Toko faha 10

1 Israely dra voaloboky mandrobo ze mamokasy gny vihiny. Araky gny nitomboan'gny vihiny, gny hamaro gny alitara nahiny. Araky gny namokaran'gny taniny maro, gny nagnasoavany reo andrim-batony. 2 Mamitaky gny fon'ereo; androany dra sy mainsy hibaby gny helony ereo. Ho arodan'i Yaveh gny alitaran'ereo; ho ravany reo andim-batony. 3 Fa hizaka ereo ho: "Sy mana pazaka sika, akory sika sy natahosy an'i Yaveh, vo gny pazaka--- ino gny mety ho ahy amisika?" 4 Nizakazakany fahatany ereo dra nanao faneke tamin'gny fiainan-sy to. Dra nisismoky manahaky gny ahi-drast misy poizy egny am-bavasa egny an-saha gny rariny. 5 Gny ponin'i Samaria dra hatahosy noho reo agnombin'i betavena. Nandala teo amin'ereo gny vahoakiny, manahaky gny nahin'ireo pisoro panopo sapy ze fa niravoravo teo amin'ereo vo gny famirapitaran'ereo, fe sy agny sasy ereo. 6 Ho andesy agny asyria ho fagnomeza ho an'gny pazaka lahibe ereo. Ho afa-baraky Efraima, dra ho menasy amin'ireo sapiny Israely. 7 Ho rava manahaky gny tapa-kazo eo ambony rano gny pazakan'i Samaria. 8 Ho rava gny toera abon'gny faharasia aby. Zeho gny fahotan'Israely! gny silo vo gny ahisy dra hitombo eo amin'gny alitaran'ereo. Hizaka amin'gny tendrombohisy gny vahoaky ho: "Sarony zahay!" vo amin'gny havoa ho: "Milavoa aminay!" 9 " Ry Israely, fa hatramin'gny andron'i Gibea hanao gny nanota; tagny hanao gny nitoesy. Sy hahatratry reo zanaky gny rasy ao Gibea se gny aly? 10 No sitrako zeho, dra hagnafay andreo Zaho. Hindray hivondro hanohisy andreo gny firene dra hametraky andreo amin'gny fatotry noho gny helok'ereo misoso. 11 Efraima dra agnomy vavy keliky voafolaky ze tia mively vary, dra hagnisy zioga eo amin'gny vozony soa tarehy Zaho. Hanisy zioga eo amin'i Efraima Zaho; hiasa tagny i Joda; Jakoba avo gny hisinto gny fandravogna. 12 Mamafaza fahamarigna ho an'gny vatandrareo, dra zinzao gny Mamafaza fahamarigna ho an'gny vatandrareo, dra zinzao gny sy fivadiham-paneke. Vakio gny tany mbo sy nohasaindrareo, fa fotoa hitaliava an'i Yaveh zao, mandram-piaviny vo handasahany fahamarigna eo amindrareo. 13 Fa namboly faharasia handrareo; dra nizinza gny sy rariny. Fa nihina gny vihin'gny fitaky handrareo akory nahatoky reo paikalindrareo vo reo miaramilandrareo maro. 14 Dra hisy tabataba'aly eo amin'ireo vahoakiniha, dra ho rava reo tananiha voaaro fatrasy aby. Hanahaky an'i Bet-arbela niravan'i Salamana tamin'gny andron'gny aly zeho, nofa torotoro nindray tamin'ireo zanany reo regny. 15 Dra niseho aminiha zeho, ry Betela, noho gny halahiben'gny faharasianiha. Vo marandray gny hangala tateraky gny pazakn'Israely."