Toko faha 29

1 Lozan'i Ariela, Ariela, gny tana nitobian'i Davida! Apio tao gny tao; aoky hisingeringery gny andro firavoravoa. 2 Fa hanao fahirano an'i Ariela Zaho, dra handala vo hitomagny izy; vo hanahaky an'i Ariela izy Aminahy. 3 Hifitaky magnodidy anao Zaho vo hametraky fahirano hanemisy anao, sady hananga efisy hanohisy anao Zaho. 4 Haetry hanao dra hizaka egny amin'gny tany; ho ambany boak'egny amin'gny bony gny zakanao. Hanahaky gny angasy miboaky ao amin'ny tany gny feonao, vo gny zakanao dra halefaky vatany boak'ao amin'gny bony. 5 Ireo andian-dahalo panafiky anao dra hanahaky gny bony madiniky, vo maro amin'ereo ze masiaky gny hanahaky gny apombo ze levo. Hiseho tapoky zay, ao agnatin'gny fotoa keliky. 6 Ho avy ao aminao mindray amin'gny kotrok'ora, horohoron-tany, tabataba be, mindray amin'gny rivo-mahery vo tafio-drivosy,vo lelal'afo mandevo i Yaveh. 7 Hanahaky gny nofy, fahita amign' ny hariva zay: Gny andia malasonigny firenena aby dra hialy amin' i Ariela vo gny ferova fatrasiny. Hanafiky anazy ereo vo gny fagnamafisa hanery anazy. 8 Zay dra hamahaky gny lelahy resy ze magnonofy mihina, kanefa gny gny fa mifoha izy dra foa gny trony. Hanahaky gny olo mangetaheta zay magnonofy mino, kanefa nofa mifoha izy dra rokako,sady tsy afaky hetaheta. En, hanahaky anizay gny firenena lahibe maro ze mialy amign' ny tezovohiny ziona. 9 Atovy talazo gny tagnandrareo dra ao ho talazo; tampeno gny masondrareo dra ao ho poaky! Ao ho mamo kanefa tsy amign' ny divay; ao hivembe,kanefa tsy amign' ny toaky. 10 Fa Yaveh fa nandraraky gny fagnahiny gny torimaso laliky tao amindrareo. Fa napipy gny masondrareo izy, gny mpaminany, vo fa nanaro gny loharano, ry pahita. 11 Amindrareo reo fagnambara aby dra fa manahaky gny sorany ao amign'ny boky ze voatomboky kase, ze mety hameny gny olo raiky ze nampianariny, dra hatao ho: Vakio tihoky. "Izy koa dra manao ho: tsy azoko atao, akory voatomboky kase tihoky." 12 Gny ome gny raiky ze tsy mahay mamaky gny boky, dra izy hanao ho: "Tsy mahay mamaky zaho." 13 Gny tompo niahy ho: Magnatogna anahy amign' ny vavany reo vahoaky reo vo makalaza anahy amign' ny sognon' ereo. Kanefa lavisy anahy gny fon' ereo. Gny fakalazan' ereo anahy dra didin' ereo olo ze nampianariny avo. 14 Noho izany, ingo, hiboaky hanao raha mahagaga eo amin' ireo vahoaky ihoky zaho, fahagaga arahay fahagaga. Ho foa gny fahendreny gny olo-kendrin'ereo, vo hazavo gny fahazava-sainy gny olo malin' ereo." 15 Lozan' ereo ze magnavony laliky gny fikasa amin' i Yaveh, vo ereo ze miasa ao agnatin' ny mezy. Ho ereo reo ho: "Iza moa gny nahita anay, vo iza gny mahay anay?" 16 mampivali-draha handreo! Tokony hahery ho tanimanga se gny panefy tanimanga, mba hahafahan' ereo raha ze nambory mizaka mikasiky anazy ze namboasy anazy izy'', na gny raha nivolavolany hizaka momba gny namolavola anazy ho: "Tsy mahay izy''? 17 Selasela, dra ho avy saka i Libanogna vo gny saka ho lasa ela. 18 Amign'ny andro zihoky dra hiteno gny zakany boky gny maregny, vo gny masony poaky dra hahita ao amign'ny mezim-pito. 19 Gny ory dra hivaro ao amin' i Yaveh draiky, vo gny mahatra eo amin' ereo dra hiravo ao amign' ny Raiky Masin' ny Israely. 20 Fa hisahasy ereo masiaky, vo hazavo gny mpanirasira. Ereo aby ze tia manao ratsy dra ho foa, 21 dra ereo ze mangalaky gny olo ho mpanao ratsy amign' ny alalan' ny zaka. Manobia fandriky honazy ze mikasaky gny rariny eo amign' ny vandy avo gny ereo. 22 Noho zay dra izao gny zakan' i jakoba_Yaveh, ze nagnavosy an' i Abrahama: "Tsy ho megnetsy sasy i Jakoba, dre hivaloariky gny tarehiny. 23 kanefa gny fa nahita gny zanany, ze asan'ny tagnako izy, dra hagnanasy gny agnarako ereo. Hagnamasy gny agnaran' ny Raiky Masin' i Jakoba ereo vo hizoro amitahosy amign' ny zagnaharin' Israely. 24 Ereo ze mivily fagnahy dra hahazo fahazava-say, vo ereo mpitaray dra hahazo fahalala.''