Toko faha 14

1 Ry Israely, miheregna amin'i Yaveh Zagnahariniha, fa lavo tamin'gny helokiniha hanao. 2 Mandesa zaka dra miheregna amin'i Yaveh. Zakao Anazy ho: "Alao gny helokay aby dra ekeo ze soa, so ho afaky hanolosy gny vokasy gny sogninay ho Aniha zahay. 3 Asyria dra sy hagnavosy asika; sy hitikisy sovaly ho agny amin'gny aly sika. Na hizaka amin'gny asan'gny tagnasika sasy ho: 'zagnaharinay hanao,' fa ao Aminiha gny kamboty gny mahazo fangoraham-po." 4 Hagnasitra gny fivalihan'ereo Zaho; hitia malalaky andreo Zaho, fa hiala aminazy gny hahoriako. 5 Hanahaky gny ando Zaho amin'Israely; hamony manahaky gny lilia vo hamaka manahaky gny sedera ao Libanona izy. 6 Hisandrahaky reo sapany; hanahaky reo hazon'oliva gny hasoany, vo gny hagnisy mameroverony dra manahaky reo sedera eo Libanona. 7 Gny olo ze mitoboky ao amin'gny alony dra hihery; ho velombelo manahaky gny vihy ereo dra hisimoky manahaky gny voaloboky. Hanahaky gny divain'i Libanona gny lazany. 8 Ry Efraima, ino avo koa gny mbo azoko ahiko amin'gny sapy? Hamaly anazy Zaho dra hikarakara anazy. Manahaky gny kypreso ze maiso ravy mandrakariva Zaho; boaky Aminahy gny hisirian'gny vihiniha." 9 Ia gny henry dra hahatakasy reo raha reo? Ia gny mahatakasy reho raha reho dra hahay anazy reo izy? Fa mahisy reo lalagnan'i Yave, vo gny mary dra handeha amin'ireo, fa gny pikomy dra ho tafitohy amin'ireo.