Toko faha 42

1 Ingo, gny panopoko, ze tantagnako; gny nifiliko, ao aminazy gny andrambesako sitraky. Fa napetrako teo aminazy gny Fagnahio; handay rariny eo amin'ireo firene izy. 2 Sy hitaray na hihiaky izy, na hanao gny feony ho re an-dala. 3 Sy ho tapahiny gny volotara torotoro, vo sy ho vonony gny afon'gny ziro mirehisy: haganatateraky gny rariny amim-pahatokia izy. 4 Sy hitombo harokafa izy na ho kivy mandra-pametrahany gny rariny ambonin'gny tany etihoky; vo gny tany amoronsiraky hiamby gny lalagnany. 5 zeho gny zakan'i Yaveh Zagnahary__ze namoro gny lagnisy sady nagnenza reo, gny nanao tany vo ze iaby vokariny, ze magnome fofonay ho an'gny olo amin'izeho vo fiaigna ho an'ireo ze miay eo amin'izeho ho: 6 "Zaho, Yaveh, fa nitoka aniha tamin'gny fahamarigna sady hita gny tagnaniha. Hiamby aniha Zaho dra hametraky aniha manahaky gny faneke ho an'gny olo, manahaky gny fahazava ho an'ireo Zentilisa. 7 so hanokasy gny mason'gny poaky, so hagnafaky reo voafonza ao amin'gny tragno mezy, vo boaky amin'fny tragno fitobohan'ireo ze mitoboky ao min'gny ezy. 8 Zaho gny Yaveh, zeho gny agnarako; vo gny voninahisisko sy ho zarako amin'gny hafa na gny fisiriria Anahy ho amin'gny sapy voasikosy. 9 Ingo, fa lasa gny rah taloha, amizao hagnambara rah vaovao amindrareo Zaho. Mialohan'gny hanomboan'ireo dra hizaka andrareo mahakasiky ireo Zaho." 10 Miansa hira vaovao ho an'i Yaveh, vo gny fiderany hatragny amin'gny faran'gny tany; handrareo ze mizoso agny amin'gny ranomasy, vo ze iaby aminazy ao, reo tany amoronsiraky, vo reo ze mivelo agny. 11 Aoky hitaray gny efisy vo reo tana, gny tan ze honegnan'i Kedara, dra hikoraky amin'gny fifalia! Aoky hihoby gny ponin'i Sela; aoky hikoraky boaky eo an-tapon-tendrombohisy ereo. 12 Aoky hagnome voninahisy an'i Yaveh ereo sady hagnambara gny fiderany amin'gny tany amoronsiraky. 13 Hiboaky manahaky gny pialy i Yaveh; manahaky gny lelahin'aly hapirisin'gny zotom-pony Izy. Hikoraky Izy, eka, hierosy amin'gny korakin'aly Izy; hasehony gny fahavalony gny heriny. 14 Fa nisigny Zaho hatrizay; fa nisigny Zaho sady nifehy gny vatako; amizao hitaray manahaky gny apela miteraky Zaho; miehakehaky sy avy miay. 15 Hahiko lao gny tendrombohisiko vo gny havoa dra hagnamiky gny raha misisriny aby; dra hamaliky gny ony ho nosy Zaho vo hagnamaiky gny farihy. 16 Handay gny poaky amin'gny lala ze sy fatas'ereo Zaho ; amin'gny lala ze sy fatas'ereo gny hitaritako andreo. Hamaliky gny ezy ho mazava eo agnoloan'ereo Zaho, sady hanao gny toeran'gny meloky ho mary. Reho raha reho hahiko, sady sy hanenga andreo Zaho. 17 Hihery ereo, dra ho afa-baraka tateraky, reo ze matoky gny sarin-draha voasokisy, ze mizaka gny sarin-draha narendriky tamin'gny vy ho: "Handrareo gny zagnaharinay." 18 Mitenoa, handrareo ry maregny; dra magnitia, handrareo poaky, so hahita. 19 Ia gny poaky fe panopoko? Na maregny manahaky gny panday hafasy nirahiko? Ia gny poaky manahaky gny sakezam-pagnekeko, na maregny manahaky gny panopon'i Yaveh? 20 Maro gny raha hitandrareo, fe sy takasindrareo; manongila-sofy, fe sy misy mahare. 21 Nahafaly an'i Yaveh gny misiriry gny fahamarignany vo gny magnome voninahisy gny lalagnany. 22 Fe tihoky dra vahoaky nangala vo voaroba; voafandriky agny amin'gny lavaky aby ereo, nitana ho babo tao am-ponza; fa nazary voaroba ereo dra sy misy ndre ia ndre ia hagnavosy anazy, dra misy mizaka ho: " Aheregno ereo!" 23 Ia amindrareo reo gny hiteno anizeho? Ia gny hiteno sady hahare amin'gny ho avy? 24 Ia gny nagnome an'i Jakoba ho an'ireo malaso, vo gny Israely ho amin'gny pandroba? Sa ra zeho sy i Yaveh, ze fa nanotasika, ze nilavin'ereo andehan gny lalany, vo ze nilavin'ereo harahy gny lalagnany? 25 Noho zeho dra nararakiny tamin'ereo gny firehetan'gny hahoriany, mbamin'gny fandravan'gny aly. Niredareda nagnodidy andreo zeho, fe sy nahafatasy zeho ereo; dra nagnoro andreo zeho, fe sy nirambesin'ereo am-po zeho.