Toko faha 43

1 Fa androany dra zeho gny zakan'i Yaveh, Izy ze namoro aniha, ry Jakoba, vo Izy ze nagnamboasy aniha, ry Israel: " Ka matahosy, fa nagnavosy aniha Zaho; fa nitok aniha Zaho, Anahy hanao." 2 No mandeha mamakivaky gny rano handrareo, dra ho eo amindrareo Zaho; vo amin'ireo renirano, dra sy hanafosy andrareo regny. Nofa mandeha mamakivaky gny afo handrareo dra sy ho ma, dra sy handrava andrareo gny lelafo. 3 Fa zaho gny Yaveh Zagnaharindrareo, gny Raiky Masin'Israely, Pamonzindrareo. Nomeko hanahaky gny vilim-pagnavotandrareo i Egypta, i Etiopia vo i Seba ho fifindrareo. 4 Fa sarobidy sady miavaky eo amasoko handrareo, tiako handrareo; noho zeho dra hagnome olo ho fifindrareo Zaho, vo vahoaky hafa ho fifin'gny aindrareo. 5 Ka matahosy, fa miahy andrareo Zaho; handay gny taranakindrareo boaky agny asinagna Zahp, sady hamory andrareo boaky agny andrefa. 6 Hizaka amin'gny avarasy Zaho ho: 'Afaho ereo' , vo amin'gny asimo ho: 'Ka misy tana;' Andeso agny lavisy reo zanako lelahy, vo zanako apela lat'agny amin'ireo faritany lavisy gny tany, 7 gny kiraikiraiky ze nitokavy tamin'gny Agnarako, ze nihariako ho an'gny voninahisiko, ze namboariko, eka ze nahiko. 8 Aboaho reo olo ze poaky, ndre dra mana-maso aza ereo, vo reo maregny, ndre dra manan-sofy aza ereo. 9 Miaraky mivory gny firenen'aby, sady mivory gny vahoaky. Ia amin'ereo gny afaky nagnambara anizeho vo nagnambara taminay reo tranga teo aloha? Aoky ereo handay gny vavolombelony so hagnaporofo mary andreo, aoky ereo hiteno sady hagnamafy ho: 'Mary zeho.' 10 Magnambara i Yaveh ho: 'Handrareo gny vavolombeloko, vo panopoko ze nifiliko, dra tokony hahafatasy sady hino Anahy handrareo, vo hahatakasy fa Zaho gny IZy. Sy nisy zagnahary voaforo talohako, dra sy hisy afarako ao. 11 Zaho, Zaho gny Yaveh, dra sy misy Pamonzy ankoasy Anahy. 12 Fa nagnambara Zaho, namonzy, dra nagambara am-pahibemaso, dra sy misy zagnaharin-kafa amindrareo eo. Handrareo gny vavolombeloko," ho i Yaveh, " Zaho gny Zagnahary. 13 Hatramin'iho andro iho dra Zaho gny Izy, dra sy misy afaky magnavosy an'ia na ia eo tagnako. Miasa Zaho, vo ia gny afaky hamaliky anizeho?" 14 Zeho gny zakan'i Yaveh, Pagnavosy andrareo, gny Raiky Masin'Israely. "Fa noho gny amindrareo gny handefasako agny Babylona vo hitarihako andreo aby hizoso manahaky gny pielfa, hamaliha gny fanehian'ireo Babylona hafalia ho hiram-pitomagnia. 15 Zaho gny Yaveh, gny Raiky Masindrareo, Pamoro an'i Israely, Pazakandrareo." 16 Zeho gny Zakan'i Yaveh( zay nanokasy lala namakivaky gny ranomasy vo lala teo amin'gny rano mahery, 17 ze namoaky gny kalesy vo gny sovaly, gny tafiky vo gny miaramila mahery. Nindray lavo ereo; sy hisanga sasy ereo; maty ereo, misilopilopy manahaky gny lahin-ziro.) 18 " Ka mieriserisy mahakasiky regny raha taloha regny, na mahasiaro reho raha taloha fa ela. 19 Ingo, Zaho fa manao raha vaovao; fa hanomboky miseho zeho amizao; sy mahalala anizeho se handrareo? Hanao lala agny an-tany efisy vo rian-drano agny an-tany karakay Zaho. 20 Hagnome voninahisy Anahy gny bibidia an-saha, reo amboadia vo reo ostritsa, akory magnome rano an-tany karakay Zaho, vo renirano agny an-tany efisy, so hinomin'gny vahoaky voafiliko, 21 reo vahoaky ze nivolavolako ho Anahay avo, famety hitatara gny fisiriria Anahy ereo. 22 Fa sy hitoka Anahy hanao, ry Jakoba; rokaky gny Aminahy hanao, ry Israely. 23 Sy bo nanday tamin'ireo agnondrindrareo ho fagnatisy oroa ho Anahy handrareo, na nagnome voninahisy Anahy tamin'ireo sorondrareo. Sy nagnavesasy andrareo tamin'gny fagnatisy vary Zaho, na nandrokaky andrareo tamin'gny fangataha ditin-kazo magnisy. 24 Sy nivily veromagnisy ho Anahy tamin'gny vola handrareo, nandraraky Taminahy gny zaboran'ireo sorondrareo; fa nagnavesasy Anahy tamin'gny fahotandrareo handrareo, nandrokaky Anahy tamin'ireo asa rasindrareo. 25 Zaho, eka, Zaho, Gny mamono gny fandikan-dalandrareo noho gny Aminahy avo; dra sy hahasiaro gny fahotandrareo sasy Zaho. 26 Apasiahivo Anahy ze nitranga. Aoky sika hiaraky hifandahasy; asehoy gny hevisindrareo, fa vasa ho voaporofo ho sy manan-signy handrareo. 27 Nanota gny randrareo volohany, dra nikomy taminahy reo loholondrareo. 28 Noho zeho dra holotoviko reo manam-pahefa masy; hanao an'i Jakoba ho ripaky tateraky Zaho, vo i Israely amin'gny fangalam-baraka mahery setra."