Toko faha 35

1 Gny tany efisy vo karakay dra hiravoravo; vo gny tati-hay hifaly vo hamony. Manahaky gny raozy, 2 hamela be dra be izay vo hihoby amign' ny fifalia vo gny hirahira; gny voninahin' i Libanona dra hagnome izay, gny hasoa-tarehin' i Karmela vo Sarona; hahita gny voninahin' i Yaveh ereo, gny famirampiratan' ny Zagnaharitsika. 3 Ampaherezo gny tagna miraviravy, vo atazaho ereo pokopoko mangovisy. 4 Zakao amin' ereo rokaky am-po ho: ''Mahereza, ka matahosy! Indro, gny zagnaharindrareo ho avy miaraky amign' ny famalia, dra gny famalian' ny Zagnahary. Ho avy izy vo hamozy andrareo,'' 5 Dra hahirasy gny mason' ereo poaky, vo handre gny sofin' ereo maregny. 6 Dra hidokosy manahaky gny diera gny olo mandringa, vo gny lelan' ny moa dra hihira, fa hiboaky boak' agny amign' ny tany maiky gny rano, vo ereo loharano agny agn' efisy. 7 Ho avy farihy gny fasy magnoro, vo gny tany mangeta hivaliky loharano miboiboy; agny amign' ny fitobohan' ereo fa ela, dra ho feno ahisy volotara vo gny zozoro. 8 Gny lalam-be agny dra ho tokavy hoe lala masy. Tsy handeha amign' izay gny maloto. Fa zay dra natao hon' ereo mandeha amin' izay. Tsy misy adala handeha amin' izay. 9 Tsy hisy liona agny, tsy hisy biby masiaky ao amin' izay; tsy ho hita ao ereo, fa ereo ze voavozy gny handeha ao. 10 Hihery gny valim-pagnavotan' i Yaveh vo ho avy agny Ziona amign' ny fihira, vo fifalia mandrakizay gny ho eo an-dohan' ereo; hahazo fihobia vo firavoravoa ereo, hienga gny alahelo vo gny fisentoa.