Toko faha 20

1 Tamin'gny tao nahavian'i Trtana tao Asdoda, no fa nagniraky anazy i Sargona pazakan'i Asyria, dra nialy tamin'i Asdoda izy vo nangalaky anizay. 2 Tamin'zay fotoa zay i yaveh dra niresaky tamin'i Isaia zanadahin'i Amoza sady nizaka ho: " Mandehana dra alao gny lamba fandala egny amin'gny andilanao vo gny kapa egny atombonao." Dra nahiny zay, nandeha sy misiky vo sy nagnisy kapa. 3 Ho Yaveh ho: " Manahaky gny nandehan'Isaia sy misiky vo sy nagnisy kapa nandrisy gny telo tao, dra famatara vo talily mahakasiky an'i Egypta vo mahakasiky an'i Etiopia zay--- 4 amin'zeho fomba zeho gny hitarihan'gny pazakan'i Asyria reo bobon'i Egypta, vo reo sesi-tanin'i Etiopia, tanora vo antisy, sy misiky vo sy magniky kapa, vo mindray amin'gny vody sy miarakosy, ho amin'gny fahamegnaran'i Egypta. 5 Hatahosy vo ho magnasy ereo, akory nalain'i Etiopia gny fagnatenan'ereo vo nalan'i Egypta gny voninahis'ereo. 6 Amin'zeho andro zeho gny ponin'reo sisin-tany reo dra hizaka ho: 'Loharanon'gny fagnatenanay vatany zay, zay nilefanay ba hitalia fagnapia voaavosy amin'gny pazakan'i Asyria, vo amizao, akory gny ahafahanay milefa?"'