Toko faha 30

1 ''Loza ho an' ereo zaza pikomy,'' izay gny fitalilian' i Yaveh. ''Manao fikasa ereo, fa tsy avy aminahy; manao fihavana amign' ny firenena hafa ereo, nefa tsy natoroan' ny fagnahiko lala, dra nagnampy fahota omban' ny fahota ereo. 2 Mivonogna gny hidera ho any Egypte ereo, nefa tsy nangataky gny toro lalako. Mitalia ferova boakamin' i Farao ereo vo mialoky ao amign'ny alok' i Egypte. 3 Noho zay dra ho fahamegnarandrareo gny farovan' i Farao, vo ho fahafaham-barakandrareo, gny felofa eo amign' ny alok' i Egypte, 4 dre agny zoana eza gny andrian' ereo, vo avy tagny Hanesa ereo mpinday hafany. 5 Ho megnasy avokoa izy aby nohonign' ny vahoaky raiky ze tsy afaky magnampy anereo, zay sady tsy fagnampia gny tsy famoze, fa fahamegnara, vo fahafaham-baraka mihisy aza.'' 6 Fitalilia momba ereo bibilin' i Negeva: Avy amign' ny tanin' ny fahoria vo loza, liom-bavy vo lion-dahy, gny menarana vo gny gny bibilava mirehisy mitily, gny handesan' ereo gny hereny eo an-damosin' ny boriky, vo gny rakiny eo amign' ny vohon' ny rameva, ho agny amign' ny vahoaky ze tsy afaky magnampy an' ereo. 7 Fa tsy misy dikany fagnampian' i Egypte; noho izay dra ho tokavoko ho Rahaba izy, ze mipetraky tsy mihosy. 8 Mandehana amizahoky, sorato eo amign' ny fagnatrehan' ereo amign' ny vato pisaky zay, vo raketo ao amign' ny horognan-taratasy, mba ho voatavisy ho amign' ny andro ho avy fizoroa vavolombelo. 9 Fa vahoaky pikomy ereo, zaza mpavandy, zaza tsy mba hiteno gny fampenaran' i Yaveh. 10 Hoy ereo amign' ny mpahita ho: ''Ka mahita;'' vo amin' ereo mpaminany ho: ''Ka maminany gny marina aminay; mizaka zaka mandoka aminay, maminania nofinofy. 11 Mela amign' ny lala, mivilia amign' ny lala, atovy mizano mizaka eo agnatrehan' ny tarehiny gny Raiky Masin' Israely.'' 12 Noho izay dra hoy gny raiky Masin' Israely ho: Akory manda zao zaka zao handrareo vo matoky gny fampahoria vo fitaky dra metehisy amizehoky koa zay, 13 dra zihoky fahota zihoky dra hanahaky gny singa vaky ze vono fa hazera aminao, manahaky gny triasy eo amign' ny rindry abo ze ho tampoky fezerany, ao agnatin fotoa bory.'' 14 Ho vakiny manahaky gny fahavakian' ny apondran' ny mpanefy tanimanga zay, tsy hiaro anizay izy, dra tsy hisy potiny ho vita eo amin' ereo vakiny ze bo hangala gny afo boakao am-patagnafo, dre hamoara gny rano boak' amign' ny siniben-drano. 15 Fa izao gny zakan' ny Tompo Yaveh, gny Raiky Masin' Israely: ''Ho avosy amign' ny fiharegna dre fizanogna handrareo; amign' ny fahangina vo fatokia gny ho herindrareo. Nefa tsy nanam-piniava handrareo. 16 Hoy handrareo ho: ''Aha, fa hienga amign' ny sovala zahay, dra hienga handrareo; vo hitikisy sovala halaki-fandeha zahay, 'dra halaky fandeha ereo ze magnitriky andrareo. 17 Arivo gny hienga noho gny fampitahoran' ny iray; amin' n y fampitahoran' ny dimy gny hilomesandrareo ambara-piavian' ny sisa tavela anindrareo ho tahaky gny tahon- joro egny agnabom-bohisy, dre manahaky gny zozoro egny amign' ny havoa.'' 18 Fa mbo mandigny gny hamindra fo amindareo Yaveh, noho zay dra vonona gny haneho fiantra amindrareo izy. Fa Yaveh dra zagnahary gny rariny; sambasy ereo ze mandigny anazy. 19 fa hisy vahoaky hitoby agny Ziona, agny jerosalema, dra tsy hitomagny sasy handrareo. Hamindra fo amign' ny fitairaignandrareo vatany izy. Gny fa reny zay, dra hamaly andrareo izy. 20 Dre magnome andrareo gny mofon' ny aly sarosy dre gny ranon' ny fampahoria aza Yaveh, dre zay aza, dra tsy hivony sasy gny mpampianasindrareo amign' ny masondrareo handrareo. 21 Gny sofindrareo handre zaka boak' afarandrareo hanao ho: ''Tihoky gny lala, amin' ny tihoky mandeha,''dre mivily ho amign' ny ankavana dre mivily amign' ny ankavia handrareo. 22 Ho zimbazimbandrareo ereo sary voasokindrareo ze nirakofan' ny volafotsy vo ereo sary agnilia volamena. Hariandrareo manahaky gny vorondamban' ny falimbola zay. hizaka amin' ereo handrareo ho: ''Mela eto.'' 23 hagnome ora ho an' ny volindrareo izy gny fa mamafy egny amign' ny tany handrareo, vo mofo hovokasy amign' ny tany, dra gny vokasy dra hovokasy amin' izay andro zay dra hiraoky egny amig' ny ahisy malalaky ereo biby tezandrareo. 24 Ereo agnomby vo ereo boriky, ze miasa tany, dra hihina gny voaisy sira ze nikororohy tamign' ny fangaly vo fangaly fazaisy. 25 Egny amign' ny vohisy abo aby vo gny havoa ambony aby, dra hisy vavasakan- driaky hikoria vo rano mandeha, amign' ny andron' ny famonoa lahibe ze hilavoan' ny tilikambo. 26 Hanahaky gny fahazavan' ny masoandro gny fahazavan' ny vola, dra gny fahazavan' ny masoandro dra hamirasy impito-heny, manahaky gny zava-masoandron' ny andro fito. Hamehy gny fanorotoroa gny olon' i Yaveh vo hagnasitra gny ferin' ny nandratrany anereo. 27 Indro, gny agnaran' i Yaveh dra avy agny amigny toera lavisy, mihehisy amign' ny fahoriany vo gny hoto matevy. Feno fahavignira gny malony, vo gny lelany dra hanahaky gny afo mandevo. 28 gny fofonainy dra manahaky gny fikizagn' ny riaky ze mahatrasy boakagny amign' ny vozo masaiky, mba haniva gny firenena amign' ny sivan' ny fandringana. Gny fofonainy dra hisatra amign' ny valagnoragn' ny olo mba hahatonga anereo hirenireny. 29 Hana hira manahaky gny amign' ny hariva hitandrema gny firavoravoa masy handrareo, vo firavoravoam-po, manahaky gny amign' ny fandehanagn' ny olo miaraky amign' ny sody ho egny agnabom-bohisin' i Yaveh, ho eo amign' ny vatolampin' Israely. 30 Hataon' i Yaveh ra gny fampirapiratan' ny feony dra natorony gny fiofaofan' ny sandriny amign' ny fahoria mirehisy vo lelafo, amign' ny tafio-drivosy, oram-barasy, vo havandry. 31 Fa amign' ny feon' i Yaveh, dra holavo i Asyria; hazera anereo amign' ny tehy izy. 32 gny zera aby amign' ny sora- kazo voatendry ze hapetrak' i Yaveh amin' ereo dra hiarahan' ny feon' aponga tapaky vo valiha eo am-pitolognany vo hialiany amin' ereo. 33 Fa misy toera fagnoroa voaoma fa ela.Eh vatany, voaoma ho an' ny mpanjaka zay, dra nataon-dRagnahary laliky vo malalaky. Fa vonono amign' ny afo vo hita maro be gny antontany. Gny fofonain' i Yaveh, manahaky gny fandriaky gny solifara,dra handrehisy an' ny zihoky.