Toko faha 38

1 Tamin' ereo andro ereo i Hezekiala dra narary fatrasy fa eo andalam-pahafatesa. Dra avy teo aminazy Isaia zanaky lahin' i Amoza, ilay mpaminany, vo nanao taminazy hoe: "Izao gny zakan' i Yaveh: 'Alamino gny tragnonao; fa ho maty hanao, fa tsy ho velo."' 2 Dra nagnody gny tarehiny magnagny amin' ny rindry i Hezekia vo nivavaky tamin' ny Yaveh. 3 Hoy izy: "Ba sarovy avo le ry Yaveh, gny nandehanko am-pahatokia tamign' ny foko manontolo teo agnatrehano vo gny nanovako gny soa teo amasonao. "Dra nitomagny fatrasy i Hezekia boakeo. 4 Dra avy tamin'i Isaia gny zakan'i Yaveh, manao ho: 5 " Mandehana dra zakao amin'i Hezekia, pitariky gny oloko ho: ' Zao gny zakan'i Yaveh, gny Zagnaharin'i Davida razambenao: Fa reko gny vavakao, sady fa hitako gny ranomasonao. Ingo, hagnapy dimy ambinifolo tao amin'gny fiainanao Zaho. 6 Dra hagnavosy anao vo tihoky tana tihoky amin'gny tagnan'gny pazakan'i Asyria Zaho, dra hiaro tihoky tana tihoky. 7 Zao gny ho famatara boakamin'i Yaveh ho anao, fa ho ahiko ze napanatenako. 8 Ingo, hapihery gny aloky eo amin'ireo tohas'i Ahaza ho folo linga Zaho."" Dra nihery ambaratonga folo reo tohasy teo amy ze nihoasy. 9 Zao gny vavaky voasoras'i Hezekia pazakan'i Joda, no fa narary vo sitra izy: 10 " Zaho nizaka fa eo amin'gny ategnategnan'gny fiaignako dra handeha amin'ireo vavahadin'gny fiegna sy hita zaho; nalefa tagna zaho mandrisy gny tao sisa hiaignako. 11 Ho zaho ho sy hahita an'i Yaveh sasy zaho, Yaveh agny amin'gny tanin'gny velo; sy hagnety gny olombelo vo reo ponin'gny tany sasy zaho. 12 Napiala sady nala taminahy sahala gny lain'gny piaraky agnondry gny aiko; naforiporisiko manahaky gny tenona gny aiko; manapaky anahy amin'gny fitova fagneno Hanao; eo ategnategnan'gny andro vo gny hariva Hanao gny manapisy gny aiko. 13 Nikiaky fatrasy zisiky maraindray zaho; manahaky gny liona gny famakiany reo tolako aby. Eo ategnategnan'gny andro vo gny hariva Hano gny manapisy gny aiko. 14 Mikororeky manahaky gny sidisidina zaho; mitolokoloko manahaky gny voroamilala zaho; rokaky miandra ambony gny masoko. Ry Tompo, ory zaho; apio zaho. 15 Ino gny tokony ho zakako? Sady nizaka izy, gny nagnatateraky anizay taminahy; hamindra moramora amin'gny tao hiaignako aby zaho akory totosy gny alahelo. 16 Ry Tompo, reo fizalia nalefanao dra soa ho anahy; ho ahery aminahy ndraiky anie gny aiko; napihery gny aiko vo gny fahasalamako Hanao. 17 Tombosoa ho anahy gny niaignako alahelo sahala an'iregny. Nagnavosy anahy tamin'gny lavaky gny faharava Hanao; fa nagnary gny fahotako aby ho agny an-damosinao Hanao. 18 Fa sy misaosy anao gny fiegna-sy hita; sy misiriry anao gny fahatesa; reo ze mizoso ao agnaty lavaky dra sy magnategna gny fahamendreham-pitokisanao. 19 Gny olombelo, gny olombelo, izy gny raiky zay nagmone fisora anao, manahaky gny ahiko amin'itiky andro tiky; ray mapahafatasy gny fahamendrem-pitokisanao amin'ireo zanaky. 20 Eo andalam-pamonze anahy i Yaveh, dra hakalaza amin'gnyn hira zahay amin'gny androm-piaignanay iaby ao an-tragnon'i Yaveh." 21 Dra ho Isaia: " Aoky ereo hangalaky apepan'aviavy dra hametraky anizay eo amin'gny bay, dra ho sitra izy." 22 Ho avo koa i Hezekia ho: " Ino gny ho famatara fa tokony hiakasy ho agny an-tragnon'i Yaveh zaho?"