Toko faha 23

1 Gny fitalilia mahakasijy an'i Tyro: Midradradradra, ndrareo ry sambon'i Tarsisy; fa sy misy ndre tragno ndre seragna; boaky tao amin'gny tanin'i Sipra gny nitalilia anizay tamin'ereo. 2 Misigna, ndrareo ry ponin'gny morosiraky; fa gny pivarosy ao Sidona, zay miasambo amin'gny ranomasy, dra fa nameno andrareo. 3 Teo ambonin'ireo rano lahibe gny nisy gny varin'i Sihora gny vokas'i Neily gny vokany;dra hizary varosy ho an'ireo firene zay. 4 Aoky ho megnasy, ry sidoana; fa nizaka gny ranomasy' dra gny mahery amin'gny ranomasy. Ho izy: " Sy bo nihesi-zaza zaho na niteraky, na nananga zatovolahy na niteza zatovovavy." 5 Ka no fa avy agny Egypta gny tatisy, dra halahelo mahakasiky an'i Tyro ereo. 6 Misakia an'i Tarsisy; midradradradra, ndrareo ry ponin'gny morosiraky. 7 Moa se nisy atminao zay, ry tana ravoravo, zay boak'amin'ireo fotoa taloha gny nipoirany, zay nandesin'gny tombony lavisy agny amin'reo toera vahiny bo htoerany? 8 Ia gny nikasa ze hagnoregna an'i Tyro, gny pagnomia reo zatro-boninahisy, gny pivarosy dra andrian-dahy, gny panakalo dra reo olo manam-boninahisy amin'gny tany? 9 Yaveh Tompon'gny maro fa nikasa anizay hangala baraka gny fiavognavonany vo gny voninahiny aby, bo hapamegnasy reo olo manam-boninahisy aby amin'gny tany. 10 Asao gny taninao, manahaky gny iasan'gny olo an'i Neily, ry zanakapelan'i Tarsisy. Sy misy sena sasy ao Tarsisy. 11 Fa nanizisy gny tagnany teo ambonin'gny ranomasy Yaveh, sady fa nangozongozo reo fazaka izy; fa nagnomia baiko nahakasiky an'i Fenisia, bo handrava reo fiarovanao fatrasy Izy. 12 Ho Izy: " Sy hifaly sasy hanao,ry virijiny ory zanakapelan'i Sidona; misangana; misakia ho agny Sipra; fe ndre dra agny aza dra sy hana-pisahhara hanao." 13 Atio gny tanin'i Kaldeana. fa sy nisy zasy reo vahoaky tao; fa nanao anizay ho efisy ho an'ireo bibidia reo Asyriana. Fa nananga reo tilikambony ereo; noravany reo lapan'izay; nataony ho atotam-paharava zay. 14 Midradradradra, handrareo ry sambon'i Tarsisy; fa nirava gny felofandrareo. 15 Amin'zeho andro zeho, dra ho aligno mandrisy gny fito tao i Tyro, manahaky reo andron'gny pazaka. Afarangny faran'gny fito tao dra hisy raha manahaky gny ao amin'gny hiran'gny pizangazanga hisy ao Tyro. 16 Mangala harpa, mandehandeha agny amin'gny tana, hanao ry pizangazanga nihalongoy; tendreo soa zay, mihira hira maro, ba ho saroa hanao. 17 Vo afarn'gny fito tao, dra hamozy an'i Tyro Yaveh, dra hanomboky hitalia vola amin'gny fanaova gny asan'gny pizangazanga ndraiky izy,sady hiasa ho an'gny fazakan'gny tany aby. 18 Hatoka ho an'i Yaveh gny tombonu vo gny fanagnany. Sy ho tehirizy na ho avory ao amin'gny firaketa reo, fa gny tombony dra hame reo ze mitoesy eo amin'gny fagnatrehan'i Yaveh vo apesay ba hamasy andreo amin'gny hany tondraky vo ba ahafahan'ereo mahazo gny akazo soa kalitao faratapony.