Toko faha 12

1 Efraima mihinan-sioky dra magnaraky sioky lat'agny asinagna. Mapitombo isa reo vandy vo herisetry mandrakariva izy. Manao faneke mindray amin'i Asyria dra manday menaky oliva ho agny Egypta ereo. 2 Mana aly amin'i Joda avo koa i Yaveh sady hagnafay an'i Jakoba noho reo ze nahiny; hamaly anazy Izy noho reo asany. 3 Tao an-troky gny nitan'i Jakoba gny rahalahiny tamin'gny vodi-tombony, vo tamin'gny fahalahibiazany gny nialiany tamin'Agnahary. 4 Nialy tamin'gny anzely izy dra naharesy. Nitomay sady nitaray ho an'gny sitrany izy. Nahita an'Agnahary tao Betela izy; tagny gny niresahan'Agnahary taminazy. 5 Zeho gny Yaveh, gny Zagnahary tompon'gny maro; "Yaveh" gny agnarany hitokava Anazy. 6 Dra miheregna amin'gny Zagnaharindrareo. Tandremo gny faneke mahatoky vo gny rariny, dra mahadignasa mandrakariva an'Agnaharindrareo. 7 Gny pivarosy dra mana mizana diso eo an-tagnan'ereo; tia fanambaka ereo. 8 Ho Efraima ho: "Nazary nanan-karena be vatany zaho; nahita harena ho an'gny vatako zaho. Sy hahita heloky aminahy amin'gny asako aby ereo, ze iaby mety ho fahota." 9 "Zaho gny Yaveh Zagnaharindrareo boaky agnyamin'gny tany Egypta. Hatobiko agnaty lay ndraiky handrareo, manahaky gny tamin'gny firavoravoa voatondro. 10 Nizaka tamin'ireo paminany Zaho, dra nagnome fahita maro ho andreo ho aniha. Tamin'gny tagnan'ireo paminany nagnomezako fagnohara." 11 No misy fahasitragna ao Gileada, dra raha fahatany vatany gny olo. Ahin'ereo soro ao Gilgala reo agnombilahy; hanahaky gny antontam-bato ao agnatin'ireo saham-bavasa gny alitaran'ereo. 12 Nilefa ho agny amin'gny tanin'i Syria i Jakoba; niasa so hahazo valy i Israely; dra niaraky agnondry aman'osy izy so hahazo valy. 13 Nanday gny Israely hiboaky gny tany Egypta tamin'gny alalan'gny paminany i Yaveh, vo tamin'gny alalan'gny paminany gny nikarakarany andreo. 14 Nahaory fatrasy an'i Yaveh i Efraima. Noho zeho dra hanenga gny liony eo aminazy gny Tompony dra hapihery aminazy gny fahafaham-barakany.