Toko faha 39

1 Tamin'izay andro zay Merodaka-baladana zanadahin'i Baladana, pazakan'i Babylona, dra nandefa taratasy vo fagnomeza ho an'i Hezekia; akory reny fa narary i Hezekia vo sitra. 2 Faly tamin'ireo raha reo i Hezekia; natorony an'ireo panday hafasy gny tragno fitahiriza raha sarobidy---gny volafosy, gny volamena, reo raha magnisy vo menaky soa, gny tragno fitehirizany an'ireo fitovam-pialiany, vo ze iaby hita tao amin'ireo tragno fitehirizany. Sy nisy raha tao an-tragnony, na tao amin'gny fanzakany aby, ka sy natoron'i Hezekia andreo. 3 Boakeo Isaia paminany avy tagny amin'i Hezekia pazaka dra nagnotany anazy ho: " Ino gny zakan'ireo olo reo aminao? Boak'eza ereo?" Ho Hezekia ho: " Avy aminahy etoky boak'agny amin'gny firene lavis'i Babylona ereo." 4 Dra nagnotany Isaia ho: " Ino gny hitan'ereo tao an-tragnonao?" Nam,aly Hezekia ho: " Hitan'ereo aby gny raha aby tan-tragnoko tap. Sy nisy raha tamin'ireo rahako sarobidy ka sy natoroko andreo." 5 Dra ho Isaia tamin'i Hezekia ho: " Tenoy gny zakan'i Yaveh tompon'gny maro: 6 'Ingo, avy gny andro zay handesa gny raha aby ao amin'gny lapanao, reo raha ze nitehhirizin'ireo razambenao mandrak'androany ho agny Babylona. Sy hisy ho tavela, ho Yaveh. 7 Reo zanadahy naterakao, ze fa nitezanao---ho alany ero, dra hazary tandapa eo amin'gny lapan'gny pazakan'i Babylona ereo."" 8 Boakeo Hezekia nizaka tamin'i Isaia ho: "Soa gny zakan'i Yaveh ze fa noresahinao. "Fa nihevisy izy ho: "Hisy fiadagna vo fahamarignan-toera amin'gny androko."