Toko faha 14

1 Hiferegnay an'i Jakoba i Yaveh; hifily an'Israely ndraiky Izy vo hangery an'ereo amin'gny taniny ao. Hikamba amin'ereo gny vahiny vo hapifamatosy gny vatany amin'gny akohonan'i Jakoba. 2 Hinday anazy reo agny amin'gny toera reo firene. Dra hinday an'ereo agny amin'gny tanin'i Yaveh ho panopo lahy vo apela gny akonhonan'Israely. Hambabo reo ze fa nambabo anazy ereo, sady hanapaky reo papizaly anazy. 3 Amin'gny andro ze hagnomezan'i Yaveh fisahara ho an'iha ammin'gny fizalia vo gny fangirifiria, vo amin'gny asa fatrasy zay take ho tateraha-ndrareo, 4 dra hihira zeho hira fagnesoa ho an'gny pazakan'i Babylona zeho ndrareo ho: " Edray vita gny ammin'gny papizaly, tapisy gny fahavignira mieboebo! 5 Fa namotiky gny tehin'gny rasy fagnahy Yaveh, gny tehim-pazakan'reo panapaky reo, 6 zay namely gny vahoaky amin'gny fahasiaha amin'gny zera sy miato, zay manapaky reo firene tamim-pasiaha, tamin'gny fanafihazay sy nisahasy. 7 Misahasy vo mandry gny tany manotolo; manoboky makalaza amin'gny hira ereo. 8 Ndre dra gny hazo kypreso aza dra mifaly amin'iha mbamin'gny sederan'i Libanona, ho ereo: 'koa akory nahetry ambany hanao, dra sy nisy panapaky hazo niakasy ba hikapa anay; 9 Miamby fatrasy gny hisena an'iha gny Fiegna-sy hita ambany magnagny hanao. Mamoha gny maty ho zay, ry pazakan'gny tany aby, mapisanga an'ereo eo amin'gny seza fiandriagna, vo pazakan'gny firene aby. 10 Hizaka aby ereo aby sady hanao ami'iha ho: 'Fa avy malemy manahaky hanao. 11 Fa naily ho agny amin'gny fiegna-sy hita tamin'gny feom-balihan'iha gny voninahisinao. Miparitaky eo ambanin'iha gny olisy,vo mandrakosy anao gny haka! 12 Akory gny niazeran'iha avy agny an-dagnisy, ry kitan'gny andro, zanaky gny maray! Akory gny hanapaha an'iha amin'gny tany, hanao zay nandresy gnyn firene! 13 Fa nizaka aponao tao hanao ho: "Hiakasy ho agny andagnisy zaho, hanandrasy gny seza fiandrianako ambon'gny kitan'Zagnahary zaho, vo hitoby eo an-tezovohisy gny fiangona, agny amin'gny farany lavisy hny avarasy. 14 Hiakasy ambon'reo raho abo zaho; ahiko manahaky gny Zagnahary Abo Vatany gny tegnako.' 15 Kanefa nahily tagny amin'gny fiaigna-sy hita hanao, tagny amin'gny lalikin'gny lavaky. 16 Reo zay mahita anao dra handiniky anao dra hiteno anao ereo. Hanao ereo ho: ' Moa tahoky gny lelahy nampangitakitaky gny tany,zay napihozohozo reo fazaka, 17 zay nanao zao totolo zao hanahaky gny efisy, zay nandrava reo tananan'zay vo sy nanenga reo gadrany holy?' 18 Gny pazaka aby eo amin'ireo firene, izy aby dra mandry amim-boninahisy,gny kiraidraiky samby amin'gny lolony ao aby. 19 Fe hanao dra halagny amin'gny lolonao manahaky gny rasakazo naria. Mandrakosy anao manahaky gny fekazoa gny maty, dra reo zay notrobara tamin-sabasy, zay mizoso agny amin'gny vaton'gny lavaky. 20 Sy halevy manahaky anazy reo hanao, akory fa namotiky gny tamin'iha vo namono gny vahoakin'iha. Gny taranaky gny panao rasy dra sy ho tognony sasy." 21 Omany ho an'gny zanany gny famonoan'iha, ho an'gny helok'ereo razambeny, ba sy hisanga ereo dra hangalaky gny tany vo hameno zao totolo zao amin'gny tana. 22 "hisanga hanohisy an'ereo Zaho"---zay gny fagnambaran'i Yaveh Tompon'gny lako. Ho foagnako hiala amin'gny Babylona gny agnara,gny ao taranaky. vo gny hare"---zay gny fagnambaran'i Yaveh. 23 "Hahiko ho amin'gny fanagnan'gny vorondolo ao avo koa izy, vo amin'gny dobon-drano, vo ho fafako amin'gny kifafan'gny fandringana izy"---zay gny fagnambaran'i Yaveh Tompn'gny maro. 24 Fa nifata Yaveh tompn'gny maro ho: "Araky gny fa nikasako vatany, gny hiseho; vo araky gny fa nikendreko dra zay gny ho izy: 25 Ho potehiko amin'gny tany ao gny Asyriana,vo hisahiko ambany tomboko, eo amin'reo tezovohisy izy. Dra halako hiala amin'ereo gny ziogany vo hiala eo amin''gny hatok'erao gny eta-mavesasiny." 26 Izay gny fikasa ze nikasay ho an'gny tany totolo, sady zay gny tagna ze fa nisandrasy ao amin'gny firenen'aby. 27 Fa niria an'zay Yaveh Tompon'gny lako; ia gny hahasaka Anazy? Misandrasy gny tagnany, ka ia gny hapihemosy anzay? 28 Tamin'gny tao ze nahafatesan'i Ahaza pazaka gny nahavian'zao fagnambara zao ho: 29 Ka mifaly, handrareo ry Filistiana aby, fa tapaky gny sorakazo zay namely andrareo. Fa avy amin'gny fakan'gny bibilava gny hiboahan'gny menarana, vo gny haterakiny dra ho bibilava mirehisy mitily. 30 Hapihina reo agnondriny eo amin'gny fihinanam-biloko gny lahimatoan'gny mahatra, vo handry amim-pilamigna gny mizaly. Hovonolo amin'gny mosary ze hahafaty gny sisa velo ami-ndrareo gny faka-ndrareo. 31 Midradradradra, ry vavahady, ry tana; ndrareo aby dra hiepo aby, ry Filistia. Fa avy ao avarasy gny hiavin'gny raho-setroky , vo sy miala eo an-daharany. 32 Koa akory gny hamalian'gny olo gny irak'izay firene zay? Fa hitan'Yaveh gny nagnory an'i Ziona, vo ao aminazy gny hahitan'gny mizaly amin'gny olony felofa.