Toko faha 34

1 Magnatonga mariny, handrareo ry firenena; vo mitenoa, mifantoha, handrareo ry vahoaky! Gny tany vo ze mameno anizay dra tsy maintsy miteno, izao tontolo izay, vo gny raha aby avy amin' izany. 2 fa ory amign' ny firenena aby Yaveh, vo nilisy amign' ny tafik' ereo tanteraky izy, nanolosy an' ereo teo an-tagnan' ny mpamono izy. 3 Ereo vato mangasiak' ereo maty dra hatoraky agny ivelany. Gny fofo membon' ereo faty dra ho egny aby egny, vo ereo vohisy ho vontonign' ny lion' ereo. 4 Ho levo avo koa gny kitan' ny lagnisy, vo gny lagnisy dra hioro manahaky gny horogna; vo gny kitany aby dra ho levo, manahaky gny ravy ze malazo mihitsa amign' ny tahom-boaloboky, vo manahaky gny aviavy lo mihitsa amign' ny hazon' aviavy. 5 Fa gny fa mamogn' ny lio an-dagnisy gny sabatro; indro, amizao hizoso agny Edoma izany, eo amign' ny vahoaky ze hatokako amign' ny fandrava. 6 Gny sabatr' i Yaveh dra mitete lion' ereo zanak' agnondry vo ereo osilahy, rakosy gny tavign' ny tegnan' ereo agnondrilahy. Fa mana fagntisy ao Bozra vo famonoa lahibe ao amign' ny tanin' ny Edoma i Yaveh. 7 ho vono miaraky amin 'ereo gny agnombily, vo ereo vaton' agnomby miaraky amin' ereo efasy atisy. Gny tanin' ereo dra ho mamon-dio, gny gny vovokiny dra matavign' ny hataveza. 8 Fa ho andro famalian' i Yaveh zay vo ho tao famaliany gny aamign' ny Ziona. 9 Gny rian-dranon' i Edoma dra ho avy dinty, gny vovokiny ho solifara, vo gny taniny hivaliky dinty mirehisy. 10 Hirehisy andro amagn' aly zay; gny hoton' izay dra haharisy mandrakizay; amign' ny taranaky mifandimby dra ho tany ngaza zay; tsy hisy olo handrio eo amin' izay mandakizay doria. 11 Fa ereo vorodily vo ereo bibily gny hitoboky agny; gny vorondolo vo gny koaky gny hanao gny tragnony eo amin' izay. Vo hohezagny eo amin' izay gny taly fandrefesan' ny fahapoteha vo gny fason-drano fandrava. 12 Ereo olo mendri-kazany dra tsy hanana raha ho tavela ho tokavy ho fanjaka, vo gny andriandahy aby dra ho tsinontsino. 13 Tsilo gny hisiry eo amin' ereo lapany, voaroy vo amia gny eo amign' ny tragno fiarovany. Ho fitoeran' ereo amboamola zay, vo fitobohan' ereo ostritsa. 14 Gny bibily vo ereo kary gny hihao agny, vo ereo osily gny hifampitoka agny. Gny bibin' ny alina gny hagnorom- ponegna agny dra hahita toeram-pialatsasatra ho an' ereo. 15 Ereo vorondolo hanao ankany, hagnatoly vo hamana ereo atoliny, hamana vo hiaro ereop zanany. Eh, agny gny hivorian' ereo papango, gny kirairaiky miaraky amign' ny namany aby. 16 Taliavo ao amign' ny horonan-taratasin' i Yaveh; fa tsy misy raiky amin' ereo tsy ho ao. Tsy misy tsy hanana nama; fa gny vavany gny mandidy izany, vo gny fagnahiny gny mangoro an' ereo. 17 Nanao filoka hon' ny toerany ereo izy, vo gny tagnany gny handrefy an' izay tamign' ny taly hon' ereo. Ho tompon' izay mandrakizay ereo; hatramign' ny taranaky faramandimby gny hitobohan' ereo agny.