Toko faha 24

1 Ingo, hagnafoa gny tany Yaveh, handrava anizay, hahalao anazy vo hapiely reo poniny. 2 Ho sahala amin'izay gny ho an'ireo poniny, gny pisoro; gny panopo, gny topony, piasa atragno; gny topovaviny, gny pivily, gny pivarosy; gny pagnomia trosa, gny pitrosa; gny pandray zanabola, vo pagnomia zanabola. 3 Ho rava tateraky gny tany sady ho foagna tateraky; akory Yaveh gny fa nizaka zay zaka zay. 4 Maiky vo malazo gny tany, milofoky vo malazo zao totolo zao, mihaosa gny olo malazan'gny tany. 5 Niloton'gny poniny gny tany akory fa nandika gny lalana, nagnota gny lily, sady nivaliky tamin'gny fagneke maharisy mandrakizay ereo. 6 Noho zay dra mandevo gny tany gny ozo, sady diso reo poniny. Ma reo ponin'gny tany, vo visy gny sisa tavela. 7 Maiky reo divay vaovao, malazo gny voaloboky, miseto aby reo faly am-po. 8 Misahasy gny feo mandrosirosin'gny apongatapaky, vo gny fitabataban'ereo mifaly; misahasy gny fifalia amin-dokanga. 9 Sy mino divay na mihira sasy ereo, vo gny toaky dra nafaisy ho an'ereo ze nino anizay. 10 v10 Rava gny tanan'gny fikorotagna, mihily sady foa aby reo tragno aby. 11 Misy tabataba nohon'gny divay egny an-dalambe; mezy gny haravoa, nazavo gny fifalia. 12 Faharava sisa gny eo amin'gny tana, vo gny vavahady dra potiky. 13 Fa sahala aminzay gny ho amin'gny tany aby eo amin'gny firene, manahaky gny hazo oliva voazera, manahaky gny fisiponam-boaloboky no fa vita gny fiotaza. 14 Handrasy gny feony sady hitoka gny voninahisin'Agnahary, vo hihiaky apifalia boak'amin'gny ranomasy ereo. 15 Noho zay dra makalaza an'i Yaveh agny asignana, magnomeza voninahisy gny agnaran'i Yaveh, gny Zagnaharin'Israely ao amin'ireo nosy. 16 Hatragny aparan'gny tany gny naharezanay hira ho: " Voninahisy ane ho an'gny mary!" Fa ho zaho ho: " Fa nihaosa zaho, fa nihaosa zaho, mbakany! Gny pamitaky dra ninday apitaky; eka, gny pamitaky dra vatany ninday apitaky vatany." 17 Amindrareo gny tahosy, gny lavaky, vo gny fandrky, ry ponin'gny tany. 18 Izy ze nilefa gny feon'gny fapihorohoroa dra ho lasaky ao an-davaky, vo izy ze miakasy boak'o an-davaky dra ho azon'gny fandriky. Hisokasy gny vatragnaran'gny lagnisy, vo reo fagnorenan'gny tany dra hiozongozo. 19 Ho rava tateraky gny tany, hitresaky gny tany; hiozongozo fatrasy gny tany. 20 Hivembe manahaky gny olo mamo gny tany sady hisingeva manahaky gny tragno bongo zay. Hivesasy amin'izay gny fahotany dra ho lavo zay dra sy hiary sasy. 21 Vo amin'zeho andro zeho dra hagnasazy gny miaramilan'gny abo agnabo, vo reo pazakan'gny tany etany etihoky i Yaveh. 22 Haharo ereo, gadra ao an-davaky, vo hisy ao apoza; vo afaky andro maromaro dra ho voasazy ereo. 23 Vo dra ho megnasy gny vola, sady ho afa-baraka gny masoandro, akory hazaka amin-boninahisy ao atezovohis'i Ziona vo ao Jerosalema, vo manoloa reo zokiolony i Yaveh tompon'gny lako.