Toko faha 28

1 Lozan'gny satro-boninahisy vonikazo zay ireharehan'gny mamo lavo ao Efraima, vo gny vonikazo malazon'gny hasoany be voninahisy, gny satro-boninahisy ze apetraky eo an-dohan'gny lohasaha maiso mavan'reo ze resin'gny divay! 2 Ingo, gny Tompo dra mandefa ze lahibe vo matazaky; manahaky gny tafio-drivos'avandra vo tafio-drivosy mandrava, manahaky gny ora mitariky vo rano manafosy; vo hagnary gny satro-boninahisy vonikazo kiraidraiky ho amin'gny tany Izy. 3 Ho hisakisahy ambany tomboky gny vonikazo reharehan'ereo mamo lavan'i Efraima. 4 Gny vonikazo malazon'gny hasoany be voninahisy, ze eo an-dohan'gny lohasaha lonaky, dra hanahaky gny aviavy mialy tao alohan'gny fahavarasy, ze, no fa hitan'gny olo zay, no eo an-tagnany zay, dra arapany. 5 Amin'zay andro zay Yaveh Tompn'gny maro dra hazary satro-boninahisy soa tarehy vo diademan'gny hasoany ho an'reo sisa tavela amin'gny vahoakiny. 6 fagnahin'gny rariny ho anazy ze mitoboky amin'gny fisara, vo hery ho an'ireo ze mapihery reo fahavalony eo am-bavahadin'ereo. 7 Fa ndre dra reo aza dra midoladola amin'gny divay, sady mivembe amin'gny raha finomy mahery, vo atelin'gny divay ereo. Mivembe amin'gny raha finomy mahery ereo, mivembe amin'gny fahita vo midoladola amin'gny fanaphan-kevisy. 8 Rakosy loa vatany gny latabasy aby, dra sy misy toera malio. 9 Amin'ia gny ho hapianarany fahalal, vo amin'ia gny hagnazavany gny hafasy? Amin'ereo ze vo nisara-nono va? 10 Fa baiko magnapy baiko, baiko magnapy baiko zay; fisipiky magnapy fisipiky; fisipiky magnapy fisipiky; masaiky etoky, masaiky erihoky. 11 Miaraky amin'gny sogny magnirasira vo fizaka vahiny vatany gny hiresahany amy tiky vahoaky tiky. 12 Taloha Izy ddra nizaka tamin'ereo ho: " Tihoky gny fisahara, omeo fisahara ze reraky;vo tihoky gny famelombeloma, " fa sy niteno ereo. 13 Koa ho baiko magnapy baiko, baiko magnapy baiko; fisispiky magnapy fisipiky, fisipiky magnapy fisispiky; masaiky etoky, masaiky erihoky ami'ereo gny zakan'i Yaveh; bo handeha ereo dra ho lavo, vo ho simba, voafandriky, dra voasambosy. 14 koa tenoy gny zakan'i Yaveh, ndrareo ze magnirasira, ndrareo ze manapaky amy tiky vahoaky ze ao Jerosalema tiky. 15 Hitranga zay akory nizaka handrareo ho: " Nanao fagneke tamin'gny fahafatesa zahay, vo nanao fifagnaraha tamin'gny Fiegna-sy hita. Ko no miriosy eo gny karavasy manafosy, dra sy hahazo asika zay. Akory sika nanao gny vandy ho arosika, vo gny fitaky ho fiheresika." 16 Noho zay Tompo Yaveh dra mizaka anizao: " Ingo: Hagnory fotosy ao Ziona Zaho, vato voasedra, vato fehizoro sarobidy, fotosy azo atoky. Ze mino dra sy ho megnasy. 17 Hahiko fisipiky gny fisara, vo pilao gny fahamarigna. Hamafa gny felofan'ireo vandy gny havandra, vo hanafosy gny toera mivony reo todra-drano. 18 Ho levo gny fagnekendrareo tamin'gny fahafatesa, vo sy hizoro gny fifagnarahandrareo tamin'gny Fiaigna-sy hita. No fa miriosy gny tondra-drano misavoaravoara, dra ho difos'izay handrareo. 19 Ndre ombia ndre ombia handalovan'izay, dra handifosy andrareo zay, vo isamaray dra handalo zay vo ho avy andro vo hariva zay. No fa azo gny hafasy, dra hapihorohoro zay. 20 Fa bory loasy gny fandriany no hiaparan'gny olo, sady keliky loasy ho anazy gny firakofa no handrakofa gny tagnany." 21 Hisanga manahaky gny Tezovohisy Perazima i Yaveh; hanaisy gny vatany amin'gny Lohasahan'i Gibeona Izy ba hanao gny asany, gny asany sy mahazasy. 22 Noho zay vo dra ka magnirasira, no sy zay dra ho hezagny gny rohindrareo. Fa nahare lala famoteha eto atany tamin'gny Tompo Yaveh Tompon'gny maro zaho. 23 Mifatoha dra tenoy gny feoko; mitenoa soa dra tenoy gny zakako. 24 Moa se miasa tany avao gny pamboly ze miasa tany totolo andro ba hamafy? Mitombon-doha mandrakariva vo mandravo benga gne saha se izy? 25 No fa avy nagnoma gny tany izy, moa se sy magnaparitaky gny vihin'gny nigela, mamafy gny komina, mametraky gny vary tritiky mitandahasy vo gny vary hordea amin'gny toera voafarisy, vo gny ampemba egny amin'gny sisiny izy? 26 Mapianasy anazy gny Zagnahariny; mapianasy anazy apahendre Izy. 27 Fagnapin'izay, sy zera amin'gny vy gny nigela, na akodikodi amin'gny komina gny kodian'gny sarety; fa zeray amin'gny fataky gny nigela, vo amin'gny hazo gny komina. 28 Hosora ahy amin'gny mofo gny vary fe sy manify loasy, vo ndre dra magnaparitaky anizay aza reo kodian'gny kalesiny vo reo sovaliny, dra sy magnisaky anizay reo sovaliny. 29 Reo koa dra boak'amin'i Yaveh tompon'gny maro,zay mahasoa amin'gny fapianara vo soa dra soa amin'gny fahendre.