na hazo terebinta. Mangalaky hazo agny an'ala ho anazy izy. Mamboly kesiky izy dra mapisiry anizeho gny ora. 15 Dra apesan'gny olo hapireheta afo vo hamindroa zeho. Eka, mandrehisy afo izy dra manao mofo. Dra manao zagnahary amin'izeho izy dra miankohoky amin'izeho; manao sapy izy dra miankohoky amin'izeho. 16 Magnoro gny sasany amin'gny hazo hapireheta afo izy, mitono gny henany amin'izeho. Mihina izy dra afa-po. Mamindro izy dra manao ho: "Aha, mafana zaho, fa nahita afo zaho." 17 Amin'gny hazo sisa tavela gny agnamboarany zagnahary, gny sariny voasikotry miankohoky eo amin'izeho izy sady magnaza anizeho, dra mivavaky amin'izeho manao ho: "Avoty zaho, fa hanao gny zagnahariko." 18 Sy mahafatasy, na mahatakasy ereo, fa poaky gny mason'ereo dra sy mahita, sady sy mahay gny fon'ereo. 19 Sy misy mihevisy, na mahazo ereo dra manao ho: "Fa nagnoro gny sasany tamin'gny hazo tao agnatin'gny afo zaho; eka, fa nanao mofo teo ambonin'gny arigny avo koa zaho. Fa nitono hena teo amin'gny arigny zaho dra nihina. Amizao, tokony hanao raha mapadikidiky amin'gny hazo hafa sasany so ho tompoy se zaho? Tokony hiankohoky amin'gny vatan-kazo se zaho?" 20 Manahaky gny ho mihina lavenoky izy; mapivio anazy gny fony voafitaky. Sy afa-mamonzy gny vatany izy, na manao ho izy: "Tihoky raha an-tagnako havagna eto tihoky dra zagnahary sy izy." 21 Hevero gny mahakasiky reho raha reho, ry Jakoba, vo ry Israely, fa panopoko hanao: fa namolavola aniha Zaho; panopoko hanao: ry Israely, sy ho alignoko hanao. 22 Novonoko, manahaky gny raho matevy, reo asa fikomianiha, vo manahaky gny raho, reo fahotaniha, vo manahaky gny raho, reo fahotaniha; miheregna Aminahy, fa nagnavosy aniha Zaho. 23 Miansa, handrareo ry lagnisy, fa Yaveh gny nanao anizeho; mikiaha, handrareo ry halalikin'gny tany. Mihobia amin'gny fihira, handrareo ry tendrombohisy, hanao ry ala mbamin'gny hazo iaby ao; fa navotan'i Yaveh i Jakoba, dra hahita gny voninahisiny ao Israely. 24 Zeho gny zakan'i Yaveh, Pagnavosy aniha, Izy ze namolavola aniha hatrao am-bohoky: "Zaho gny Yaveh, ze nanao gny raha aby, ze Zaho raiky gny nagnenza gny lagnisy , ze Zaho raiky gny nagnamboasy gny tany. 25 Zaho ze magnafoa gny famataran'ireo pizakazaka fahatany vo ze magnala-baraka reo ze mamaky famatara; Zaho ze mandrava gny fahendren'gny hendry vo manao gny torohevis'ereo ho hamola. 26 Zaho, Yaveh, ze magnafatrasy reo zakan'gny panoponu sady mapandalo reo faminanian'ireo iraky , ze mizaka amin'i Jerosalema ho: 'Honegna izy', vo an'ireo renivohis'i Joda ho: 'Hasanga ndraiky ereo, gra hapiary gny faharavany Zaho'; 27 ze mizaka amin'gny ranomasy laliky ho: 'Aoky ho risy, dra ho risaiko reo oniniha.' 28 Yaveh gny ze mizaka an'i Kyrosy ho: 'Izy gny piaraky agnondriko, hanao gny fagniriako aby Izy, handily gny amin'i Jerosalema Isy ho: 'Hasanga ndraiky izy' vo amin'gny tepoly ho: 'Aoky haory reo fotosiniha.'"