Toko faha 9

1 Ka mifaly, amin'gny hafalia manahaky reo olo hafa, ry Israely. Fa sy nahatoky hanao, nahafo gny Zagnahariniha. Tianiha gny mandoa gny karama agnatahin'gny pivaro-bata amin'gny famoloa aby. 2 Fa gny famoloa vo gny famiaza dra sy hamaha andreo; handiso fagnatena andreo gny divay vaovao. 3 Sy hitoesy ao amin'gny tanin'i Yaveh sasy ereo; fe koa, hihery agny Egypta i Efaima, vo ndraiky andro ereo dra hihina sakafo maloto agny Asyria. 4 Sy handraraky fagnatisy divay ho an'i Yaveh ereo, na hankasitrahiny. Hanahaky gny sakafon'gny pandala aminazy gny soron'ereo: ze iaby mihina anizeho dra ho voaloto. Fa gny sakafon'ereo dra ho andreo avo; sy hilisy gny fasangen'i Yaveh zeho. 5 Ino gny ho aindrareo amin'gny andron'gny firavoravoa voatondro, amin'gny andron'gny firavoravoa ho an'i Yaveh? 6 Fa, ingo, no afaky milefa amin'gny fandripaha ereo, dra hamory andro Egypta, vo handevy andreo i Memfisa. No gny amin'ireo hare volafosin'ereo--- ho lasan'gny silo maragnisy reo, vo hameno gny lain'ereo gny silo. 7 Ho avy gny andro fatrokafa; avy gny andro famalia. Aoky ho fatasy gny Israely aby reo raha reo. Mola gny paminany, vovery say gny olo azon-sindrimandry, nohon'gny helokindrareo lahibe vo gny fandrafiandrareo lahibe. 8 Gny paminany gny piamby an'i Efraima hoan'gny Zagnahariko. Fa misy fandri-boro amin'gny lalany aby, vo gny falegnany anazy dra ao am-pasangen'gny Zagnahariny. 9 Fa nanimba toetry fatrasy manahaky gny tamin'gny andron'i Gibea ereo. Ho saroan'Agnahary gny helok'ereo, dra ho faiziny gny fahotan'ereo. 10 Ho Yaveh ho: "Nofa an'Israely Zaho, dra manahaky gny ho nahita voaloboky tagny an'efisy. Manahaky gny voloham-bihin'gny fotoan'gny aviavy, dra nahita gny razambendrareo Zaho. Fa nagnagny Bala-peora ereo, dra nanoka-bata tamin'izeho sapy mahamegnasy zeho. Nazary mapadikidiky sahala gny sapy nitiaviny ereo. 11 No gny amin'i Efraima, dra hitily manahaky gny voro gny voninahis'ereo. Sy hisy fahateraha, sy hisy fanagnan'anaky, sady sy hisy torotorogny. 12 Ndre dra niteza zaza aza ereo, dra ho alaiko ereo dra sy hisy ho tavela. Loza ho andreo nofa mivaliky amin'ereo Zaho! 13 Fa nahita na'i Efraima Zaho, manahaky an'i Tyro, nambole teo amin'gny tanin'ahisy, fa Efraima dra handay reo zanany ho agny amin'gny olon-kafa ze hamono andreo." 14 Omeo ereo, ry Yaveh--- ino gny homeniha andreo? Omeo troky sy mahazo zaza vo nono ze sy magnome ronono ereo. 15 " Noho gny faharasian'ereo aby tagny Gilgala, ze nankalegnako andreo volohany. Noho gny asan'ereo feno fahota, dra ho roasiko hiboaky gny fasangeko ereo. Sy ho tia andreo sasy Zaho; pikomy aby reo manam-pahefan'ereo. 16 Misy arety Efraima, sady amiky fakan'ereo; sy mamoa reo. Ndre dra manan-zanaky aza ereo, dra ho vonoko gny zanaky malalan'ereo." 17 Ho arin'gny Zagnahariko ereo aory sy nagneky Anazy. Hazary pirerirery eo amin'ireo firene ereo.