Toko faha 16

1 Andefaso agnomby aman'osy gny panapaky gny tany avy agny Sela agny an'efisy, hatragny amin'gny tezovohisy gny zanakapelan'i Ziona. 2 Manahaky reo voro pirenireny, manahaky gny akany miparitaky, ka gny valin'i Moaba dra ho ao amin'gny fintana agny amin'gny reniranon'i Arnona. 3 Magnomeza hevisy, apiharo gny rariny, magnomeza alokaloky manahaky gny hariva amin'gny mitavovogna; hafeno reo pilefa; ka mamadiky reo pienga. 4 Aoky hitoby ami-ndrareo eo ereo, ry pienga toby laha tagny Moaba; meteza ho toera fivonia ho an'ereo amin'gny pandrnga." Fa hizano gny fapahoria, vo hisahasy gny fandrava, reo ze nanosihosy dra hazavo amin'gny tany. 5 Hatoby amin'gny fagneke mahatoky gny seza fiandriana; vo gny raiky laha tamin'gny lain'i Davida dra hitoby ao apahatokia. Hisara manahaky gny fitaliava gny rariny izy sady hanao fahamarigna. 6 Nahare gny avognavon'i Moaba zahay, gny fireharehany, gny fihoa-bavany, vo gny haoriany. Fa gny fireharehany dra zaka avo. 7 Ka midradradradra ho an'i Moaba i Moaba_Midradradradra ereo aby! Mandala ho an'gny apepam-boalobok'i 8 Nihamaiky manahaky reo voalobok'i Sibma reo sahan'i Hesboma. Gny panapaky amin'gny firene dra nagnosihosy reo safidim-boaloboky zay avy hatragny Jazera vo niparitaky tagny an'efisy.Niely tegny ivelany reo sapany, nandeha manera gny ranomasy reo. 9 Dra hitomagny miaraky amin'i Jazera ho an'gny voalobok'i Sibma vatany zaho. Hanondraky an'iha amin'gny ranomasiko zaho, ry Hesbona, sy Elale. Fa teo amin'reo sahan'gny vihy lohatao vo gny vokasy gny namaragnako reo kiaki-pifalia. 10 Nala tamon'gny alan'gny hazo fihinam-boa gny fifalia vo firavoravoa, vo sy misy hira na kiaky amin'gny tanim-boaloboky ao. Sy hisy dre ia ndre ia hagnisaky divay ami'gny famiaza ao, fa nasasiko reo hiakin'gny raiky zay magnisaky. 11 Ka miseto manahaky gny harpa ho an'i Moaba gny foko, vo gny agnatiko ao ho an'i Kira Hareseta. 12 No fa mapisiky gn'ainy agny amin'gny toera abo i Moaba ka milisy gny tepoliny bo hivavaky, dra sy hahataterak ndre ino ndre ino gny vavany. 13 Zay gny zaka zay nozakain'i Yaveh mahakaisky an'i Moabna teo aloha. 14 Mizaka ndraiky Yaveh ho: " Agnatin'gny telo tao, dra hazavo gny voninahis'i Moaba, ndre dra lako aza gny olony, dra ho keliky sisa tavela sady sy hisy dikany.