Toko faha 36

1 Tamign' ny tao faha efasy ambin' ny folo nazakan' i Hezekia mpanjaka, Sankeriba, mpanjakan' i Asyria, dra nanafiky ereo tana aby mimandan' i Joda vo nababo an' ereo. 2 Dra nalefan' ny mpanjakan' ny Asyria boak' agny Lakisa ho agny Jerosalema ho agny amin' i Hezekia mpanjaka lahibe mpifehy miaraky amign' ny tafiky lahibe. Nampifagnato gny lakan-dranon' ny farihy agnabo izy, amign' ny lalam-be magnagny amign' ny sahan' ny mpanasa lamba, vo nitsanga tamin' izay. 3 Gny manam-pahefa Israelita ze niboaky ambalikign' ny tana mba hizaka amin' ereo dra i Eliakima zanaky lahin' i Hilikia, gny mpandrindra gny lapa, Sebna mpita-sorasign' ny mpanjaka, vo Joa zanaky lahin' i Asafa, ze nanorasy ereo fanapahan-kevisin' ny governemanta. 4 Nizaka tamin' ereo gny lahibe manam-pahefa ho: ''Zakao amin' i Hezekia fa gny mpazaka lahibe, mpazakan' i Asyria, dra mizaka ho: ''Ino gny loharanogn' ny tokindrareo? 5 Tsy mizaka afa-tsy zaka tsy dra taliavy handrareo, mizaka fa misy torohevisy vo hery @gn' ny aly. Amizao amin' iza gny itokiandrareo? Iza gny hankahery andrareo hikomy hanohisy anahy? 6 Indro, matoky an' i Egypte handrareo, ze volotara misitaky ze ampesandrareo manahaky gny tehy, gny fa miantehisy amin' izay gny olo raiky, dra hifikisy amign' ny tagnany dra handefo an' azy izay. Manahaky izany i Farao mpanjakan' i Egypta amign' ny olo ze matoky anazy. 7 Gny fa mizaka aminahy handrareo ho: ''Matoky an' i Yaveh zagnaharinay zahay,' tsy za kay ereo toera abo vo gny ereo alitara ze nalan' i Hezekia, vo fa nizaka tamin' i Joda vo Jerosalema ho: ''Miondrefa eo alohan' ny tihoky alitara agny Jerosalema tihoky''? 8 Vo amizao, magniry gny hanao fagnomeza soa ho anao boak' agny amign'ny mpanjakan' i Asyria zaho. Hagnome anao sovala roa arivo zaho, gny mahavita mitalia mpitikisy hon' ereo hanao.'' 9 akory gny hahafahanao manohisy dre gny kapiteny raiky ze farany masaiky amign' ny mpanomoon' ny tompoko? Nanoby gny fahatokisandrareo tamign' i Egypte noho ereo kalesy vo ereo mpikisy sovala handrareo! 10 Vo amin' izao, kay nandeha tatiky tsy niaraky tamin' i Yaveh mba hialy hanohisy tihoky tany vo handrava izay kay zaho? Hoy Yaveh taminahy, ''magnafia tihoky tany tihoky vo ravao izay.'''' 11 Vo Eliakima zanaky lahin' i Hilkia, vo Sabna, vo Joa nizaka tamign' ny lahibe manam-pahafa ho: ''Mizaka ra amin' ereo mpanomponao amign' ny fiteny Syriana. Aramaika, mba hahazoanay an' izay. Ka mizaka aminay amign' ny fitenin' i Joda eo an-sofin' ereo vahoaky ze ao amign' ny manda.'' 12 Fa hoy gny lahibe manam-pahef: ''Moa nandefa anahy mba hizaka ireo teny ireo ho agny amign' ny tomponao vo ho agny aminao kay gny tompoko? Tsy nandeha zaho ho agny amin' ereo lelahy ze mitoby eo amign' ny manda izy, ze hihina gny malotony avo vo hino gny amaniny avo miaraky aminao?'' 13 Vo nisanga gny lahibe mana-pahefa vo nasiaky tamign' ny feo fatrasy tamign' ny fiteny Jiosy, mizaka ho: ''Mitenoa gny zakan' ny mpanjaka lahibe, mpanjakan' i Asyria. 14 Hoy gny mpanjaka: ''Ka mety hofitahin' i Hezekia hanao, fa tsy afaky gny gny hagnavosy anao izy. 15 Ka anga hampatokian' i Hezekia amin' i yaveh hanao, ze mizaka ho; Hamozy anay vatany i yaveh, tsy home ho eo an-tagnan' ny mpanjakan' ny Asyria tihoky tana tihoky. 16 Ka miteno an' i Hezakia fa izao gny zakan' ny mpanjakan' i Asyria: ''Mihavana aminahy vo gny magnatogna anahy. Vo gny kirairaiky amindrareo dra hihina boakagny amign' ny voalobony vo avy amign' ny hazo aviaviny avo, vo hino gny rano ao agnatin' ny fitobohan-dranony avo. 17 Izany gny ataondrareo ambara-pahaviako vo gny hangalako andrareo ho agny amign' ny tany manahaky gny tanindrareo avo, tanin' ny vary vo gny tanin' ny divay vaovao, tanin' ny mofo vo gny tanim-boaloboky.'' 18 KA mamela an' i Hezekiela mamitaky andrareo, mizaka hoe: ''Yaveh gny hamozy asika''. Moa nisy tamin' ereo zagnaharin' ny vahoaky ve dra nahavozy an' ereo avy eo an-tanan' ny mpanjakan' i Asyria? 19 Eza ereo zagnaharin' i Hamata vo Arpada Vo eza avo koa ereo zagnaharin' i Sefarvaima? Moa ve nahavozy an' i Samaria tamign' ny heriko ereo? 20 Tamin' ereo zagnahary aby teto amign' ny tany, moa nisy zagnahary nahavozy gny taniny tamign' ny heriko ve? Manahaky gny hoe afaky mamozy an' i Jerosalema amign' ny heriko ve i Yaveh? 21 Fa gny vahoaky nizano tsy narevoky vo tsy nisy namaly, fa izany gny didin' ny mpanjaka hoe: ''Ka mamaly an' azy.'' 22 Vo i Eliakima zanaky lahin' i Hilkia ze lahiben' ny ankohona, vo Sebma mpanora-dala, vo Joa zanaky lahin' i Asafa, mpita gny raharaham-panjaka, dra nagnato an' i Hezekia miaraky amin' ereo akazony triasy, vo nanday tamigny ereo zakan' ny lahibe manam-pahefa.