Toko faha 11

1 " Tamy mbo tovolahy Israely dra nitiaviko, dra nitoka gny zanadahiko hiboaky an'i Egypta Zaho. 2 Arakaraky gny nitokava andreo, gny nagnalaviran'ereo Anahy. Dra nanao soro ho an'i Bala sady nagnoro gny ditin-kazo magnisy ho an'gny sapy ereo. 3 Fe Zaho gny napianasy an'i Efraima handeha. Zaho gny nitrotro andreo teo amin'gny sandriny, fe sy fatan'ereo fa nikarakara andreo Zaho. 4 Tamin'gny kofehin'gny maha-olombelo gny nitaritako andreo, tamin'gny fatoran'gny fitiava. Manahaky gny olo ze nagnameva gny zioga teo amin'gny valagnoran'ereo Zaho, dra niondriky teo amin'ereo Zaho dra namaha andreo. 5 Sy hihery agny amin'gny tanin'i Egypta se ereo? Sy hanapaky eo amin'ereo se Asyria akory manda gny hihery aminahy ereo? 6 Hilasaky amin'gny tanan'ereo gny mesa dra hamotiky gny hilin'gny vavahadiny; handrava andreo zeho noho gny tetik'ereo avo. 7 Nanapa-kevisy gny hiala aminahy gny oloko. Ndre dra mitoka Gny Avo Indrindra aza ereo, dra sy hisy ndre raiky aza hagnapy andreo. 8 Akory gny hagnengako aniha, ry Efraima? Akory gny hanolorako aniha, ry Israely?Akory gny hanaovako aniha manahaky ani'i Adma? Akory gny hanaovako aniha manahaky an'i Zeboima? Niova gny tao agnatin'gny foko; fa niakasy gny fangoraham-poko aby? 9 Sy hagnatateraky gny fahavignirako Zaho; sy handripaky an'i Efraima sasy. Fa Zagnhary Zaho fa sy olo; Zaho gny Masy eo amindrareo, dra ho avy amin'gny hahoria Zaho. 10 Hagnaraky an'i Yaveh ereo; dra hierosy manahaky gny liona Izy. Nofa mierosy Izy, dra ho avy am-pangitangitaha lat'agny andrefa reo zanany. 11 Ho avy am-pangovita manahaky gny voro lat'agny Egypta ereo, manahaky gny voromailala lat'agny amin'gny tanin'i Asyria. Hapitoeriko ao an-tragnony ereo--- zeho gny fagnambaran'i Yaveh. 12 Holilinin'i Efraima amin'gny vandy zaho, vo gny taranak'Israely amin'gny fitaky. Fe Joda dra mbo mindray aminahy, Zagnahary , sady mahatoky Anahy, gny Raiky Masy."