Toko faha 26

1 Amin'zay andro zay tiky hira tiky gny hiray gny amin'gny tanin'gny Joda: mana tana fatrasy zahay; Zagnahary fa nanao gny famoze ho rindrin'zay vo tovon-tany ferova. 2 Voaho gny vavahady, bo ahafahan'gny firene mary ze mita finoa milisy ao. 3 Gny say ze mitoesy ao aminao, hotehirinao amin'gny fiadagna tateraky izy, akory mitoky aminao; 4 matokia an'i Yaveh mandrakariva; fa ao amin'i Yah, Yaveh, gny vatolapy sy mana-pahatapera. 5 fa hapizesy reo ze miay amim-piavognavogna Izy; gny tana mifefy harodany.Harodany amin'gny tany; fisahany egny amin'gny vovoky zay. 6 Ho voahisaky gny tombony gny mahatra vo gny lian'gny ory zay. 7 Voaravo gny lalan'gny olo-mary, Gny Mary, ahisinao gny lalan'gny mary. 8 Eka, amin'gny lalan'gny fisaranao, ry Yaveh, gny andignasanay Anao; gny Agnaranao vo gny lazanao gny fagnirianay. 9 Many Anao zaho no hariva; eka, mitalia Anao fatrasy gny fagnahy ato aminahy. Fa no fa avy etiky ambon'gny tany gny fisaranao, dra hahay gny fahamarigna gny ponin'gny tany. 10 Aoky haseho amin'gny rasy fagnahy gny sitraky, fa sy hahay gny fahamarigna zay izy. Agny amin'gny tanin'gny fahisia gny hanehoanay faharasia ka sy mahita gny voninahis'i yaveh. 11 Ry Yaveh, misondrosy tagnanao fe sy sikaris'ereo zay. Fe ho hitan'ereo gny zotp-ponao amin'gny vahoaky ka hala baraka, akory handevo andreo gny afon'ereo pifanigna aminao. 12 Ry Yaveh, hinday fiadagna ho anay Hanao; akory fa, nahavita reo asanay ho anao Hanao. 13 Ry Yaveh Zagnaharinay, tompo hafa maro ankoasy Anao gny fa nanapaky teo aminay; fe gny agnarano raiky avo gny siriritinay. 14 Maty ereo, fa sy bo ho velo; nodimandry ereo, fa sy bo hisanga. Avy tamin'gny fisara vatany Hanao sady handripaky anazy regny, ka hagnafoa gny fahasiarova andreo aby. 15 Fa napitombo gny firene Hanao, ry Yaveh, fa napitombo gny firene Hanao; fa nagnitasy reo farisy gny tany aby Hanao. 16 Ry Yaveh, tamin'gny horohoro gny nagnitian'ereo Anao; nibisiky vavaky ereo no fa tao amin'ereo gny fagnanaranao. 17 Manahaky gny apela bevoka mariny andro hiteraha, amin'gny fotoa mapihesi-zaza anazy dra mitaray amin'gny fiteraha, dra manahaky anizay koa zahay eo agnolonao, ry Tompo. 18 Fa ninday vohoky zahay, fa nihesi-zaza zahay, fe zay dra manahaky gny miteraky rivosy avo. Bo sy ninday famoze tamin'gny tany zahay, vo bo sy potraky reo ponin'gny tany. 19 Hisanga gny maty ao amiano; hisanga gny fatin'ereo. HIfoha ka hihira fifalia, hanao ze mitoesy amin'gny vovoky; fa gny andonao dra andom-pahazava, vo gny tany hinday mihoasy efasy heny reo maty aminazy ao. 20 Mandehana, ry vahoakiko, milira agny an'efitragnonao, ka hilio reo vatrangarandrareo; mivonia ao agnatin'gny fotoa visy, mandra-pahalasan'gny fahasosora. 21 Fa, ingo, fa hiala avy ao amin'gny toerany ba hagnasazy gny ponin'gny tany noho gny helok'ereo Yaveh; hapiharihary gny fandasahan-diony gny tany, vo sy hagnavony gny faty ao aminazy sasy.