Toko faha 25

1 Ry Yaveh, Zagnahariko hanao, hanondrosy anao Zaho, hisiriry gny agnaranao zaho, fa nanao raha-mahalasa hanao, raha fa nomagny ela, apatokisa tateraky. 2 Fa nataonao ho korotam-bato gny tana, vo gny tana voaro fatrasy, ho faharava, vo gny ferova fatrasy reo vahiny sy ho tana. 3 Ka dra hagnomia voninahisy anao reo olo mahery; hatahosy anao gny tanan'gny reo firene masiaky. 4 Fa fitoboha ferova ho an'gny olo mahatra, felofa ho an'ze ory ao amin'gny fahoriany_felofe amin'gny tafio-drivosy vo alokaloky amin'gny hafana. Naho manahaky gny tafio-ddrivosy hanohisy gny rindry gny fofonain'ireo masiaky, 5 vo manahaky gny hafana amin'gny tany maiky, gny nandresenao gny tabataban'ereo vahiny , manahaky gny haresen'gny aloky gny raho gny hafana dra manahaky anizay koa gny hamalia gny hiran'ireo masiaky. 6 Eto amy tiky tezovohisy tiky gny hanaovan'i Yaveh Tompon'gny lako fanasa amin'ireo raha matavy, amin'gny divay maro karazany, amin'gny laoky be soky, fanasa amin'gny divay fa niotriky ela ho an'gny vahoaky aby. 7 Horavay eto amy tiky tezovohisy tiky gny fandrakofa eo amin'gny vahoaky aby, gny tragnokala tenona eo amin'gny firenen'aby. 8 Hateliny mandrakizay gny fahafatesa, vo Yaveh Tompo hamafa gny ranomaso amin'gny tarehy aby, hoala amin'gny tany aby gny fahafaham-barakan'gny olony, fa Yaveh gny fa nizaka anizay. 9 Vo ho zakako amin'izay andro zay ho: " Ingo, tihoky gn Zagnaharisika; fa nandigny Anazy sika, vo Izy hamozy asika. Izy gny Yaveh, fa nandigny anazy sika, hifaly vo hiravo amin'gny famozeny sika." 10 Fa eto amy tiky tezovohisy tiky gny hizaharan'gny tagnan'i Yaveh; vo Moaba ho voahisakisaky amin'gny toerany, ndra dra voahisakisaky ao an-davaky feno zeziky aza gny maloto. 11 Namelasy gny tagnan'ereo teo agnivon'izay ereo, manahaky gny famelasy gny pisihagny tagnany no fa misiha. Fa Yaveh hapizesy gny avognavon'ereo ndre dra eo aza gny halakin'gny tagnan'ereo. 12 Gny fefy abo ferovanao dra hazesiny amin'gny tany, ho eo amin'gny vovoky.