Toko faha 37

1 Gny fa ren' i Hezkia mpanjaka gny tatis' ereo, dra naniasy gny akazony izy, dra nandomboky gny vatany tamign' ny akazo fandala, vo magnagny an-tragnon' i yaveh. 2 Izy dra nagniraky an' i Eliakima, ze lohan' ny ankohona, vo Sebna mpanora-dala, vo ereo lohan' ny mpisoro, samby nilomboky akazo fandala avo koa, ho agny amin' i Isaia mpaminany, zanak' i Amoza. 3 hoy izy taminazy: ''Hoy i Hezekia hoe: 'Tihoky andro tihoky dra andron' ny fahoria, fibedesa, vo fanglam-baraka, manaky gny zaza fa ho teraky, nefa gny reniny dra tsy mana hery hiteraha gny zanany. 4 Mety ho ren' i yaveh zagnaharinaoavo koa ereo zakan' ny lahiben' ny mpifehy, ze nirahin' ny mpanjakan' i Asyria mba hihasy an-dRagnahary velo, dra hizaka fatrasy ereo zaka ze ren' i Yaveh Zagnaharinao. Amizao dra asandrato ho an' ze bo tavela eto gny vavakao."' 5 Dra nagnagny amin' i Israely ereo mpanompon' i Hezekia mpanjaka, 6 vo hoy i Isaia tamin' ereo hoe: ''Lakao amign' ny tompondrareo hoe: ''Ka matahotsy gny zaka ze fa renao, ze tamin' izany gny nanevatevan' ereo mpanompon' ny mpanjakan' i Asyria zaho, vo hahare gny tatisy ialany izy dra hihery agny amign' gny taniny. Hataoko lavon' ny sabatra agny amign' ny taniny avo izy.""' 8 Dra nihery ereo lahiben' ny mpitariky dra nahita gny mpanjakan' i Asyria niady tamign' i Libna, fa reny fa niala tao Lakisy gny mpanjaky. 9 Vo gny ren' i Senkeriba fa nihetsiky hialy aminazy i Tiraky mpanjan' i Etiopie vo Egypta, dra nagniraky mpitondra hafasy miaraky amign' ny hafasy tagny amin' i Hezekia draiky izy: 10 ''Zakao amin' i Hazekia, mpanjakan' i Joda hoe: 'Ka anga handiso fanantena anao gny zagnaharinao ze atokisanao, manao hoe: ''Tsy hatolosy eo an-tagnan' ny mpanjakan' i Asyria i Jerosalema.'' 11 Indro, fa rendrareo ze nataon' ny mpanjakan'i asyria tamign' ny tany aby tamign' ny fandrava an' enereo tanteraky. Dra ho voavonjy ve handrareo? 12 Moa ve mamonjy an' ereo zagnahary gny firenena, dra ereo firenena ze niravan' ereo razamkeko: Gozana, Harana, Razefa, vo gny vahoakin' i Edena tao Telasara? 13 Eza gny mpanjakan' i Hamata, mpanjakan' i Arpada, mpanjakan' ereo tananan' i Sefarvaima, Hena, vo Iva?"' 14 Nandray gny taratasy tegny an-tagnan' ny mpitondra hafasy i Hezekia vo namaky izany. Dra nagnagny an-tragnon' i Yaveh izy vo namelasy izany teo agnatrehany. 15 Nivavaky tamin' i Yaveh i Hezekia hoe: 16 ''Ry Yaveh tompon' ny maro, Zagnaharin' i Israely, hanao ze mitoby eo am-bony Kerobima, Hanao raiky gny zagnahary eo amign' ny fanjakan' ny tany aby. Hanao gny nahary gny lagnisy sy gny tany. 17 Atokilagno gny sofinao, ry Yaveh, vo mitenoa. Sokafo gny masonao, ry Yaveh, dra atio,, vo tenoy ereo zakan' i Sankeriba, ze fa nalefany hanesoa an-dRagnhary velo. 18 Marina izany, ry Yaveh, fa niravan' ny mpanjakan' i Asyria gny firenena aby vo gny tanin' ereo. 19 Fa nataoko tao agnaty afo ereo zagnahariny, fa tsy zagnahariny raiky fa asan-tagnan' olo, hazo vo vato avo. Dra nipehin' ny Asyriana ereo. 20 Dra amin' izao, ry Yaveh zagnaharinay, vozeo eo amign' ny heriny izahay, mba ho fatasy gny fanjakan' ny tany aby fa hanao raiky avo gny Yaveh.'' 21 Vo nandefa hafasy tagny amin' i Isaia zanak' i Amoza i Hezekia, manao hoe: ''Yaveh, Zagnaharin' Isaraely manao hoe: 'Akory fa nivavaka taminahy mikasiky an' i Sankeriba mpanjakan' Asyria hanao, 22 dra zao gny zaka ze nizakan' i Yaveh gny momba an' azy: ''Manao tsinosino vo mangala baraka anao gny zanaky vavy virijin' i Ziona; mihifikifi-doha aminao gny zanaky vavy. Nihasy vo naniratsira an' iza hanao? 23 Nampiaka-peo vo nivan-dravandra tam-pirehareha tamin' iza hanao? Tamign' ny Masin' Isaraely. 24 Tamign' ny alalan' ny mpanomponao gny niahasiaronao gny tompo vo gny nanovanao hoe: 'Tamign' ny hamaroan' ny kalesiko gny niakarako tegny amign' ny havoan' ereo tendrombohisy, tamign' ny fiakara farany abo an' i Libanona. Hozerako ereo sederany lava vo ho filiko ereo hazon-kypreso agny, vo hihilisy ao amign' ny toerany farany ambony zaho, dra gny alany mamoha farany be. 25 Fa nihaly lava-drano zaho vo nino rano; Noritraiko gny reniranon' i Egypta aby ambanin' ny faladian-tombony.' 26 Moa ve tsy renao gny namaritako izany fotoa maro ze tsy nanagnako izay tamign' ny fotoa fahiny? Vo andesiko mba hitranga izany fotoa zihoky. Eto hanao mba handrava ereo tana matazaky ho lasa korotam-bato. 27 Ereo mponiny, tsy manan-kery, dra kivy vo afa-baraka. Voly agny agnaisy ereo, ahi-meso, ahisy egny ambony tafo na egny agnaisy, mialohan' ny rivosy avy agny antsignana. 28 Fa fantako gny fipetrakao, gny fiboahanao, gny fidiranao, vo gny haorianao aminahy. 29 Nohon' ny haorianao aminahy, nohon' ny avognavonao ze nipaky tamign' ny sofiko, dra hametraha farangoko eo amign' ny oronao, ary gny lalam-boridiko eo amign' ny vavanao; haheriko agny am' izay lala niavianao hanano.'' 30 Zao gny ho famatara ho anao: Hihina ze magnirigniry foa anao amin' ny tihoky tao toy, vo ze agniry amin' izany amign' ny tao faharo. Fa amign' ny tao faharo fahatelo dra tsy maintsy mamboly hanao vo mioty, manova tanim-boaloboky vo hano gny vokany. 31 Ereo sisa amign' ny ankohon' i Joda ze tsy maty dra hamaka vo hamokasy draiky. 32 Fa avy ao Jerosalema gny hiboahan' ereo sisa; avy ao an-Tendrobohisin' i Ziona ereo tsy maty. Hanao izany gny zotom-pon' i Yaveh Tompon' ny maro."' 33 Noho izany dra dra izao gny momban' ny mpanjakan' i Asyria. "Tsy hilisy eto amin' ny tihoky tana tihoky, dre hanipy tsipiky eto izy. Dre ho avy alohan' izany miaraky amign' ny ampinga dre hananga rindry fiankara amin' izany izy. 34 Gny lala nahaviany avo gny ho lala hialany; tsy hilisy ao amin' ny tihoky tana tihoky izy_izay gny fagnambaran' i Yaveh. 35 Fa hiaro tihoky tihoky zaho ary hamozy izany, nohon' ny Amiko vo nohon' ny amin' i Davida mpanompoko." 36 Vo gny anjelin' i Yaveh dra niboaky ka nanafiky gny tabin' ereo Asyriana, nahafaty maramila 185.000. Gny fa nifoha maraim-be ereo lelahy, dra nitsirara tegny aby egny gny fatin' olo. 37 Dra nandao an' Israely i Sankeriba manjakan' i Asyria vo gny noly tagny an-tragno dra nitoby tao Ninive. 38 Tatiky afara, gny bo nidera tao an-tranon' i Nisroka andriamaniny izy, dra namono anazy tamign' ny sabatra i Adremeleka vo Serezara zanany lahy. Boak' eo dra nitsoaky tagny amign' ny tanin' i Ararata ereo. Dra i Esara-hadona zanany gny natazaky teo amign' ny toerany.