Toko faha 15

1 Fagnambara mahakasiky an'i Moaba. Eka vatany, agnatin'gny hariva raiky dra foa vo potiky i Ara-moaba; eka vatany, agnatin'gny hariva raiky dra foa vo potiky i Kira-moaba. 2 Niakasy mho agny antepoly ereo,niakasy ho agny atapony gny olon'i Dibona ba hitomagny; mitomagny ao Nebo vo ao MKedeba i Moaba. Voiaharasy ho solagny lohan'ereo sady voatapaky gny volom-bavan'ereo aby. 3 Misiky lamba fandala ereo amin'gny lalan'ereo; midradradradra eo amin'gny tapo-tragno vo egny an-kiaza gny kirairaiky, ketraky gny tomagny. 4 Mitoka vozy i Hesbona vo Elale; re hatragny Jahaza gny feon'ereo. Ka mitoka vozy reo lelahin'i Moaba mita-pelia; matahosy agnatin'ereo ao avo ereo. 5 Mitomagny ho an'i Moaba gny foko; milefa ho agny Zoara vo Elgeta-selisia reo pilefa. Miakasy agny amin'gny fekaran'i Lonita am-pitomagnia ereo; midradradradra fatrasy gny amin'gny fahasimbany amin'gny lala ho agny Horonaima ereo. 6 risy reo ranon'i Nimrima, malazo reo ahisy vo maty reo simok'ahisy; sy misy ndre ino ndre ino meso. 7 Ze iaby napitobony vo navorin'ereo dra nandesin'ereo agny an-dohasahan-driakin'gny hazomalahelo. 8 Nagnera gny faritanin'i Moaba gny tomagny; hatragny Eglaima vo Ber-elima gny fidradradradra. 9 Fa feno lio gny ranon'i Dimona. Hanafiky ze tafenga avy ao Moabya vo reo sisa tavela eo amin'gny tany gny liona.