Toko faha 22

1 Fitalilia mahakasiky gny Lohasahan'gny Fahitana: Ino gny atony nandehanandrareo aby ho agny amin'reo tapon-tragno? 2 Gny bo haharezandrareo gny tana fena tabataba se, tana ze feno firavoravoa? Gny maty eo amin'iha dra sy matin'gny mesa, sady sy maty tamin'gny aly ereo. 3 Ereo panapaky an'iha aby nindray nilefa, fa voababo sy napiasa zana-sipiky ereo; ereo aby dra nindray voababo, ndre dra nilefa lavisy aza ereo. 4 Noho zay dra ho zaho ho: " Ka magnety anahy, fa hitomagny fatrasy dra fatrasy zaho; ka miezaky gny hapiono anahy mahakasiky gny faharavan'gny zanakapelan'gny oloko." 5 Fa misy gny andron'gny tabataba, fagnosihosia, vo fifazevoa ho an'gny Topo Yaveh Topon'gny maro, ao amin'gny Lohasaha'gny Fahitana, faharavan'reo fefy, vo gny olo mitokatoka fatrasy agny amin'reo tezovohisy. 6 Elama nangalaky gny tragno zana sipiky, nindray tamin'gny kalesan'ireo lelahy vo reo pitikisy sovaly vo Kira nangalaky gny fonon'gny apinga, 7 Fa reo lohasaha ze nifilinao vatany dra ho feno kalesy, vo reo piikisy sovaly dra hangalaky gny toerany eo am-bavahady. 8 Nangalaky gny fiarovan'i Joda Izy; vo tamin'zay andro zay hanao dra nagnety reo fitova-pialia eo amin'gny Lapan'gny ala. 9 Nahita gny bangan'gny tanan'i Davida ndrareo, fa maro reo,vo namory gny ranon'gny dobo ambany ndrareo. 10 Nagnisa gny akohonan'i Jerosalema ndrareo, vo nandroda reo tragno ba hagnamafisa gny fefy. 11 Namboasy fitahiriza teo agnelagnelan'reo fefy ro ndrareo ho an'gny ranon'gny dobo tranainy. Fa sy bo nihevisy gny pamoro gny tana ndrareo, zay nagmoma anizay fa ela. 12 Tamin'izay andro zay gny Tompo Yaveh Tompon'gny maro nitoka fitomagnia, fandala, fiaratan-doha, vo fanaova akazo fandala. 13 Fa ingo, kosa, gny fankalaza vo gny fifalia, gny famonoan'agnomby vo gny famonon'agnondry, fihinan-kena vo finoma divay, aoky sika hino vo hihina, fa ho faty sika hamaray. 14 Zao gny nizakan'i Yaveh Tompon'gny maro teo asofiko: " Eka vatany fa sy havela zay helokareo zay, eka fa ndre dra ho faty aza ndrareo," ho gny Tompo Yaveh Tompon'gny maro. 15 Gny Tompo Yaveh Tompon'gny maro, nizaka anizao: " Mandehana magnagny amin'gny pitandrin-draharaha, agny amin'i Sebna, zay manapaky gny tragno, vo zakao ho: 16 " Ino gny ahinao eto sady ia gny nagnomia alala anao handavaky lolo ho an'gny vatanao, hamboasy lolo egny ambony vo handavaky toera fizanogna egny amin'gny toera fizanogna egny amin'gny vatolapy?"' 17 Ingo, Yaveh fa hazera anao, lelahy mahery, hazera anao ambany, hagnisakisaky anao fatrasy vatany Izy. 18 Hagnakodiadia anao vatany Izy, sady hapisavoaravoara anao hanahaky gny laboly magnagny amin'gny tany malalaky. Agny gny hahafatesanao,vo ho agny koa reo kalesin'gny voninahisinao;hazary hegnasy ho an'gny tompon'gny tragnonao hanao! 19 " Ho roahiko hiala eo amin'gny raharahanao vo toeranao hanao. Haonga hanao. 20 Aminzeho andro zeho ZAho dra hitoka an'i Eliakima panopoko zanadahin'i Hilkia. 21 Hapiakazoako amin'gny akazo lavanao izy vo hasiako gny fehim-kibonao, vo hafindrako ho eo atagnany gny fahefanao. Ho ran'gny ponin'gny Jerosalema vo gny akohonan'gny Joda izy. 22 Hatobiko eo asorongony gny fagnalahilin'gny akohonan'gny Davida; hamoha izy, sady sy hisy hagnily, hagnily izy, vo sy hisy hamoha. 23 Hapitobohiko izy, manahaky gny ketoky amin'gny toera azo atoky, sady hazary toeram-boninahisy ho an'gny akohonan-drany izy. 24 Hahaton'ereo aminazy gny voninahisy gny akohonan-drany aby, gny zanany vo reo tarakiny, gny fanaky madiniky aby boak'amin'ireo kapoaky hatramin'gny tavoara aby. 25 Amin'zeho andro zeho_zao gny fitalilian'i Yaveh Tompon'gny maro_dra ho ala gny ketoky amin'gny toera fatras'ory, ho potehy sady ho azera, vo gny lanza amin'zay dra ho tapahy _fa Yaveh gny nizaka.