Toko faha 27

1 Amin'zay andro zay Yaveh dra hagnafay gny Levitiana menara sy misy dikany, amin'gny mesany fatrasy, labibe sady masiaky, gny menara mitambolombolo, vo hamono gny biby mapatahosy ze agnaty ranomasy ao. 2 Amin'zay andro zay: gny tanim-boalobokin'gny divay: hihira gny amin'zay. 3 " Zaho, Yaveh, Zaho gny piaro anizay; manondraky anizay matetiky Zaho. Miamby anizay andro vo hariva Zaho ka sy hisy afaky hanimba anizay. 4 Eh, sy masiaky zaho, ndre nisy ahisy vo silo aza! Handeha hanohisy andreo amin'gny aly Zaho. Horoako miaraky ereo; 5 no sy ho mifikisy amin'gny ferovako ereo vo mihava Aminahy; aoky ereo hihava Aminahy. 6 Amin'gny andro ho avy, dra hangalaky faka i Jakoba; hamony vo hisimoky Israely; vo hameno gny velaran-tany amin'gny vihiny ereo. 7 Moa namely an'i Jakoba vo Israely manahaky gny namelezany reo firene ze namely andreo se Yaveh? Moa se nivono manahaky gny famonoa reo firene ze nivonon'ereo i Jakoba vo Israely? 8 Amin'gny refy mary ze fa nalahasinao, nandroaha an'i Israely vo Jakoba; nandesiny tagny alavisy miaraky amin'gny rivo-maheriny ereo, tamin'gny andron'gny rivosy asignana. 9 Ka noho zay, ho voahonisy amin'zay gny helok'i Jakoba, fa zao gny ho vokasy feno tamin'gny nangala gny otany: no fa hanao reo alitara vato manahaky gny saoky ze voatorotoro izy, vo sy hisy hitoesy hisanga gny baon'Aseraha na reo alitaran'gny ditin-kazo magnisy. 10 Fa gny tana namafisy dra ho lao, gny fonegna dra ho ngaza sady hafoy manahaky gny efisy. Ao gny hamahana gny zanak'agnomby, vo ao gny handriany vo handevognany reo rasany. 11 No fa malazo reo sapany, dra hotapahy reo. Ho avy gny apela dr handehisy afo amy reo, fa sy olon'gny fahazan-say tiky. Koa, sy hana fangoraham-po amin'ereo gny Mpahary anazy, vo ze nanao anazy dra sy hana famindram-po amin'ereo. 12 Amin'zay andro zay dra hisy fapihisagna boak'agny amin'gny reniranon'i Efrata ka hatragny amin'gny lohasaha-driakin'i Egypta ze hataonao Yaveh, ry vahoakin'Israely, dra havory hiaraky kiraidraiky. 13 Amin'zay andro zay, dra ho sofy gny asiva lahibe; vo ho avy ze rava boak'agny amin'gny tanin'i Asyria, vo ze voaroaky tamin'gny tanin'i Egypta, hagnomia voninahisy an'i Yaveh egny an-tezovohisy masy agny Jerosalema.