Toko faha 40

1 "Hapaherezo, hapaherezo gny vahoakiko," ho gny Zagnaharindrareo. 2 " Miresaha mora amin'i Jerosalema; dra hambarao aminazy fa nizano gny aliny, fa voavela gny helony, fa nitakasy avo ro heny tegny an-tagnan'i Yaveh izy tamin'gny fahotany aby." 3 Nisy feo nitoka fatrasy ho: " Omano gny lalan'i Yaveh agny an'efisy; manaova lalam-be agny amin'gny tany foa ho an'gny Zagnaharisika." 4 Gny lohasaha aby dra hasandrasy, vo gny tendrombohisy vo gny havoa aby dra hakary; vo gny tany mideza ho lembalemba, vo reo tany saro-dala hazary temaky; 5 vo gny voninahis'i Yaveh dra ho apahafatary, vo gnyvahoaky aby hindray hahita anizay; fa gnny vavan'i Yaveh gny nizaka anizay. 6 Nisy feo nanao ho: "Tokavo." Nisy raiky namaly ho: "Ino gny toka tokony ahiko?" "Gnynofo aby dra ahisy, vo gny fifagneken'ereo dra manahaky gny vonikazo egny an-saha. 7 Maiky gny ahisy sady malazo gny vonikazo no fa misoky eo amin'izay gny fofon'ain'Agnahary; azo atoky fa ahisy gny olombelo. 8 Maiky gny ahisy, malazo gny vonikazo. fa gny zakan'Agnaharisika dra haharisy mandrakizay." 9 Miakara egny amin'gny tendrombohisy aby, ry Ziona, panday vaovao mahafaly. Manandrata feo fatrasy, ry Jerosalema. Hanao zay manday reo vaovao mahafaly, asandrato gny feonao, ka matahosy. Zakao amin'ireo tanan'i Joda ho: " Iho gny Zagnaharindrareo!" 10 Ingo, gny Tompo Yaveh avy manahaky gny lelahy pialy niboaky pandresy, vo gny sandriny mahery gny hanapaky ho anazy. Ingo, gny valisoany mandray aminazy, vo reo ze navotany dra mandeha eo agnoloany. 11 Hamaha gny agnondry aman'osiny manahaky gny piaraky agnondry Izy, hamory reo agnondry eo an-sandriny Izy, ka hilanza ireo am-pony ao, dra hitariky amin-kasoam -pagnahy reo agnondry vavy mapinono reo zanany. 12 Ia gny nandrefy gny rano teo am-pelatagnany, nandrefy gny lagnisy tamin'gny zehin'gny tagnany, nita gny botany tagnaty haro, nandanza gny tendrombohisy tamin'ireo fandanza, na reo havoa tamin'gny mozana? 13 Ia gny fa nahatakasy gny eriseris'i Yaveh, na nanoro lala Anazy manahaky gny panolonsay? 14 Boakamin'ia gny fa nandrambesany toro-lala? Ia gny napianasy Anazy gny fomba fanaova raha amin'gny tokony ho izy, vo napianasy Anazy fahalala, na nanoro Anazy gny fomba fahatakara? 15 Ingo,reo firene dra manahaky gny rano indraiky mitete agnaty siny, dra nitakary manahky gny botany eoambonin'gny fandanza; ingo, lanzainy manahky gny teboky masaiky reo nosy 16 Libanona dra apy ho oroa, ndreo reo bibidiany sy apy ahy fagnatisy oroa. 17 Gny firene aby dra sy feno eo agnatrehany; reo dra nitakary sahala gny sy misy. 18 Amin'ia se gny hapitahandrareo amin'Agnahary? 19 Sapy! namolavola anizay gny panao asa-tagna: gny panefy volamena dra nanao takela-bolamena sady nanefy rozo ho an'izay. 20 Mbo hanaova fanatisy dra misy raiky mifily hazo sy mety lo; mitalia panao asa-tagna mahay izy mbo hana sapy zay sy mety miroda. 21 Sy fatandrareo ra? Sy mbo rendrareo ra? Sy fa nizaka tamindrareo tagny am-piandoha se zay? Sy fa takandrareo ra zay tamin'gny fagnoregna gny tany? 22 Izy gny toka mipetraky ambonin'gny habakabaky gny tany; vo gny ponina dra manahky gny valala eo agnatrehany. Naniasy gny lagnisy manhaky gny lamba Izy dra nagnaparitaky anireo manahaky gny lay hitobohany. 23 Nipihe reo panapaky manahaky gny sy misy Izy dra nanao reo panapaky gny tany ho sy misy dikany. 24 Vo nambole ereo, vo nafafy, gny sapan'ereo dra vo mamaka tamin'gny tany, no fa nisoky teo amin'ereo Izy ka nalazo reo, dra nandesin'gny sioky manahaky mololo ereo. 25 Amin'ia se gny hapitahanao Aminaky, ia gny mitpvy Aminahy?" Ho GNy Masy. 26 Atio gny lagnisy! Ia gny namoro reo kinta aby reo? Mamoaky andreo amin'gny filaharany Izy dra mitoka anazy aby amin'gny agnarany. Tamin'gny halahiben'gny heriny vo tamin'gny tazaky gny fahefany, dra sy nisy raiky sy nipoisy. 27 Nagnino hanao, ry Jakoba, gny nizaka sady nagnambara tamin'Israely ho: "Gny lalako dra mmivony amin'i Yaveh, vo gny zagnahariko dra sy voakasiky gny fahamarignako? " 28 Sy fatandrareo ra? Sy rendrareo ra? Gny Zagnahary maharisy mandrakizay, Yaveh, gny namoro reo vazan-tany, dra sy mokosy na rokaky; sy misy fetriny gny fahalalany. 29 Magnome hery gny rokaky Izy; sady magnome hery vao ho an'ize marary. 30 Ndre gny tanora aza dra hazary mokosy vo rokaky, vo reo zatovo dra ho tafitohy ka hilavo: 31 Fa reo ze miamby an'i Yaveh dra hagnavao gny herin'ero; hitiky amin'gny elasy manahaky gny voromahery ereo; hilomay ereo dra sy ho rokaky; handeha ereo dra sy ho tora.