Toko faha 31

1 Loza ho an' ereo ze mandeha magnagny Egypte hitalia vozy vo miatehisy amin' ereo sovala, vo mitoky amin' ereo kalesy (fa maro ereo) vo amin' ereo mpitikisy sovalany (fa tsy voaisaky ereo). Nefa tsy mba miandrandra Gny Masin' Israely, dre mitalia an' i Yaveh ereo! 2 Kanefa hendry Izy, vo handay loza Izy dra tsy hagnafoa ereo zakany. Hitsanga hanohisy gny ankohonan' ny ratsy sy hanohisy gny mpamonjin' ereo ze manota izy. 3 Olo i Egypte fa tsy zagnahary, nofo gny sovalan' ereo fa tsy fagnahy. Gny fa magninjisy gny tagnany Yaveh, gny olo ze mamozy dra ho tafatoy, vo gny olo ze voze dra ho lavo; samby hiaraky ho maty izy ro. 4 Zahoky gny zakan' i Yaveh taminahy: ''manahaky gny liona, dre gny zana-diona, miero amign' ny rembiny, gny fa tokavy hanohisy anizay gny andian' ny mpiaraky agnondry, dre tsy mba hataosy amign' ny feon' ereo zay, dre migege amign' ny fihorakorak' ereo; dra hanahaky anizay gny hizosoan' i Yaveh Tompon' ny maro hialy eo agnabombohisin' i Ziona eo amizay havoa zay. 5 Manahaky gny voro magnomba, gny hiarovan' i Yaveh tompon' ny maro an' i Jerosalema; hiaro sy hamozy izy gny mandeha eo amizay vo magnaza anizay. 6 Miharegna amin' azy ze fa nihodignandrareo fatrasy, ry vahoakin' Israely. 7 Fa amizay andro zay gny kiraikiraiky dravy dra hangalaky iereo sampy volafosiny vo ereo sampy volamenany ze nataon' ny tagnandrareo avo tamim-pahota. 8 Ary gny Asyriana ho lavogn' ny sabatra ze tsy mba an' olombelo gny handringa anazy. Dra hienga gny sabatra izy, vo gny zatovony hampanovy fanompoa fatrasy. 9 Vo ereo dra levo fahatokisa noho gny fahatokisa noho gny fatahora, vo ereo mpanapaky anazy hivali-po eo agnatrehan' ny fanevan' i Yaveh - Izay dra fagnambara nataon' i Yaveh - Ze mana gny afony ao Ziona vo gny fatany fagnoroa ao Jerosalema.''