Toko faha 21

1 Fitalilia mahakasikin'gny tany efisy amoron-dranomasy. Manahaky gny tadio mamakivaky an'i Negeva gny hiavian'zay mandalo boak'agny agn'efisy, boak'agny amin'gny tany loza. 2 Fahitana mapasiaky gny name anahy: gny lelehy pamitaky dra namitaky, vo gny pandrava dra nandrava. Mekara dra sikino, ry Elama; ahivo fahirano, ry Mediana; hapisahasy gny tarainy aby Zaho. 3 Noho zay dra feno fanaitaigna gny valahako; fanaitaigna manahaky gny fanaitagnan'gny apela miteraky gny namatosy anahy; niondriky noho gny raha reko zaho. 4 Torotoro gny foko, mangovisy gny tahosy zaho. Gny hariva, fotoa akafiziko agnatin'gny andro, dra ninday horohoro ho anahy. 5 Nagnoma gny latabasy ereo, novelarin'ereo gny lamba firakosy dra nihina vo nino; misangana, ry andriandahy, osory dililo gny apingandrareo. 6 Fa zao gny nozakan'gny Tompo taminahy ho: " Mandehana, mametraky lelehy piamby raiky; sy maisy mitatisy ze hitany izy. 7 No fa mahita kalesy, pitikisy sovaly ro, pitikisy boriky, vo pitikisy kamela izy, dra tokony handiniky vo ho mahirasirasy." 8 Nitaray gny lelahy piamby ho: "Ry Tompo, teo amin'gny tilikambo fiambena zaho dra nizoro nadrisy gny raiky andro totolo, isan'andro, vo teo amin'gny toera-pitiliko gny nizoroko nandrisy gny hariva manotolo." 9 Ingo tamin'gny kalesy raiky mindray amin'gny lelahy raiky vo pitikisy sovaly ro. Nitoka mafy isy nanao ho: " Fa rava Babylona, rava, vo reo sary vongan'gny zagnahariny aby dra potiky amin'gny tany." 10 Ry nivelesy vo nisivagniko, zanaky gny tragno fandisanam-bariko! Ze reko tamin'i Yaveh Topon'gny maro, gny Zagnaharin'Israely, fa nambarako tamindrareo. 11 Fitalilia momban'i Edoma. Nisy raiky nitoka anahy boak'agny Seira ho: " Ry piamby, ombia gny hitaperany gny hariva? Ry piamby, ombia gny hitaperany gny hariva? 12 Ho gny piamby ho: " Ho avy gny maray vo gny hariva avo koa. No magniry gny anontany hanao, dra magnotania; vo miheregna ndraiky." 13 Fitalilia momban'i Arabia. Agny amin'gny tany efis'i Arabia gny andaniandrareo gny hariva, ry andian-Dedanita. 14 Mandesa rano ho an'gny mangetaheta; ry ponina ao amin'gny tanin'i Tema, senao amin'gny mofo reo pisoha-ponegna. 15 Fa ereo dra nilefa gny mesa, tamin'gny mesa voarendriky, tamin'gny sipiky voahenza, vo tamin'gny vesasy gny aly. 16 Fa zao gny nizakan'i Tompo taminahy ho: " Agnatin'gny tao raiky, manahaky gny hitan'gny piasa tany nokaramay mandrisy gny tao, dra hifara gny voninahis'i Kedara aby. 17 Pandefa sipiky, lelahy pialin'i Kedara keliky sisa gny ho tavela," akory Yaveh, gny Zagnaharin'Israely, gny fa nizaka.