Toko faha 41

1 " Mitenoa am-pisigna magnoloa Anahy, handrareo moron-siraky; aoky hagnavao gny heriny reo firene; aoky ereo hagnato mariny dra hizaka; aoky sika hindray hagnariny so hifandahasy vo hialy hevisy. 2 Ia gny nagnatena gny raiky lat'agny asignana, nitoka anazy am-pahamarigna ho amin'gnyfanopoany? Manolosy gny firene ho anazy Izy sady magnapy andreo handresy reo pazaka. Mamaliky andreo ho botany amin'gny mesany izy, manahaky gny mololo siofin'gny rivosy amin'gny sipikiny. 3 Magnitriky andreo izy dra tafita soa aman-sara, taming'ny lala soa ze sy nidian'gny tombony. 4 Ia gny nanao vo nahavita reo asa reo? Ia gny napitoka reo taranaky hatragny am-piandoha? Zaho, Yaveh, gny volohany, vo mindray amin'ireo farany, Zaho gny Izy. 5 Nahita reo nosy dra natahosy; miovisovisy gny faran'gny tany; nagnato ereo dra avy. 6 Samby magnapy gny namany gny olon'aby, vo gny olo aby nifapiresaky ho: 'Mahereza.' 7 Koa dra mapahery reo panefy volamena gny pandrafisy, vo ze miasa amin'gny tantanana mapahery ze miasa amin'gny riandria, mizakan'gny solohoto ho: 'soa zeho.' Nifehazin'ereo tamin'gny fansiky zeho so dy hihozongozo. 8 Fa hanao, ry Israely, panopoko, ry Jakoba ze fa nifiliko, taranak'i Abrahama namako, 9 hanao ze haheriko lat'amiz'gny fiafaran'gny tany, sady nitokaviko tamin'ireo toera lavisy, dra ze nizakako ho: 'Panopoko hanao;' Fa nifily anao Zaho dra sy nilaviko hanao. 10 Ka matahosy, fa miahy aniha Zaho. Ka mitebiteby, fa Zaho gny Zagnahariniha. Hapatazahako hanao, sady hagnapy aniha Zaho, dra hanoha aniha amin'gny tagnako akavana mary Zaho. 11 Ingo, ho megnasy sady ho afa-baraka reo aby ze ory aminiha; hanahaky gny sy misy ereo dra ho faty, ereo aby ze manohisy aniha. 12 Hitalia hanao fe sy hahita ereo ze nifandahasy taminiha; ereo ze nialy taminiha dra hanahaky gny sy misy dikany, vatany sy misy dikany. 13 Fa Zaho, Yaveh Zagnahariniha, gny hta gny tagnaniha akavana, mizaka aminiha ho: 'Ka matahosy; fa hagnapy aniha Zaho.' 14 Ka matahosy, hanao ry Jakoba kankana, vo handrareo olon'Israely; fa hagnapy andrareo zaho--- zeho gny fagnambaran'i Yaveh, pagnavosy andrareo gny Raiky Masin'Israely. 15 Ingo, ahiko hanahaky gny kodia vy maragnisy hanao, vosady ro-lela; hizera reo tendrombohisy hanao sady hanorotoro reo; hahiniha hanahaky gny akofa reo havoa. 16 Hikororoky andreo hanao, vo gny sioky handay andreo hiala; hagnaparitaky andreo gny sioky. hiravoravo amin'i Yaveh hanao, hiravoravo amin'gny Raiky Masin'Israely. 17 Mitalia rano reo ory vo mahantra, fe sy misy, vo gny lelan'ereo dra ho maiky nohon'gny hetaheta; Zaho, Yaveh, gny hamaly gny vavak'ereo; Zaho, Gny Zagnaharin'Israely, dra sy hahafo andreo. 18 Hahavy gny renirano hikoria amin'gny hansa Zaho, vo loharano eo agnivon'gny lohasaha; hahiko dobon-drano gny tany hay, vo gny tany maiky ho loharano. 19 Agny amin'gny tany efisy gny hametrahako reo sedera, akasia, rotra, vo gny hazaon'Oliva. Hametraky gny kypreso egny amin'gny lemaky gny tany hay, mindray amin'ireo kesiky vo reo hazo kypreso Zaho. 20 Hanao anizeho Zaho so hahita, hagneky, sady hiaraky hahatakasy gny olo, fa gny tagnan'i Yaveh gny nanao anizaho, vo gny Raiky Masin'Israely gny namoro anizeho. 21 " zakao gny mahakasiky aniha," ho i Yaveh, " aseho gny hevisiniha soa loasy ho an'ireo sapiniha," ho gny Pazaka an'i Jakoba. 22 Aoky ereo handay gny hevis'ereo manoka; ampandrosoy ereo dra ambarao aminay ze miseho, so hahafataranay soa reo raha reo. ampagnambarao an'ereo aminay reo fagnambara voavina mialoha, so hahafahanay manao andreo ho fitarasy sady hahafataranay gny fomba nahataterahan'iregny. 23 Zakao reo raha mahakasiky gnyho avy, so hahafataranay fa zagnahary handrareo; manaova raha soa na rasy, so hahatahosy sady hiaky vola zahay. 24 Ingo, sy misy dikany handrareo sapy vo gny asandrareo ra sy misy dikany; gny raiky ze nifily andrareo dra mapadikidiky. 25 Fa nananga raiky boaky agny avarasy Zaho, dra avy izy; boaky amin'gny fiposahan'gny masonadro gny hitokavako ze mitoka gny agnarako, sady hagnisaky reo panapaky manahaky gny fotaky izy, manahaky gny tanimanga. 26 Ia gny nagnambara zeho hatragny am-piandoha, so hahafataranay? Alohan'izeho fotoa zeho, so hizakanay ho: "Mary izy"? Eka vatany, sy nisy nanao anizeho ho lalana ereo, eka, sy nisy nahare andrareo nizaka raha. 27 Ho Zaho tamin'i Ziona tamin'gny volohany: 'Ingo tahoky ereo;" nandefa panday hafasy tagny Jerosalema Zaho. 28 Nofa magnety zaho, dra sy misy ndre ia ndre ia, ndre gny raiky eo amin'ereo ze afaky magnome toro-hevisy soa, ze, afaky hamaly zaka, nofa magnotany Zaho. 29 Ingo, sy misy dikany izy aby, vo gny asan'ereo dra sy misy dikany; sioky vo zava-poa gny sary an'idin'ereo.