Toko faha 13

1 " Nofa mizaka i Efraima, dra nisy hovihovisy. Nanandrasy gny vatany tagny Israely izy, fe nazary meloky noho gny fanopoa an'i Bala izy, dra maty. 2 Miha-manota ahatragny ereo amizao. Manao sary sokisy vy amin'gny volafosiny eeo, sapy nahy soa araky ze azo nahy, reho iaby reho dra san'gny panao asa tagna. Nizak gny amin'ereo gny olo ho: 'Reo olo ze manao soro reo dra magnoroky zanak'agnomby.' 3 Dra hanahaky gny rahon'gny maraindray ereo, manahaky gny ando ze mora maiky, manahaky gny akofa ze siofin'gny sioky boaky eo amin'gny famoloa, sady manahaky gny setroky miboaky amin'gny fiboahan-setroky. 4 Fa Zaho gny Yaveh Zagnaharindrareo boaky amin'gny tany Egypta. Aoky handrareo sy hagneky Zagnahary laha-sy Zaho avo; aoky handrareo hagneky fa ankoasy Anahy, dra sy misy pamonzy hafa. 5 Fatako handrareo tagny an-tany efisy, tagny amin'gny tany fahamaiky lahibe. 6 Nofa nana ahisy handrareo, dra visy; vo nofa voky handrareo, dra nisandrasy gny fondrareo. Noho zeho antony zeho dra nagnaligno Anahy handrareo. 7 Ho lasa manahaky gny liona ho andreo Zaho; sahala gny leoparda gny hiambenako magnaraky gny lala. 8 Hanzera andreo manahaky gny bera very anaky Zaho. Handriasy gny tratran'ereo Zaho, sady handrapaky andreo eo amanahaky gny liona, manahaky gny hamiraviran'gny bibidia andreo Zaho. 9 Handripaky andrareo Zaho, ry Israely; ia gny afaky hagnapy andrareo? 10 Eza gny pazakandrareo zao, so hagnavosy andrareo agny amin'gny tanandrareo aby? Eza reo pazakandrareo, ze fa nizakandrareo taminahy ho: 'Omeo pazaka vo andrian-dahy zaho'? 11 Nagnome andrareo pazaka tamin'gny hahoriako Zaho, sady nangalaky anazy tamin'gny fahavignirako. 12 Fa nitahirizy gny helok'i Efraima; nitahirizy gny helony. 13 Gny fangirifirian'gny fiteraha dra ho avy aminazy eo, fa gny zanadahy dra sy manam-pahendre izy, akory nofa avy gny fotoa ahateraha, dra sy miboaky lat'ao am-bohoky izy. 14 Hamonzy andreo amin'gny tagnan'gny fiainan-sy hita se Zaho? Hamonzy andreo amin'gny fahafatesa se Zaho? Eza, ry fahafatesa, gny areti-mandripakiniha? Eza, ry fiainan-sy hita, gny fandripahaniha? Mivony amin'gny masoko gny fangoraha." 15 Ndre dra nanan-karena teo amin'ireo rahalahiny aza i Efraima, dra hisy rivosy boaky agny asinagna ho avy; hisioky lat'agny an-tany efisy gny siok'i Yaveh. Gny loharanon'i Efraima dra ho risy, vo gny fansakany dra hisy rano. Handroba gny tragno fitahiriza gny raha sarobidy aby gny fahavalony. 16 Ho meloky i Samaria, akory nikomy nanohisy gny Zagnahariny isy. Ho lavon'gny mesa ereo; ho torotoro reo zanany mbo tanora, dra ho triariny reo renin'ereo manday vohoky