Toko faha 8

1 " Ametraho anzomara eo amin'gny sogniniha! Misy voromahery avy eo amin'gny fasangen'i Yaveh akory nandika gny fanekeko sady nikomy nanohisy gny lalagnako gny olo. 2 Mitaray Aminahy ereo ho: 'Ry Zagnahariko, zahay aty Israely dra mahafatasy Aniha.' 3 Fe Israely dra fa nagnary ze soa, vo gny fahavalo hagnitriky anazy. 4 Fa nametraky reo pazaka ereo, fe sy boaky taminahy. Fa nametraky andrian-dahy ereo, fe sy tamin'gny fahalalako. Tamin'gny volafosiny vo gny volamenany gny fa nagnamboarany gny sapy ho an'gny vatany, fe zeho dra bo hamongora andreo avo." 5 "Nilavy gny zanak'agnombiniha, ry Samaria. Mirehisy amin'ireo olo reo gny hahoriako. Fa mandra-pombia gny hizano ho meliky ereo? 6 a zeho sapy zeho dra avy tao Israely; gny piasa gny nanao anizeho; sy Zagnahary zeho! Ho tetitetehy gny zanak'agnombin'i Samaria. 7 Fa gny olo mamafy sioky dra mizinza talio. Sy misy salohiny gny vary misiry egny an-saha; sy misy vetiny gny vokas'izeho. No lasa matoy zeho, dra handrapaky anizeho gny vahiny. 8 Dra voately Israely; androany mavandy eo amin'ireo firene manahaky gny raha sy misy ila anazy ereo. 9 Fa niakasy tagny Asyria manahaky gny ampondra-dia mandeha raiky ereo. Fa nagnakarama pitia gny vatany i Efraima. 10 Ndre dra fa nagnakarama olon-tia eo amin'ireo firene aza ereo, androany dra hamory andreo miaraky Zaho. Hanomboky hihaosa ereo nohon'gny fapahorian'gny pazakan'ireo andrian-dahy. 11 Fa napitomo reo alitara ho an'gny fagnatisy noho gny ota i Efraima, fe fa nazary alitara ho amin'gny fanota zeho. 12 Afaky nanorasy gny lalagnako ndraiky hariva ho andreo Zaho, fe ereo handramby anizeho manahaky gny raha hafahafa aminazy. 13 No gny amin'ireo soron'gny fagnatiko, dra manao soro hena ereo dra mihina anizeho, fe Zaho, Yaveh, dra sy magneky reo. Androany hieriserisy gny mahakasiny gny helony Zaho dra hagnasazy gny amin'gny otany. Hihery agny Egypta ereo. 14 Israely dra fa nagnaligno Anahy, Panao anazy, sady fa nagnory lapa. Fa nagnamafy tana maro i Joda, fe handefa afo eo amin'ireo tanany Zaho; handripaky reo ferovany fatrasy zeho.