Toko faha 32

1 Indro, gny mpanjaka dra hanjaka amign' ny fahamarigna, vo gny andrian-dahy dra hanapaky amign' ny rariny. 2 Gny kirairaiky aby dra hanahaky gny fialofa amign' ny kotroky, manahaky gny ranovelo amign' ny toere maiky, manahaky gny aloky gny vatolampy lahibe agny amign' ny faharokafa. 3 Vo gny mason' ereo ze mahita dra ho pehy, vo gny sofin' ereo ze mahare dra hiteno soa. 4 Ereo kely fisaigna dra hihevisy soa amign' ny fahazava-say, vo ereo mibadabada dra hahay hizaka mahisy soa. 5 gny adala dra tsy ho tokavy sasy ho mendrika, dre gny mpamitaky ho haza. 6 Fa gny adala dra hizaka fahadala, vo gny fony dra hanao teti-drasy vo hanao asa miatsaravelatsihy, vo hizaka diso hanohisy an' i Yaveh izy. Hamparesy ereo resy izy, vo hahatonga ereo mangetaheta tsy hana raha hinomy. 7 Rasy ireo fomban' ny mpamitaky. Mihevisy teti-drasy izy mba hanola gny mahatra amign' ny vandy, dre mizaka ze marina aza gny mahatra. 8 Fa gny olo mendriky koa dra manao tetiky mendriky; vo noho ereo tetiny mendriky dra hahomby izy. 9 Mitsangana, ry vehivavy tsy manao-sarosy, vo tenoy gny feoko; ry vehivavy tsy mivaky loha, tenoy zaho. 10 Fa afaky heritao farafahakeliny dra ho rava gny fahatokianao, ry vehivavy tsy mivaky loha, fa tsy hisy gny fitohizam-boaloboky, tsy avy gny fanongana. 11 Matahora, ry vehivavy tsy manao-sarosy; ao hataosy, hanao ze mahatoky; alao ireo akazo matifinao vo ao hanao hihalo; vo asio lamba fandala gny valahinao. 12 Hidradradradra amin' ereo saha mahafinarisy hanao, ho an' ereo voaloboky mamokasy. 13 gny zakan' ny vahoako dra ho rakok' ereo tsilo vo ereo hery, eh dre ao amin' ereo tragno mahafaly aby ao amign' ny tanan' ny firavoravoa aza. 14 Fa gny lapa dra hafo, gny tana feno vahoaky dra ho foa; gny havoa sy gny tilikambo dra ho lava-bato mandrakizay, fifalia ho an' ereo boriky dra, ahi-meso ho an' ereo agnondry miaraky osy; 15 mandra-pilatsahan' ny fagnahy boak' agny amign' ny abo amisika, dra gny tany efisy dra ho avy tany mamokasy, vo gny tany mamokasy dra hihery manaky gny ala. 16 Vo hitoboko eo amign' ny tany efisy gny rariny; vo gny fahamarigna hipetraky ao amign' ny tany mamokasy. 17 Gny asan' ny fahamarigna dra ho fiadagna; vo gny vokasy gny fahamarigna, dra fahangina vo fahatokisa mandrakizay. 18 Gny vahoako dra hitoby ao amign' ny fitoboha feno fiadana, ao amin' ereo tragno azo atoky, vo ao amign' ny toera mangiky fangala ay. 19 kanefa gny misy ereo havandra dra ho sola gnnnnny ala, dra ho rava tanteraky gny tana, 20 hanao ze mamafy egny agnilan' ereo onja dra ho voatahy, hanao ze mamoaky gny agnombinao sy ereo borikinao mba hiraoky.