Toko faha 7

1 Isaky gny ta-hagnasitra an'Israely Zaho, dra miseho gny fahotan'i Efraima, vo gny asa rasin'i Samaria, akory mamitaky ereo; avy gny pangalasy, vo gny andia pandroba manafiky egny an-dalambe. 2 Sy sapan'ereo tao am-pony fa saroako gny asa rasiny aby. Amizao mihodidy eo amin'ereo gny asany; magnoloa gny tarehiko reo. 3 Faly tamin'gny faharasian'ereo gny pazaka, vo tamin'gny vandiny gny manam-pahefa. 4 Izy aby dra pizangazanga, manahaky gny laforo nafanain'gny panao mofo, ze mizano misoron'afo hatramin'gny famolavola gny foto-koba dra mandra-pitombon'izehi. 5 Tamin'gny andron'gny pazakasika reo manam-pahefa dra nakarary gny vatany tamin'gny hafanan'gny divay. Nagninzisy gny tagnany tamin'ireo ze nagneso anazy. 6 Fa amin'gny fo manahaky gny laforo, gny hieregnany reo tetiky famitahan'ereo. Mirehisy mandrisy gny hariva totolo gny hahorian'ereo; gny amin'gny maraindray dra mirehisy manahaky gny afo midedadeda zeho. 7 Izy aby dra mafana manahaky gny laforo, sady mandrapaky reo ze manapaky eo amin'ereo. Fa lavo reo pazakany aby; sy nisy nitoka Anahy ereo. 8 Nifangaro tamin'ireo olo i Efraima. Mofomamy fisaky ze sy bo navaliky i efraima. 9 Fa nandevo gny reo firene hafa, fe sy fatany zeho. Volo fosy gny mifafy aminazy eo, fe sy fatany zeho. 10 Gny avognavon'Israely dra vavolombelo miapanga anazy; ndre zeha aza, dra sy nihery tamin'i Yaveh Zagnahariny ereo, na nitalia Anazy, ndre dra teo aza zeho iaby zeho. 11 Efraima dra manahaky gny voromailala, minomino fahatany sady sy misy zay, mitoka fatrasy agny Egypta, boakeo nitily ho agny Asyria. 12 Nofa mandeha ereo, dra ho velariko eo amin'ereo gny haratoko, hazosoko gny voron'gny lagnisy ereo. Hagnasazy andreo ao amin'gny firohotany Zaho. 13 Lozan'ereo! Fa nilefa Anahy ereo! Avy amin'ereo eo gny fandringana! Nikomy taminahy ereo! Tokony hagnavosy andreo Zaho, fe nizaka vandy taminahy ereo. 14 Sy nihiaky taminahy tamin'gny fony aby ereo, fa midradradradra eo am-pandriany. Mindray mivory ho an'gny vary vo gny divay vaovao ereo, dra mivio miala Aminahy. 15 Ndre dra napianasy andreo sady nagnafatrasy gny sandriny aza Zaho, dra miteti-drasy hanohisy Anahy ereo amizao. 16 Mihery ereo, fe sy mihery Aminahy, gny Avo Indrindra. Manahaky gny sipiky miraviravy ereo. Ho lavo amin'gny mesa nohon'gny fizakam-pahatan'gny lelany gny manam-pahefan'ereo. Zeho gny ho zary fagnesoan'ereo ao amin'gny tany Egypta.